FJKM Amparibe Famonjena

Raharaha Alahady 23 novambra 2025

Hoy ny Soratra Masina: « Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy , dia amin’ny olona izay mitady Azy.» Fitomaniana 3. 25

Fifaliana ho an’ny reny Fiangonana ny mifanatri-tava aminareo zanany rehetra any am-pielezana tonga miara miombombavaka koa manantitra ny arahaba ho anareo zanaka am-pielezana rehetra amin’ny Anaran’ny Tompo , miarahaba manokana ny Birao sy ny komity ary ny mpikambana RFF nahatratra ity Alahady fanokafana ny Jobily faha 25 taona ity, miarahaba anareo vahiny tonga miara miombom-bavaka aminay eto Amparibe Famonjena ihany koa. Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanana..

Alahady XXIII manaraka ny Trinite, ny andro anio, Alahady natokan’ny foibe FJKM hitondrana am-bavaka ny KPMSV , mbola miaina ny.Lohahevitra hoe :« Mahandrasa , ho avy ny Tompo » .

Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao

RAHARAHA AVY ANY IVELANY

FOIBE FJKM/ONIVERSITE RAVELOJAONA/TPM Ambatonakanga

Manasa ny fiangonana hiara hisaotra sy hidera an’Andriamanitra noho ny faha-40 Taona naha mpitandrina an’Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja , Mpitandrina mivady amin’ny Alahady 30 novambra 2025 amin’ny 2ora30 ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra.

AFF – SPAA 10

Hotanterahina ny Sabotsy 29 novambra 2025 eny amin’ny FJKM Ambohimena Fahasoavana ny fihaonamben’ny MFT manerana ny SPAA10. Ny loha hevitra dia :” Mpandray ny Fanasan’ny Tompo Vonona sy Vanona”. Hanomboka amin’ny 9ora30 maraina ny fotoana , aza adino ny fandraisana anjara 2000 Ar sakafo antoandro.

RAHARAHA ETO AN-TOERANA

– Alahady natokan’ny fitandremana hitondrana am-bavaka ny Zanaka am-pielezana anio sady hanatanterahan’izy ireo ny Voka-dehiben’ny Zanaka am-pielezana. Hisy ny fiarahana latabatra amin’ny Tompo aorian’izao fanompoam-pivavahana izao, izay hanasana ny MFT rehetra tonga miara miombombavaka. Hisy koa ny fiaraha-misakafo izay hanasan’ny fiangonana sy ny vaomieran’ny Fifandraisana anareo Zanaka am-pielezana izay hotanterahina ao amin’ny Akany Rainimamonjy.

– Ny rakitra I anio dia ho an’ny fiainan’ny fiangonana, ny rakitra II hanohanana ny asan’ny fikambanan’ny zanaka am-pielezana.

– Ny rakitra voalohany anio dia ho an’ny fiainan’ny Fiangonana, ny rakitra faha-II hanohanana ny asan’ny Gazety sy Tranokala.

– Mandritra ny fotoanan’ny Asa vavolombelona anio maraina no hanokafana araka ny fomban’ny Fiangonana ny Jobily volafotsy 25 Taona ny RFF.

– Mitohy toy ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.

– Manomboka rahampitso Alatsinainy ny herinandrombokatry ny FMKF.

– Amin’ny Alahady heriny anio dia hivahiny eto amintsika ny solotanan’ny FJKM Antoby Avaratra izay miara mandroso amintsika, ny KD no hitarika azy ireo, hisy vokatry ny tany izay amidy ho fanampiana ny Fiangonana , isika kosa dia iomana amin’ny rakitra am-baravarana ho fanampiana ny KD.

– hotanterahina ny Sabotsy sy ny Alahady ho avy izao ny fanokanana ho Mpitandrina an-dRtoa RAMILISO Diamondra , Mpitandrina any amin’ny FJKM Ambohitsimiady. Hanatrika izany ny Mpitandrina sy ireo solotenan’ny Fiangonana. Hahatsiaro am-bavaka izany fotoana izany isika.

– Hampiomanina sahady isika fa amin’ny Alahady fandraisana volana Desambra ny Alahadin’ny Mpitandrina.

Filazana manjo

Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, VFL, STK Zokiny.
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i : RAMANANDRAIBE Juliette faranirina
Hoy
ny zanany : ARMIN KASSAMALY Nantenainamalala sy RAZANABARY Miaratiana , mianadahy avy sy ny zanany
Fianankaviana manontolo .
Ny fandevenana dia tontosa ny omaly Sabotsy 22 Novambra teny Alarobia Amboniloha rehefa avy nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra teto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Ny famangiana dia efa tontosa

========
Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM AF
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i : RATSIMATAHOMANANA Hasinavalona
Ny Zoma 21 Novambra 2025 teo amin’ny faha 62 taonany
Hoy ny
Vadiny : RATSIMATAHOMANANA ROKOTOMIHAMINA Nirina Helisoa
Ny zanany : RABENANTOANINA Mickael sy Miora , mianadahy avy sy ny zanany
Ny fianankaviana manontolo.
Ny nofomangatsiakany dia ho entina miala ao amin’ny tranony ao Loharanombato Ambavaghaditokana ny Alarobia 26 Novambra amin’ny 10ora antoandro , entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena mialoha ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao belanitra Ilafy.
Ny famangiana dia hotanterahina ny Talata 25 novambra 2025 amin’ny 1ora , ny fotoana dia eo amin’nyespace Lafatra Loharanombato Ampitatafika

FIANTSOANA FANAMBADIANA

Hangatahina mba hitsangana Jonathan RABEMANANORO Valérie sy Pamela RASOLOFOSOANDRAIBE Naliarisoa.

Rtoa ROBSON Michelle Céléstine
Rtoa RAHARISATA Lalanirina
Dia faly mampandre antsika Fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany ny zafiny
Jonathan RABEMANANORO Valérie amin’i Pamela RASOLOFOSOANDRAIBE Naliarisoa
Zanak’i Atoa RASOLOFOSOANDRAIBE Jean Ignace
Rtoa ROBEL Josiane Naliarisoa
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Zoma 05 desambra 202 amin’ny 10ora30 ora eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana II

Hangatahana mba hitsangana RAJAOFETRA Francko Liantsoa sy RAHAJARIMANANA Nomena Fanilo.

Rtaoa RAJAOFETRA RAKOTONINDRINA Jacqueline
Rtoa RAVAOARIMANGA Liliane Holiarisoa
Atoa RAJAOFETRA Francis Melson sy Rtoa ANDRIANTSIALONINA Lysiane fanjasoa
Dia faly mampandre antsika Fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany ny zafiny
RAJAOFETRA Francko Liantsoa amin’i RAHAJARIMANANA Nomena Fanilo
zanak’Atoa RAHAJARIMANANA Mamy sy Rtoa RAVONIARISOA Faraniaina
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Sabotsy 06 desambra 2025 amin’ny 9ora30 ora eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana II

Atoa Ernould Andrianjara Gino sy rtoa Ranarison Hanitriniaina
Dia faly mampandre antsika Fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany
ANDRIANJARA Ando Nantenaina amin’i RASOLOJAONA Heriniaina Noroseheno
Izy dia zanak’i Rtoa Andriantseheno Lala Harintsoa.
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Alahady 23/11 amin’ny 2.30 tolakandro eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana III

TARATASY AVY AMIN’NY RAFITRA SY SSAAV

ASA FITORIANA NY FILAZAN-TSARA (AFF) :  
Ny AFF dia mikarakara hetsika ho an’ny tanora izay hanasana ny tanora rehetra eto amin’ny fiangonanasy ireo sampan mitaiza tanora. Ny fihaonana dia hotanterahina eny Ivato ny Sabotsy 29 novambra 2025 tontolo andro. Ny fiaingana dia amin’ny 7.30maraina. Ny fisoratana anarana dia manomboka anio ao antokotany.

SAMPANA DORKASY :
Hanatanteraka famangiana eny amin’ny fonja Antanimora ny sampana ny Talata 25 novambra 2025 ny fotoana dia eo amin’ny barrier, mitondra Châle .

VONDRONA FOTOTRA LAIKA :
Antsoina ny mpikambana sy izay maniry hanatevin-daharana ny Vondrona Fototra Laika ho tonga amin’ny Fivoriam-be II ny Sabotsy 15 novambra 2025 amin’ny 2 ora tolak’andro eto amin’ny fiangonana.

VAOMIERA ASA VAVOLOMBELONA :
manasa ny mpianakavin’ny finoana ho tonga hanatrika ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny ady amin’ny kolikoly izay hotanterahina ny Sabotsy 29 novambra 2025 amin’ny 8.30ora maraina eto amin’ny Fiangonana.

VAOMIERA FANANANA :
mampiomana antsika fiangonana fa ny fanadiovana faobe ny tananan’ny Fiangonana dia ny Sabotsy 13 desambra 2025 ho avy izao.

SAMPANA MPANAZAVA SY TILY :
Misaotra an’Andriamanitra noho ny nahavitan’ny herinandrom-bokatra tamin’ity taona ity, mankasitraka ny Mpitandrina mivady , ny mpikambana sy ny mpanohana rehetra, ny SSAA ary ny mpianakavin’ny finoana tamin’ny fanotronana sy ny fitondrana am-bavaka fanatanterahana izany herinandrom-bokatra izany.

KOMITY MPIASAN’NY FIANGONANA :
Ny fiangonana dia manao tolotr’asa Mpiambina amin’ny alina misokatra ho an’izay rehetra mahafeno ny fepetra.
Ny andinindininy rehetra dia azontsika jerena ao amin’ny fafana ao an-tokotany.
Ny fara fandraisana ny taratasy dia ny zoma 05 desambra 2025 amin’ny 3ora tolakandro.

FANDAHARANA HERIANDROM-BOKATRY NY FMKF :
- Alatsinainy 24 novambra 2025 amin’ny 6.15 hariva : famelabelaran-kevitra entin’ny Mpitandrina “ FMKF sy AFF mpiara miombon’antoka voalohany amin’ny fitoriana ny filazantsara”.
- Alarobia 26 novambra 2025 amin’ny 6.15 hariva atrik’asa entina hanatsarana ny trakta “MAHATOKY IZAO TENY IZAO” iarahana amin’ny Mpitandrina ihany
- Zoma 28 novambra 2025 amin'ny 6.15 hariva fotoam-bavaka hotarihan’ny FMKF.
- Alahady 30 novambra 2025 fanompoam-pivavahana ivon’ny herinandrom-bokatra.

Dia hahatsiaro am-bavaka sy hifanotrona ary hiara hanatanteraka ireo asan’ny Tompo ireo isika ry Fiangonana malala.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.