FJKM Amparibe Famonjena

Raharaha Alahady 30 novambra 2025

Hoy ny Soratra Masina: « Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao ; tandremo ny famindrampo sy ny rariny. Ary miandrasa an’Andriamanitra mandrakariva” Hos. 12. 7

Manantitra ny arahaba ho antsika rehetra amin’ny Anaran’ny Tompo ry havana , miarahaba manokana ny solotenan’ny fiangonana avy any amin’ny FJKM Antoby Avaratra izay tarihan’ny KD MAMINDRAINY Rovantsoa , tonga mivahiny eto Amparibe amin’ity anio ity , mankasitraka sahady anao izay Atoa KD nanaiky ny hanatanteraka ny asa Pastoraly anio ary mirary soa ho anao mandrakariva hahavita be amin’ny asa niantsoan’ny Tompo anao. Miarahaba anareo Birao sy Komity ary mpikambana FMKF nahatratra ity ivom-bokatra ity ar miarahaba anareo vahiny tonga miara miombom-bavaka aminay eto Amparibe Famonjena ihany koa. Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanana.

Alahady I amin’ny Adveto anio izany hoe fotoana hiomanantsika amin’ny fihavian’ny Mesia ary fotoana handinihantena ihany koa. mbola miaina ny.Lohahevitra hoe : «Mahandrasa , ho avy ny Tompo».

Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao.

RAHARAHA AVY ANY IVELANY

FOIBE FJKM/ONIVERSITE RAVELOJAONA/TPM Ambatonakanga

Anio tolakandro amin’ny 2ora30 ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra no hanatanterahana ny fanompoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-40 Taona naha mpitandrina an’Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina mivady koa Manasa ny fiangonana amin’izany fotoana izany.

FDL – SPAA 10

Araka ny fandaminana dia hahemotra amin’ny Alakamisy 18 desambra 2025 ny fihaonambe II FDL/SP izay hotanterahina ao Antsahamanitra. hanomboka amin’ny 9.30 ny fotoana.

FANASANA

Alarobia 03 desambra : fifandraisan-tanana eo amin’ny FJKM Antsahamamy Filadelfia sy ny Mpitandrina RAKOTONANAHARY Marolahy, mivady.
Alakamisy 04 desambra : fifandraisan-tanana eo amin’ny FJKM Kristy Fiainana Bemasoandro sy ny Mpitandrina RAKOTOARIVELO Johasy , mivady.
Sabotsy 06 desambra : fifandraisan-tanana eo amin’ny FJKM Andavamamba Filadelfia sy ny Mpitandrina RAKOTOMAMPIONONA Solofoniaina, mivady.

Ireo fotoana ireo dia hanomboka amin’ny 9ora30 ; hotarihan’ny Biraon’ny SPAA10 ary hanasana ny Mpitandrina mivady sy ny solotenan’ny fiangonana.

TOHIVAKAN’NY FAHAMARINANA / CHAINE D’HONNETETE

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly, dia manasa ny fiangonana hanatrika ny famelabelaran-kevitra “Nahoana ny Kristiana no toa marisarisa amin’ny ady amin’ny kolikoly” atolotr’i Rév. Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina ny Alahady 07 desambra amin’ny 2ora 30 eto amin’ny Fiangonana.

RAHARAHA ETO AN-TOERANA

– Tsy eto an-toerana ny Mpitandrina fa lasa nanatanteraka fanokanana Mpitandrina tany Vatomandry ary anio izy dia nanotrona ny fanokanana ho Mpit. An-dRtoa RAMILISON Diamondra , mpitandrina any Ambohitsimiady miaraka amin’ireo solotenan’ny fiangonana. Ny KD avy any Antoby Avaratra no hanatanteraka ny fanoloran-jaza sy ny Sakramentan’ny Batisa ary hanolotra ny Tsodrano.

– Alahady natokan’ny fitandremana hitondrana am-bavaka ny FMKF anio sady ivon’ny herinandrom-bokatra ihany koa.

– Ny rakitra voalohany anio dia ho an’ny fiainan’ny Fiangonana, ny rakitra faha-II hanohanana ny asan’ny Gazety sy Tranokala.

– Ny rakitra I anio dia ho an’ny fiainan’ny fiangonana, ny rakitra II hanohanana ny asan’ny FMKF. Hisy ihany koa ny rakitra am-baravarana izay hanohanana ny KD.

– Hisy fanoloran-jaza aorian’ny raharahan’ny fiangonana.

– Mandritra ny fotoanan’ny Asa vavolombelona anio maraina dia hisy ny zaza handray ny Sakramentan’ny Batisa.

– Hisy ny asa sy fampaherezana izay hotanterahan’ny SAFIF anio maraina.

– Mitohy toy ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.

– Amin’ny Alahady heriny anio dia hanatanteraka ny Alahadin’ny Mpitandrina isika. Aoka hiomana ny rafitra rehetra. Alahady voalohany amin’ny volana ihany koa io koa hisy ny firaisana latabatra amin’ny Tompo.

– Ampahatsiahivina isika fa misy ireo vokatry ny tany avy eny Antoby Avaratra amidy ao antokotany rehefa mifarana ny Fanompoam-pivavahana izay hanentanana antsika ny fanjifana izany.

FIANTSOANA FANAMBADIANA

Rtoa ROBSON Michelle Céléstine
Rtoa RAHARISATA Lalanirina
Dia faly mampandre antsika Fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany ny zafiny
Jonathan RABEMANANORO Valérie amin’i Pamela RASOLOFOSOANDRAIBE Naliarisoa
Zanak’i Atoa RASOLOFOSOANDRAIBE Jean Ignace
Rtoa ROBEL Josiane Naliarisoa
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Zoma 05 desambra 202 amin’ny 10ora30 ora eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana III

Hangatahana mba hitsangana RAJAOFETRA Francko Liantsoa sy RAHAJARIMANANA Nomena Fanilo.

Rtaoa RAJAOFETRA RAKOTONINDRINA Jacqueline
Rtoa RAVAOARIMANGA Liliane Holiarisoa
Atoa RAJAOFETRA Francis Melson sy Rtoa ANDRIANTSIALONINA Lysiane fanjasoa
Dia faly mampandre antsika Fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany ny zafiny
RAJAOFETRA Francko Liantsoa amin’i RAHAJARIMANANA Nomena Fanilo
zanak’Atoa RAHAJARIMANANA Mamy sy Rtoa RAVONIARISOA Faraniaina
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Sabotsy 06 desambra 2025 amin’ny 9ora30 ora eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana III

Atoa Ernould Andrianjara Gino sy rtoa Ranarison Hanitriniaina
Dia faly mampandre antsika Fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany
ANDRIANJARA Ando Nantenaina amin’i RASOLOJAONA Heriniaina Noroseheno
Izy dia zanak’i Rtoa Andriantseheno Lala Harintsoa.
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Alahady 23/11 amin’ny 2.30 tolakandro eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana III

TARATASY AVY AMIN’NY RAFITRA SY SSAAV

SAMPANA SEKOLY ALAHADY :  
Misy ny Sekoly Ray Amandreny (SERA) amin’ny Alahady heriny anio . lohahevitra “zon’ny ankizy eo amin’ny fianankaviana” ho entin’i Rtoa RAZAFINDRAMBOA Vololona.

AFF :
Ny AFF dia mikarakara hetsika ho an’ny Ankohonana ( Ray aman-dreny sy zanaka) “ ANKOHONANA MIFALY” izay hanasana ny rafitra rehetra eto amin’ny fiangonana sy ireo mpianakavin’ny finoana rehetra. Ny fihaonana dia hotanterahina eny Ivato ny Sabotsy 06 desambra tontolo andro. Ny fiaingana dia amin’ny 7.30maraina. Hisy ny sakafo antoandro sy ny fitanterana koa aoka hisoratra anarana any amin’ny Biraon’ny AFF ao antokotany.

KOMITY MPIASAN’NY FIANGONANA :
Ny fiangonana dia manao tolotr’asa Mpiambina amin’ny alina misokatra ho an’izay rehetra mahafeno ny fepetra.
Ny andinindininy rehetra dia azontsika jerena ao amin’ny fafana ao an-tokotany.
Ny fara fandraisana ny taratasy dia ny zoma 05 desambra 2025 amin’ny 3ora tolakandro.

ANARAN’IREO ZAZA HO ATOLOTRA :
1- RAZAKARIASY Sombiniaika Jonathan, teraka tamin’ny 21/10/2025. Zanak’I Atoa RAZAKARIASY Andry Misandratra sy Rtoa MIANTSO Andrianalimanana Narindra.
2- ANDRIAMIZAKASON Aaron Miaro, teraka tamin’ny 07/11/2025. Zanak’Atoa ANDRIAMIZAKASON Toky Axel sy Rtoa RAKOTOARISAINA Laeticia.

ANARAN’IREO ZAZA HANDRAY NY SAKRAMENTAN’NY BATISA :
1- MIANTSO Andrianalimanana Harintsoa Fifaliana, teraka tamin’ny 05/10/2023
2- MIANTSO Andrianalimanana Ilontsoa Itokiana , teraka tamin’ny 28/11/2024
Zanak’Atoa MIANTSO Andrianalimanana andoniaina sy Rtoa ANDRIANALISON RABESON Rindraniaina
3- RAZAFIMANDIMBY Tsikinirina Athena , teraka tamin’ny 05/03/2025
Zanak’Atoa RAZAFIMANDIMBY Niaina Tiantsoa sy Rtoa RAJOELINARIVO Saholy Elia
Ny mpiantoka ireo zaza ireo dia ny Ray aman-dreniny ihany.

Dia hahatsiaro am-bavaka sy hifanotrona ary hiara hanatanteraka ireo asan’ny Tompo ireo isika ry Fiangonana malala.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.