Hebreo 3. 6a

«fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony…»

Fiantsoana sy Fiderana

Alahady voalohany amin’ny volana jona, izay hibanjinana ny lohahevitra vaovao ho fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM manao hoe : “ Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo.”
Amin’ny maha alahady voalohan’ny volana azy dia nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, tao aorian’ny fanompoam-pivavahana.

Rakotomanana Herintsoa Tahiry, Mpitandrina, no nitarika ny fotoana, sy nizara ny hafatr’Andriamanitra.
Rabe Harimanana, no nanatanteraka ny vavaka mialohan’ny famakiana ny Soratra Masina, Rakotomalala Harizo no namaky Teny.

Litorjia amin’ny endriny voalohany no notanterahina, ary ny fanekem-pinoana apostolika laharana voalohany no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Salamo fiderana faha-103. 1-5 no nentin’ny mpianakavin’ny finoana niderana an’Andriamanitra.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Ny Perikopa voalahatra : Salamo 22. 22-31 ; Matio 20. 20-23 ; Hebreo 3. 1-6
Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nandray anjara hira tao aorian’ny toriteny, izay mitondra ny lohateny hoe : “Mihobia ho an’I Jehovah”.

Nisy ny fitondrana am-bavaka ireo mpianakavin’ny finoana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahana volana mey, nohiraina ny FFPM laharana faha- 20:1, ny Tenin’Andriamanitra ho fanomezana ho azy ireo dia ny ao amin’ny Filipiana 4. 4,6-7 : “Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; hoy izaho indray : Mifalia……..Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’ny Kristy Jesoa.”
Ny hira ao amin’ny FFPM laharana faha-8 no nohiraina nandritra ny raki-pahasoavana izay notanterahan’ireo vahoakan’Andriamanitra teraka ny volana mey.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Andriantseheno Hanitra Tiana, Mpampianatra Sekoly Alahady kilasy voalohany no tompon’anjara.

Natomboka tamin’ny alalan’ny vavaka izany.
Hebreo 13. 5b “ … Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.

Fanoharana : Rehefa kivy sy ketraka noho ny fiainana ity lehilahy anakiray dia lasa izy nandeha tany anaty ala lavitra tany, ary nitady toerana afaka hipetrapetrahana izy dia avy eo niteny hoe : nahoana no dia mahafoy ahy Ianao Andriamanitra o?
Fa namaly azy Andriamanitra hoe : jereo ny manodidina anao, mahita apanga sy volontsagana ve ianao? Eny hoy ilay lehilahy, ilay apanga dia naniry tsara fa ilay volontsagana kosa tsy maintsy nokarakaraiko tsara mba hitombo tsara hoy Andriamanitra, nandeha ny fotoana, nitombo ireo volontsagana fa tsy nisy voniny ihany, fa Izaho mbola tsy nahafoy ireo hoy Izy, nandeha ny taona, tonga tamin’ny taona faha-dimy dia nisy voniny ihany fa kely dia kely, fa mbola tsy nahafoy azy ihany Andriamanitra, afaka volana maromaro taty aorian’ny taona faha-dimy dia nitombo halavana ilay volontsagana, ary lasa nijoalajoala be.
Hafatra :
1/- Tsy mahafoy antsika mihitsy Andriamanitra.
2/- Na toy ny ahoana na toy ny ahoana isika dia tsy foin’Andriamanitra.
3/- Tsy tokony ho kivy isika, fa hanantena an’Andriamanitra hatrany.
Ny hira ao amin’ny FFPM laharana faha-808:1 sy vavaka no namaranana ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.

Toriteny

Ny Hebreo 3. 1-6 no nangalan’ny Mpitandrina ny fampianarana sy ny hafatr’Andriamanitra.

Ny epistily ho an’ny Hebreo dia tena miavaka satria natokana ho an’ny Jiosy sy ny Hebreo manerana ny firenena samihafa, ny toerana tena betsaka jiosy sy hebreo dia tany Roma sy Palestina, izay efa nikisaka ho any amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ary indrindra epistily nosoratana ho an’ireo jiosy sy hebreo izay mbola tsy mino an’i Jesoa Kristy mihitsy.

Ny epistily ho an’ny hebreo raha fintinina dia fampianaram-pinoana matanjaka mahakasika an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy. Ohatra ny Hebreo 11, ny andininy rehetra, Hebreo 12. 2.
Ny epistily ho an’ny Hebreo irery no epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao nosoratana tamin’ny teny hebreo.

Fahamarinana 3 no voalaza avy amin’ity Hebreo 3. 1-6 ity :

1/- Manambara ny maha-Apostôly an’i Jesoa Kristy (and.1) :

Ny atao hoe apostôly dia iraka, izany hoe Jesoa Kristy dia iraka hanaparitaka ny Soratra Masina, hitory sy hanambara ny Filazantsara, ny Famonjena, ny fanafahana, ny Fiainana mandrakizay, ny fitiavan’Andriamanitra……, Jesoa Kristy ilay nomena andraikitra manokana hanao iraka. Jesoa Kristy no santatra voaloahany tsara indrindra amin’ny apostôly izay tsy maintsy banjinina sy alain’ny apostôly rehetra tahaka.

Izay mahatsiaro ho “apostôly” dia mila mibanjina an’i Jesoa Kristy ilay Apostôly voalohany sady Tompon’ny iraka. Moa manahaka Azy tokoa ve ?

2/- Manambara ny maha-Mpisoronabe an’i Jesoa Kristy (and.1)

Ny atao hoe mpisoronabe raha tany amin’ny Testamenta Taloha, dia ireo olona izay nantsoina manokana ao amin’ny Tempoly hikarakara ny fanelanelanana ny olombelona izay mpanota sy manao diso eo anatrehan’Andriamanitra, hiverina ho amin’ny fifandraisana indray amin’i Jehovah Andriamanitra, ny mpisorona no manantanteraka ny sorona ao amin’ny tempoly. Rehefa manota ny zanak’Israely, dia mitondra biby manan’aina hatao sorona halatsa-drà, ka tsy ilay olona nanota no maty fa ilay biby natao sorona, ary mangataka fifonana sy famelan-keloka, dia voavela ny helok’ilay mpanota na ilay olona nanao fahadisoana.

Jesoa Kristy dia Mpisoronabe, Izy no Ilay Mpisolo heloka teo amin’ny hazofijaliana, ny mampiavaka an’i Jesoa Kristy dia sady Mpisorona Izy no nanao sorona ny Tenany.
Ny fanaovan’ny olona sorona sy mpanelanelana amin’Andriamanitra tao aorianan’i Jesoa Kristy dia tsy azo ekena velively fa “blasphémie” izany, Jesoa Kristy irery ihany no mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra.

3/- Manambara ny maha-Mpanjaka an’i Jesoa Kristy (and.6)

Voalohany, raha tranon’Andriamanitra ka tempolin’ny Fanahy Masina, dia isika kristianina tsirairay avy izany, Andriamanitra no manapaka ny fiainan’ny tsirairay avy. Raha ny fomba fijery faharoa dia Jesoa Kristy no Zanaka Mpanapaka ny fiainan’ny ankohonana sy ny tokantrano. Faha-telo dia Jesoa Kristy hatrany no Zanaka Mpanapaka ny Fiangonan’ny mpino.

Aza avela hisy hery hafa hanapaka ny fiainanao hafa tsy Jesoa Krisry irery ihany, ka na inona na inona hiainanao sy handalovanao dia tadidio fa Mpanapaka ny fiainanao Kristy, na inona na inona hangatahinao dia hainy ny manome izany ho anao, Izy no manapaka ny tranon’Andriamanitra, Tempolin’ny Fanahy Masina. Aza diso fangataka fa hangatao amin’ny finoana izay tokony hangatahinao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra. Amen !

Teny famaranana

Alahadin’ny taranaka sy ny hetsika gasigasy ny alahady faha-28 ny vola jona 2026.
Nanentana ny Mpitandrina ny amin’ny fahatongavan’ny Diakona rehetra sy ny biraon’ny sampana ny amin’ny fiofanana ny faha-20 ny volana jona sy ny volana jolay 2026 ho avy izao.

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

RAJAOFETRA John

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

RANDRIAMASIMANANA Andrinavalona

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

RAMAHERY Yves Thierry

Naka sary

Naka sary

RAJAONARIVELO A. Andrew Matthieu

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

RAHAJARIZAFY Bakoly

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →