ALAHADY IVOM-BOKATRY NY ANTOKO MPIHIRA HASIN’NY FAMONJENA
« MANAPAKA AMIN’NY FAHEFANY NY TOMPO »
Alahady 14 Jona 2026
Matio 28. 20b
«Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.»

Fiantsoana sy Fiderana
Alahady faharoa manaraka ny Trinite. Alahady natokan’ny Foibe FJKM hitondrana amim-bavaka ny Sekoly FJKM sy ivom-bokatry ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena rahateo, ka nitondrana azy ireo amim-bavaka. Alahady faharoa amin’ny volana jona, mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe « Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo ».
Rabenandrasana Arijaona Andrianina, no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Ny Perikopa voalahatra : Isaia 10. 26–34 ; Matio 28. 18–20 ; Romana 13. 1-7
Rambolamanana François sy Randriamboavonjy Vonimbolanoro, no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra masina.
Rakotondravelo Mahaly no nivavaka setrin’ny toriteny.
Ny Sampana Taniketsa (STAF) no nanao anjara hirany niaraka tamin’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.
Taorian’ny tatitr’asa sy ny tatitra avy amin’ny Foibe dia nanao ny anjara hirany ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Randrianjafitrimo Elia, no tompon’anjara ary nitondra ny fampianarana.
Ny Romana 13. 7a,d no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy”, … “Haja ho an’izay tokony hajaina”.
Ny Ray aman-dReny no solon’Andriamanitra velona.
Toriteny

Ny Matio 28. 18-20 no nitondrana hafatra. Anisan’ireo Tenin’Andriamanitra henontsika miverimberina matetika izay tsy voaisa izy io.
Hevitra telo no tiana ampitaina eto :
1. Jesoa Kristy maneho ny fahefany amin’ny maha Andriamanitra Azy.
2. Jesoa Kritsy maniraka ny mpianany.
3. Jesoa Kristy manome toky ny mpianany sy manome hery.
1. Milaza ny fahefany amin’ny maha Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy.
And. 18 : fahefana rehetra.
Raha idirana lalindalina kokoa ny telojian’ny fahefana, dia misy karazany roa izany:
a) Ny fahefana mampahery, mamporisika amin’ny zavatra tsara sy miabo, manome aina vaovao toy ny hery sy fifaliana hanaovana zavatra iray.
b) Ny fahefana mahatrotraka, mahavalaka, famoretana, mampahatonga olona iray ho kivy sy tretraka (fahefan’ny satana).
Fahefana avy amin’ny teny Grika nadika tamin’ny teny frantsay tao amin’ny Testamenta Vaovao :
a) « Pouvoir » : (and. 18) Andriamanitra irery ihany no manana azy.
b) « Autorité » : (Romana 13. 1) ny olona nomena ny « pouvoir », tsy azy tanteraka ny fahefana fa « autorisé » izy hampiasa azy izany hoe nidraminy izany (mpiandry, …).
2. Maniraka ny mpianany Izy.
Iraka : izay misy « précision » sy « objectif », and. 19.
Anisan’izany ny fampianarana sy ny fanaovam-batisa.
Tsy mora anefa ny manantanteraka azy kanefa efa nomen’ny Tompo ny fahefana ahafahana manao izany.
3. Manome toky ny mpianany sy manome hery azy.
And. 20 : hery manosika ny zanak’Andriamanitra hanantanteraka ny iraka mandrapahatapitr’izany, tsy mandeha irery fa eo Andriamanitra sy ny heriny momba antsika hatrany.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen!
Tondrozotra
“Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny Finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. Jakoba 2 : 22
“Ary izaho kosa haneho Aminao ny finoako amin’ny asako” Jakoba 2 : 18b.
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga
Eninkaja Irimanana

Nikirakira fafana
Nirina Raharijaona

Fanamafisam-peo
Rabemananoro Jonathan

Naka sary
Ranaivo Nathanael

Nandray an-tsoratra
Ravelojaona Harentsoa
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →


























































