Hoy ny Soratra Masina « Iza no hirahiko , ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho : Inty aho , iraho aho . » Isaia 6:8
Ampifaliana indray ry fiangonana malala no hiarahabana antsika rehetra tonga miara-miombom-bavaka eto, amin’ny anaran’ny Tompo. Miarahaba ny Sampana Tanora Kristiana nahatratra ity andro fanateram-bokatra ity. Arahabainay ihany koa ianareo vahiny nisafidy manokana ny hiara iombom-bavaka aminay eto anio. Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanana.
Alahady 12 Jolay , Alahady VI manaraka ny Trinite, Alahady hitondrana am-bavaka ny STK manerana ny sahan’ny FJKM ary mbola hibanjinantsika ny Lohahevitra hoe :« Manaiky ho iraka ny mpino ».
Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao
- TPM Ambatonakanga / Komity faha 30 taona naha Mpitandrina an’Atoa RAZAFINDRAKOTO Andriambalohery Hasinarivo mivady, talen’ny TPM Ambatonakanga.
Manasa ny Fiangonana hiara hiombom-bavaka sy hisaotra an’Andriamanitra noho ny faha 30 taona naha Mpitandrina :
Alakamisy 23 Jolay amin’ny 9.30 maraina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Misy ny valopy fandraisan-tanana azo raisina ao amin’ny efitra Atsimo.
- ONIFRA: ho fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny zanaky ny fiangonana eo amin’ny informatika ; ny “ Centre de Compétence” ao amin’ny Oniversite Ravelojaona dia manolotra fiofanana ho an’ny Débutant hatramin’ny Avancé amin’ny Excel ny 20 jolay hatramin’ny 24 jolay 2026 . Ny sarampiofanana dia 20.000 Ar.
- Alahady ivon’ny herinandrom-bokatry ny STK anio .
- Ny rakitra voalohany anio, ho an’ny asan’ny Fiangonana , ny rakitra faha-2 kosa hanohanana ny asan’ny STK.
- Hisy ny zaza handray ny Sakramentan’ny Batisa mandritra ny fotoanan’ny asa vavolombelona.
- Misy ny asa sy fampaherezana izay hotanterahan’ny SAFIF aorian’ny fanompoam-pivavahana.
- Mianatra avy hatrany ianareo Katekomena aorian’izao fanompoam-pivavahana izao eny amin’ny Akany Rainimlamonjy.
- Mitohy toy ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.
- Hotanterahina ny Zoma 17 jolay 2026 ho avy izao ny fitokanana ny asa fanitarana ny tranon’ny fiangonana eny amin’ny Toby Antambohomena.
- Aza adino ny Fiofanana faha-III ho antsika FDL ny Sabotsy 18 jolay 2026 amin’ny 2.30 tolakandro.
Atoa RASOLOFO Bernard sy Rtoa RAVANONA Raharimalala Lucie , dia faly mampandre antsika fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany :
RASOLOFO Luc Andrianjanahary amin’ i ANDRIANAVALONA Harinomena Natanaela, zanak’Atoa RAKOTONJANAHARY ANDRIANAVALONA Mamy Mathieu sy Rtoa RAZAFINDRABODO Fara Harisoa.
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Sabotsy 18 Jolay 2026 amin’ny 10ora maraina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana faha-III sady farany.
Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena , ary ny rafitra manontolo.
Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i
RAHARIJAONA Solofonirina , Mpitandrina
Ny Alakamisy 9 Jolay 2026 rehefa nivahiny 68 taona teto an-tany
Hoy ny vadiny : RASETAMANANA Holihanta Bodoharisoa
ny zanany :
RAHARIJAONA Rasetamanana Solofonirina sy RANAIVOSOLO Valiha Harimalala sy ny zanany. ANDRIAMASINORO Manjaka Fifaliana sy RAHARIJAONA Rasetamanana Solofonantenaina sy ny zanany
Ny fianakaviana manontolo.
Ny nofo mangatsiakany dia ho entina miala eny amin’ny tranony eny Ambatolampy Antehiroka anio Alahady 12 jolay amin’ny 1ora tolakandro , hivantana eto amin’ny Fiangonana ary handrasana eto anio tontolo alina . Ny fanompoam-pivavahana hisaorana an’Andriamanitra sy fampaherezana ny fianankaviana sy ny fiangonana dia rahampitso Alatsinainy 13 jolay amin’ny 8.30 maraina mialoha ny hitondrana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ankazondandy Ankadilalamaro Imeritsiatosika.
Ny famangian’ny fiangonana sy ny rafitra rehetra dia hotanterahina anio.
FANDAMINANA NY AMIN’NY FIANDRASANA NY RAZANA SY NY FANDEVENANA
Entanina isika Sampana sy Fikambanana ary mpianakavin’ny finoana rehetra ho tonga hifanotrona sy hifampahery amin’ny fianakaviana anio tolakandro sy anio alina ary rahampitso Alatsinainy .
Ny FDL sy ny Firaisan’ny Sampana no mandrindra sy manatanteraka ny raharaha sy ny asa rehetra manodidina izany fiandrasana ny nofo mangatsiaka izany.
Ianareo sampana Mpihira rehetra kosa no hanafana ny alim-piderana miaraka amin’ireo antoko mpihira sy fikambanana avy any ivelany koa aoka iomana ianareo. Efa misy ny mpandamina izany.
Ho amin’ny Alatsinainy : samy manao ny fanamiany ny sampana , ny Diakona sy Loholona manao ny ankajom-panompoana.
Ho an’izay maniry ny handeha handevina dia toy izao ny tsara ho fantatra : misy ny fiara iombonana ka 12.000 ar ny sarandala miainga eto AMPARIBE – FASANA- miverina eto AMPARIBE .
Misy koa anefa ny fiara miainga eo IMERITSIATOSIKA – FASANA – miverina eo IMERITSIATOSIKA ka 6.000 ar ny sarandalana . Ny fara fisoratana anarana ho an’ireo handeha fiara iombonana ireo dia hatramin’ny anio antoandro amin’ny 12 ora ao amin’ny biraon’ny fiangonana efitra atsimo. Dia hiezaka isika ry Havana hanaja ireo fandaminana ireo ho voninahitry ny Tompo.
Komitin’ny faha-165 taonan’ny Fiangonana :
Noho ny zava-mitranga eto amin’ny fiangonana dia ny fodiamandrin’ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina, ny sakafom-pifaliana izay nokasaina hotanterahina ny Sabotsy 19/07 ho avy izao dia hahemotra amin’ny fotoana manaraka izay tsy ho ela.
Hampahafantarina ihany koa isika fa hisy ny hetsika “ QUESTION POUR UN CHRETIEN” fahalalana Soratra Masina sy fahalalana ankapobeny ny fiangonana ny Sabotsy 25 sy Alahady 26 jolay 2026 izay hanasana antsika Kristiana. Efa azo atao ny misoratra anarana any amin’ny tompon’andraikitra.
Vondrona Fototra Laika (VFL) – toy izao ny fandaharana herinandrom-bokatra :
Alatsinainy 13 jolay amin’ny 6 ora 15 hariva fiombonam-bavaka hiarahana amin’ny AFF sy ny Mpitandrina.
Alarobia 15 jolay amin’ny 6ora hariva famelabelaran-kevitra mitondra ny lohahevitra hoe : “ Laika mamokatra ho an’ny Tompo”
Zoma 17 jolay amin’ny 6.15 hariva : fotoam-bavaka tarihan’ny sampana.
Sabotsy 18 jolay amin’ny 9.30 maraina fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-5 taona ny TAFO eny amin’ny TPM Ivato.
Alahady 19 jolay fanompoam-pivavahana ivon’ny herinandrom-bokatra. Ny tolakandro amin’ny 1.30ora kosa fanompoam-pivavahana hiarahana amin’ny SFL eny amin’ny FJKM Mahalavolona.
ZAZA HANDRAY NY SAKRAMETA BATISA
ANDRIANJAFY Marc Fanomezantsoa teraka tamin’ny 21/08/2016 , zanak’I Rtoa RAZAFIARILALA Njaraniaina
Ny miantoka ny zaza dia ny reniny ihany.
Dia hahatsiaro am-bavaka sady hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ireo asan’ny Tompo apetrany hotanterahintsika fiangonana ireo isika ry Havana.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

