Jaona 8. 36

«Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.»

Fiantsoana sy Fiderana

Midera sy misaotra ny Tompo mandrakariva isika noho ny fotoana anio ahafahana miombom-bavaka eto an-tranony indray.
Alahady fahatelo manaraka ny Trinité . Alahady natokana ho ivon’ny jobily fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-35 taonan’ny Sampana Vokovoko Manga eto amin’ny fitandremana ary ihany koa amin’ny sahan’ny FJKM. Fotoana rahateo natokan’ny Fiangonana hiaraha-miombom-bavaka amin’ny SVM.

Mbola mibanjina ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : “MANAPAKA AMIN’NY FAHEFANY NY TOMPO” isika .
RAZAFIMBELO Andoniaina Antonio no nitarika ny fanompoam-pivavahana ka ny litorjia faharoa fampiasa eto anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara no notanterahina.
Ny Mpitandrina RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry no nitory ny tenin’Andriamanitra.

Nizara telo ny Asa vavolombelona notanterahina androany ka teo ny Sakramentan’ny Batisa izay nanaovana Batisa ny zaza ANDRIANJAFY Marc Fanomezantsoa.
Teo ihany koa ny fanokanana ireo takela-bato tao ivan’ny trano Fiangonana ary nisy ihany koa ny fanolorana certificat ireo Filoha nifandimby na ireo mpikambana nanorina izany sampana izany.Noharahabaina teto ihany koa ireo nanao ny teny faneva sy ny hira faneva.

Nisy ihany koa ny fotoana manokana nankalazana ny Fetin’ny Ray notanterahan’ny Fiangonana niaraka tamin’ny sampana VMFP na ny Vondrona Manambatra ny Fanomezam-Pahasoavana.

Nisy ny fampahafantarana ny antom-pisiana sy ny andraikitry ny SVM eo anivon’ny Fiangonana ary koa ny tatitry ny asa vita tao anatin’ny taona izay notanterahan’i Vahila RAHARIJAONA.

Ramatoa Holy Razafimbelo kosa no nanao ny hafatra avy amin’ny Sampana Vokovoko Manga Foibe.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

ANDRIANJARA Ando Nantenainano nanao ny vavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.
RAJAONA Radono namaky no namaky ny perikopa voalahatra hovakiana anio.
Ny Testament Taloha dia araka izay hita ao amin’ny Joela 1. 1-7.
Ny Testament Vaovao kosa dia araka izay hita ao amin’ny Jaona 8. 31-38 – 1 Koritiana 6. 9-11
Mialoha ny nirosoana tamin’ny hafatra sy ny toriteny dia nohirain’ny Fiangonana ny FFPM hira 210:1 “ Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao”

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Zoky RANDRIAMIARANA Lalao mpampianatra ao amin’ny K5 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.

Ny Jaona 8. 36 no nakana ny hafatra : “Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.”
Ny tantaran’ilay mararin’ny paralysisa araka ny Marka 2. 1-12 no nentina nanohanana sy nanazavana ny fampitam-kafatra tamin’izany.
Nambara ary fa isika dia tokony hitady ny fomba rehetra sy hitarika ny namantsika ho tonga eo amin’i Jesoa toa ireo efa-dahy nitondra ilay paralysisa teo amin’i Jesoa.
Aoka isika hitondra am-bavaka mandrakariva ireny namantsika ireny.

Toriteny

Ny Mpitandrina eto an-toerana RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry no nitory ny tenin’Andriamanitra.
Fotoana manokana ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-35 taonan’ny SVM moa androany ka ny teny fanevan’izany sampana izany araka ny Jaona 8. 36 no nakana ny hafatra sy ny toriteny.
Teo am-piandohana dia niharaba ny Raim-pianakaviana ny mpitandrina noho ity andro ity natokana ahatsiarovana ny ray.

1.- JESOA KRISTY MANAFAKA NY OLONA AMIN’NY FANAGEJAN’NY FAHOTANA

Resaka fanahafana sy fahafahana no hambaran’ity Jaona 8. 36 ity.
Noho izany dia olona voageja no horesahin’ny Tompo eto.

Saingy ilay olona resahin’ny Tompo anefa tsy miheritreritra ny tenany ho voafatotra.
Raha mijery ny contexte isika dia mahita an’i Jesoa Kristy mihady hevitra amin’ny fariseo ny amin’ny resaka fanandevozana. Eto anefa dia hita fa samy manana izay heveriny ho andevo na Jesoa na ny fariseo.

Ny fariseo dia miheritreritra ny atao hoe andevo araka ny and. 33 fa i Jesoa kosa mihevitra ny atao hoe andevo araka ny and. 35.
Raha faritana ny atao hoe andevo dia Olona tsy manan-tsafidy , tsy manan-jo intsony eo anivon’ny fiarahamonina no atao hoe andevo.
Nanambara ary ny fariseo fa izy dia taranak’i Abrahama ka nahoana moa izy ireo no atao hoe andevo.

Mazava anefa ny fanambaran’i Jesoa Kristy fa izay olona manota no andevon’ny ota.
Samy hafa mihitsy izany ny famaritana ny maha-andevo teo amin’ny Fariseo sy teo amin’i Jesoa Kristy.
Ambaran’i Jesoa fa raha manota ny olona dia ny ota no mandidy sy mifehy izay tokony ataony. Ny ota no mangeja anareo ka dia andevon’ny ota ianareo hoy ny Tompo.

Fa hoy Jesoa : Tsy ho afaka amin’izany ianareo raha tsy ny zanaka no manafaka anareo.
Ny tena manandevo ireto fariseo ireto dia ny tsy finoana an’i Jesoa indrindra indrindra, ny fandavana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa ka tsy ahazoany famonjena.
Ny olona mihevitra fa tsy voafatotra izy nefa tena voafatotra izy;
Impiry moa io fanondronao na ny ankihibenao io no mikitika FB nefa impiry io fanondronao io no mamadika baiboly isan’andro.

Aza mety ho fatoran’ireny vokatry ny fandrosoana toy ny reseaux sociaux na ny zavatra hafa toy ny zava-mahamamo, ny zava-mahadomelina sns…
Fa aoka ny Tompo no hitarika antsika ho amin’nyfahafahana. Meteza ho afahan’ny Tompo Jesoa.

2.- MILA FAHARETANA AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Raha te ho mpianatr’i Jesoa dia mila manana faharetana amin’ny tenin’Andriamanitra. Aza miheritreritra ny hanafaka sy hitaona ny hafa isika raha tsy maharitra amin’ny tenin’Andriamanitra. Mila mitoetra sy mitombo amin’ny tenin’Andriamanitra ho tonga fantsom-pamonjena ho an’ny hafa.

Ho an’Andriamanitra irey ny voninahitra.

Tondrozotra

“Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny Finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. Jakoba 2 : 22
“Ary izaho kosa haneho Aminao ny finoako amin’ny asako”
Jakoba 2 : 18b.

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

RAJAOFETRA Anthonio

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

RAZAFIMAHARO Kantoniaina

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Harentsoa Rova

Naka sary

Naka sary

RAMAHERY Hasina

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

RABAKO Tovohery

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →