Filipiana 1. 27a

« Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’i Kristy, … »

Fiderana

« Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina » no lohahevitra mbola banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana mey ity. Alahady faha VI manaraka ny Paska izay hitondrana amim-bavaka ny mpiasa ao amin’ny Foibe FJKM. Ny eto amin’ny Fitandremana kosa dia ivom-bokatry ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona (FDL).
Rajaonarison Rivo no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra ary nanao ny vavaka fangatahana sy nanolotra ny Tsodrano.
Taorian’ny Toriteny dia nivavaka Ramatoa Ramino Vololona, setrin’ny Tenin’Andriamanitra, ary nanao ny anjara hirany ny Sampana Tanora Kristiana (STK)
Ny Litorjia endriny fahatelo no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Famakiana ny Soratra Masina

Ny Perikopa voalahatra : Isaia 44. 1-5 ; Lioka 11. 9-13 ; Filipiana 1. 27-30
Ny Diakona Harentsoa Mamy no nanao ny vavaka mialohan’ny namakiana ny Soratra Masina.
Andriatahina Niarivola no namaky ny Testamenta Taloha ary Razafindramboa Vololoniaina no namaky ny Testamenta Vaovao. Samy Diakona avy izy ireo.
Nisy ny 5 minitran’ny fahasalamana, izay notanterahin’ny Dokotera Rakotoary Lalaina, momba ny « Hypertension artérielle ».
Nanao ny tatitr’asa herintaona ny Mpitantsoratry ny FDL.
Fandraisam-pitenenan’ny Mpitandrina
– Fiarahabana manokana ny FDL.
– Fanentanana amin’ny fanatrehana ny Herinandron’ny Fanahy Masina.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rambeloson Mitsoa, mpampianatra Sekoly Alahady K9, no tompon’anjara.
Lioka 11. 13 “Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” no nisintomany ny lesona.
Manambara ny Soratra Masina fa misy singa telo mandrafitra ny vatantsika olombelona : ny tena (mivavaka ho an’ny tena isika), ny saina (mivavaka ho an’ny saina, fihetseham-po, finiavana… isika), ary ny fanahy (ahafahana mandray izay avy amin’Andriamanitra ary mitondra ny hetaheta Aminy, manao ny sitrapony).
Andriamanitra te hanome antsika ny Fanahy Masina, fa isika ve mangataka Aminy ny ho feno ny Fanahy Masina ka ho tarihin’ny Fanahy Masina ?

Toriteny

«Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina»
Ny Filipiana 1. 27-30 no noraisin’ny Mpitandrina. Paoly Apostoly no manoratra ho an’ny Fiangonana tao Filipy. Ny Fiangonana moa dia fiombonan’ny mino. Miasa amin’ny Fiangonana ny Fanahy Masina.
Amin’izao alahadin’ny FDL izao, moa ve hiasan’ny Fanahy Masina ny Diakona sy ny Loholona?
Ahoana izany Fiangonana hiasan’ny Fanahy Masina izany?
Araka ny And. 27 dia tokony miaina ny fitondran-tena mendrika ny Filazantsara izy.
Ahoana moa izany toetra araka ny Filazantsara na mendrika ny Filazantsara izany ?
Telo (3) ny toetra mendrika : Maharitra (manana faharetana), miray fo (firaisam-po sy firaisan-tsaina), mampandroso ny finoana.

1- Manana fanatenana :
Maharitra amin’ny Fanahy iray ; araka ny teny grika dia ao amin’ny Fanahy iray. Izany hoe manana ny Fanahy ao anaty, mino dia mampiditra ao anaty arakaraka ny nampinoana. Rehefa nampinoana dia haharitra.
II Tim. 3. 14 « Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; »
Nampidirina tao anatinao ny Fanahy tamin’ny alalan’ny Batisa. Ny finoana sy ny Fiangonana dia tsy afaka misaraka satria ny finoana no hazoana famonjena. Mila maharitra amin’ny fatokiana an’i Jesoa.
Manana faharetana ao anatin’ny Fiangonana ve isika sa mivezivezy atsy sy eroa ? Miorena amin’ny finoana izay nampiorenana anao, nampinoana anao, tamin’ny Fiangonana.

2- Manana firaisam-po :
Tena mendrika ny Filazantsara ampianarin’i Paoly ny Fiangonana : Fiangonana mafy orina, tsy mihozongozona, tsy azon’ny fahavalo ampitahorina.
Ny «Eklesia» (teny Grika) dia hilazana fitangoronan’olona mitovy fironan-kevitra. Ny «Koinonia» kosa dia « Eklesia » miampy fiombonam-po, fanahy ary fifankatiavana. Manana izany ve ny Fiangonana ? Mitarika antsika ny ho amin’izany ny Tompo ankehitriny.
Ny FDL dia « Koinonia » alohan’ny Fiangonana. Ny FDL dia tena ao antin’ny firaisam-po, ao anatin’ny fanompoana am-pitiavana.

3- Ho amin’ny fampandrosoana :
Mampandroso ny Fiangonana, ny finoana, ny fiainam-panahy amin’ny alalan’ny faharetana sy firaisam-po.
Ny mpino hiasan’ny Fanahy Masina dia mihevitra mandrakariva ny amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana.
Tandremo anefa fa ny tanjona dia tsy mijanona fotsiny eo amin’ny firaisam-po sy firaisan-tsaina, faly miaraka fotsiny. Ny firaisam-po sy firaisan-tsaina dia ho amin’ny fitoriana ny Filazantsara ho fampandrosoana ny Fiangonana.
Manana ady hatrehina ny Fiangonana , ady izay mitaky ireo toetra telo ireo.
Ny Filazantsara dia fampaherezana, loharanon’ny fandresena. Andriamanitra tsy manala ny ady, ny fahavalo, fa miaro amin’ny ratsy. « Manaotra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika » (Rom. 8. 37).

Izay ry Diakona, tsy laozan’ny zava-tsarotra fa mampandresy ny Tompo.
Tsy hafatra ho an’ny Diakoana irery ihany izao fa ho an’ny Fiangonana koa : Maharitra, miray fo ary miezaka mandrakariva amin’ny fampandrosoana.

Ao anatin’ny fanompoana dia tsy irery ianao fa miaraka aminao ny Tompo.

Asa Vavolombelona

Fiarahabana sy fampaherezana ireo zanaky ny Fiangonana izay manatanteraka Asa iombonana ao amin’ny Foibe FJKM sy Synodamparitany SPAA 10.

°-. Olona roa ao amin’ny Trano Ifanomezantsoa :
– Rakotoarimamana Mijoro (Fivarontam-boky Antso)
– Rahamefy Eva (AFF Foibe)

°-. Olona iray ao amin’ny Synodamparitany SPAA 10 :
– Rabenandrasana Jaona.

Nomena azy ireo ny Teny ao amin’ny Heb. 6. 10 « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany. », ary nivavaka ny Mpitandrina.

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Rakotonarivo Hery, Raharinoa Fenitra, Rajaofetra Anthonio

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Raoliarizaka Bakoly

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Harentsoa Rova

Naka sary

Naka sary

Andrianandrasanarinaivo Mihaja

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Rajaofetra Voahangy

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →