“MIHAVAO AO AMIN’NY TOMPO NY MINO”
ALAHADY Masera MAMRE EO ANIVON’NY SAHAN’NY FJKM
ALAHADY IVOM-BOKATRY NY SAMPANA MPIANGALY ZAVAMANENO
« Koa amin’izany mivavaha toy izao ianareo » Matio 6 :9a

Alahady fahatelon’ny volana oktobra izay mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy : “Mihavao ao amin’ny Tompo ny mpino”. Alahady nitondrana am-bavaka ny masera MAMRE manerana ny sahan’ny FJKM. Alahady ivom-bokatry ny Sampana Mpiangaly Zavamaneno (SMZM) eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena. Nisy ny fizarana mari-pankasitrahana ireo mpianakavin’ny finoana nahazo ny salan’isa telo ambony indrindra tamin’ny fahalalana Soratra Masina.
Ny Sampana Mpiangaly Zavamaneno no nanatanteraka ny fotoana.
Andrianaho Manoa, mpikambana, mpitendry SMZM no nitarika.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny fahatelo no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana fahatelo no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Joba 42 :1-6 ; Matio 6 :5-8 ; Romana 1 :8-12.
Ny Diakona Randriamasimanana Hanta, no nanao ny vavaka ary Raboanarijesy Liantsoa sy Ramarison LaLou, mpikambana SMZM no nifarimbona tamin’ny famakiana ny Soratra Masina.
Taorian’ny tatitra asa nation-dRakotondrabe Manjaka dia notendrena ny feon-kira “Jesoa Tokinay”, hira noforonin’i Noel Rakotoarivony, Filoha mpanorina ny Sampana Mpiangaly ZavaManeno.
Ny Sampana Tanora Kristiana (STK) no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Nisy ny fanoloran-jaza sy ny batisa tao anatin’ny asa vavolombelona.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rajaonarivelo Yasmina, mpampianatra ao amin’ny K8, no tompon’anjara.
Ny Genesisy 28 :15a “Ary, indro Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity ; …” sy ny Isaia 54 :4a “Aza matahotra, fa tsy menatra ianao ; …” no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.

TORITENY
Ny Matio 6: 5-8 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra. Andinin-tSoratra Masina mampatsiahy ny toriteny nataon’i Jesoa teo an-tendrombohitra, ny lalàn’ny volamena sy fitondrantenan’ny Kristianina (etika, moraly) ary ny fihavaozana amin’ny fiainam-bavaka. Etika manambara ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka (and 5-8).
Hafatra telo (3) no nampitaina ho an’ny mpianakavin’ny finoana :

Manaova vavaka marina sy madio :
o Vavaka feno fanetren-tena sy fifantohana (and 6:6): miditra mihitsy, mivavaka
o Tsy mila doka, tsy te ho deraina (en discrétion, concentration)

Manaova vavaka tsotra sady mazava :
o And. 7: Tsy be safara
o Matio 18:3 : Atao mahitsy, ilaina ny fahitsiana, manao pratika mivavaka fohy, tsotra

Hiaino isan’andro ny vavaka :
o And 6: 8 : Atao inona ary ny vavaka?
o Vavaka :
 Firesahana amin’Andriamanitra
 Fifamatorana amin’Andriamanitra
o Joba 22:21:
 Tsy natao hangatahana fotsiny ny vavaka fa fifaneraserana ihany koa amin’Andriamanitra
 Fisaorana an’Andriamanitra
 Tondrozotra ihany koa ny vavaka

Fehiny: Fampianarana nentin’i Dr Irako Ammi Andriamahasoa, Mpitandrina: ”Fianarana sy fiainana tsy misy vavaka dia tahaka ny lava-drano tsy misy rano”.

Ny Tondrozotra :
“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a)
“Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Romana 6 :19d)
“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Korintiana 15:15b.)

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : SMZM – Rakotondrabe Manjaka
Nikirakira ny fafana : Rakotonarivo Kaloina
Nikirakira fanamafisam-peo : Harentsoa Rova
Naka sary : Rakotoarisoa Falimandimby
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.