« MIHAVAO AO AMIN’NY TOMPO NY MINO »
ALAHADIN’NY MPITANDRINA
NITONDRANA AM-BAVAKA NY MPITANDRINA
RAKOTOMANANA TAHIRY MIANAKAVY
ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
“Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho.
Hitsinjo anao ny masoko ka hanolotsaina anao Aho“ . Salamo 32 : 8
Alahady voalohany amin’ny volana oktobra. Lohahevitra fitaizam-panahy vaovao no banjinina : « Mihavao ao amin’ny Tompo ny mpino ».
Alahady nitondrana am-bavaka manokana ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry mianakavy. Alahady voalohan’ny Mpitandrina niarahany tamin’ny Fitandreman’Andriamanitra eto Amparibe Famonjena.
Ny Biraon’ny Fiangonana no nanatontosa ny fanatanterahana ny fotoana. Rakotomanana Andriambazotiana no nitarika. Hanitra Robel nanao ny vavaka fangatahana. Rabe Harimanana nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny. Rabemaso Mialisoa namaky manontolo ny perikopa voalahatra.
Ny Mpitandrina Randriamanantena Solo Jean Jacques Séraphin, Tonia SAMPATI Foibe FJKM, no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Nisy ny fiarahabana ny mpianakavin’ny finoana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany ny volana septambra.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no notanterahin’ny Fiangonana nanehoana ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra dia ny Isaia 61:4-9 ; Lioka 5: 33-39 ; Kolosiana 1 : 1 – 8 .
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rakotoarisoa Tanteraka, mpampianatra K3, no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny andinin-tSoratra Masina 2 Petera 3 : 18a : « Mandehana ; tongava aminao araka ny ninoanao » no nanatsoahana ny hafatra ho an’ny mpianakavin’ny finoana. Tsy tokony halaina isika amin’ny fanarahana sy fiatrehana ny Tompo, fa tokony hanomana tahaka ny fanomanantsika ny fidiran’ny taom-pianarana any an-tsekoly ny fianarana ny Soratra Masina.
TORITENY
Ny lohahevitra « Mihavao ao amin’ny Tompo ny mino » sy ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Isaia 61 :4 no nanatsoahana ny hafatra : ny fanahin’i Jehovah dia mitondra ireto zavatra roa ireto :
1° Manangana
- Isaia 61: 1-2 : milaza amin’ny maha mpanompon’i Jehovah, maha Kristy ;
- Lioka 4 :18-19 : famelomana sy fananganana ny maty
o Misy zavatra tsy azo antenaina, fahakiviana
o Ny Fanahin’Andriamanitra no manangana sy mamerina - Romana 8 : fanantenana
- Asan’Andriamanitra ny fananganana izay ao amin’ny haizina
2° Mitondra fanavaozana - Fanavaozana ny zava-baovao eo amin’ny fiainantsika (Nouvelle alliance)
- Fanekem-pihavanana amin’Andriamanitra (II Kor. 5 :17)
- Fanahy no mamonjy antsika (Apokalypsy 21 :5)
Teny fampaherezana ho an’ny : - Fiangonana : Isaia 61 :4 « Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava. Izay efa lao hatramin’ny taranaka lasa ela ».
- Mpitandrina : Isaia 61 :6 « Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanintsika no hilazana anareo, ho lasanareo ny haren’ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo ».
Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : SMZM
Nikirakira fafana : Rabako Tovohery
Nikirakira fanamafisam-peo : Ramahery Yves
Naka sary : Raharijaona Nirina
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly