« MIORINA AMIN’NY FINOANA NY MPINO »
ALAHADY FAHA XVIII MANARAKA NY TRINITE
« …Mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana , toy ny efa nampianarana anareo ka mazoto amin’ny fisaorana. » Kolosiana 2:7
Alahady farany ibanjinana ny lohahevitra « Miorina amin’ny finoana ny Mpino ». Alahady isaorana an’Andriamanitra noho ny fahafahana miombom-bavaka indray sady anatanterahin’ny Sampana Fifohazana asa fampaherezana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA
Randriambololona Vola mpampianatra Sekoly Alahady no nanatanteraka ny fotoana.
Ny Lioka 17 :6 manao hoe «Ary hoy ny Tompo : Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinampy iray aza hianareo, dia azonareo lazaina amin’io voroihazo io hoe : Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy » no nakana ny fampianarana.
Ny tantaran’i Marta no nentina ho an’ny ankizy sy tanora. Inty zazavavy inty dia tsy nanaraka ny tenin’ny reniny izay nanoro azy ny lalana tokony hizorany rehefa avy mianatra, ka nandeha tany amin’ny lalankely feno ankizilahy tia setrasetra. Vokany, naratra i Marta ka niditra hopitaly ary tsy nahateny intsony satria simba ny «corde vocale». Nisy mpanompon’Andriamanitra anefa nivarotra boky masina tao an-tranon’izy ireo ary nitondra am-bavaka azy. Nanam-pinoana izy ireo ka nahavoaka feo ihany i Marta. Anankiroa ny anatra azo raisina amin’izany tantara kely izany dia ny tokony hankatoavana ny tenin-dray aman-dreny, ary ny hoe : afaka mamonjy antsika amin’ny zava-tsarotra rehetra ny finoana.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra :
Genesisy 35 : 9 – 15 ; Matio 15 : 21 – 28 ; Jakoba 1 : 1 – 4
TORITENY
Ny torolalana telo omen’Andriamanitra antsika raha te ho voavonjy isika no niompanan’ny toriteny.
1) Matio 15 : 21-22 Mitadiava an’i Jesoa ka mangataha aminy fa hamonjy anao Izy.
2) Matio 15 : 23-27 Reseo ireo sakana rehetra atrehinao rehefa hanatona na hifamatotra Aminy ianao.
3) Matio 15: 28 Minoa fa Jesoa mahay ny zavatra rehetra.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Randriambeloson Sitraka
Nikirakira ny fafana : Raharijaona Nantenaina
Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves
Naka sary : Ramahery Hasina
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.