« MIORINA AMIN’NY FINOANA NY MPINO »
ALAHADY FAHA 17 MANARAKA NY TRINITE
ALAHADIN’NY ASA FANDALINANA SY FNAMPINOANA (FFP)
EO AMIN’NY SAHAN’NY FJKM
IVOM-BOKATRY NY KATEKOMENA AKO
« Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona, Izay any an-danitra. » Jaona 3,13
Natokan’ny FJKM nitondrana tamim-bavaka ny sampan’asa FFP androany. Ivom-bokatry ny Katekomena Ako ary natokana nanatanterahina ny « Fahalalana Soratra Masina » eto amin’ny Fitandremana. Araka izany dia miavaka tokoa ity fanompoam-pivavahana tanterahina ity.
Rabezandrina Lalaina no nitarika ny fotoana, ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitondra ny fanazavana ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia endriny voalohany no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faha 4 no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Eksodosy 4 : 27-31 ; Marka 5 : 25-34 ; Filemona 4 : 7.
Rabenasolo Mika no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny ; Andriamihaingo Meva no namaky ny Testamenta taloha ; Rabearinoro Rintsa no namaky ny Filazantsara, ary Andriamasinoro Antsa no namaky ny Epistily. Samy mpianatra Katekomena ireo.
Taorian’ny Toriteny dia nanao ny hira « Trouver dans ma vie Ta présence » ny RFF.
ASA VAVOLOMBELONA
-Ny zaza Anvaraly Mélissa no nandray ny Sakramentan’ny Batisa.
-Notanterahina nandritra ny Asa Vavolombelona ihany koa ny « Fahalalana Soratra Masina »
Ny fivoriana ankatoky ny Fandraisana no natao taorian’ny fanompoam-pivavahana.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Harentsoa Louisa ao amin’ny Sampana Sekoly Alahady, no tompon’anjara.
Ny Hebreo 11, 6b «fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.» no nakany ny hafatra.
TORITENY
Ny fampianarana ny Teolojian’ny famonjena mifototra amin’ny fizina roa soson’i Jesoa Kristy ny toriteny.
Tsy maintsy niditra tamin’ny tontolon’ny olombelona Jesoa, izay Andriamanitra, hahafahany mamonjy ny mpanota. Isika ihany koa dia mila midina eny an-toerana rehefa manao tafika
masina mamonjy ny very, fa tsy manao ny fanaony ka manatevin-daharana ny olom-bery. Mizara telo ny toriteny
1-Fampisehoana ny fizina roa soson’i Jesoa Kristy.
Jaona 3 : 13 « Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona, Izay any an-danitra».
2–Fampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika ka namonjeny antsika
Romana 5 : 8 « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. »
3-Fampisehoana fa tsy afaka mamonjy antsika ny Tompo raha tsy tonga nofo
« Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. » Jaona 1 : 14
Jesoa olombelona : Lioka 1 : 21-38 (Nateraka Izy), Jaona 19 : 18 (Nahatsiaro hanoanana Izy), Jaona 19 : 28 ( Nangetaheta Izy), Jaona 11 : 35 ( Nitomany Izy).
Jesoa Andriamanitra : Matio 21 : 2 (Jesoa naniraka ny mpianany hanomana ny Paska)
Talohan’ny nahafatesany dia niteny mafy hoe « VITA » i Jesoa. Ny dikan’io dia hoe vita ny famitranana ny tontolon’ny olombelona sy ny tontolon’Andriamanitra. Izany no nahatriatra ny efitra lamba nampisaraka ny efitra masina sy ny efitra masina indrindra.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra Anthonio sy Rabeazamaholy Hery Lanto
Nikirakira fafana : Andrianavalona
Nikirakira fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova sy Ramahery Yves
Naka sary : Rajaofetra Voahangy sy Ramahery Hasina
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky Noely