“MIORINA AMIN’NY FINOANA NY MPINO”
ALAHADY NANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY
FAHA 163 TAONA
NIORENAN’NY FITANDREMAN’ANDRIAMANITRA
TETO AMPARIBE FAMONJENA
« Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra »
I Timoty 6 :7b
Alahady fahatelo amin’ny volana septambra. Alahady faha 16 manaraka ny Trinite, ibanjinana hatrany ny lohahevitra fitaizam-panahy: “Miorina amin’ny finoana ny mpino”. Alahady nankalazana an’Andriamanitra noho ny 163 taona nanorenana izao Fitandremana izao.
Ramatoa Rakotomanana Andy no nitarika ny fotoana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny fahatelo no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo no nanambaran’ny Fiangonana ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Genesisy 35 :1-1 ; Matio 21 :18-22 ; I Timoty 4 :6-10.
Ny Diakona Randretsa Laza sy Randretsa Miora no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra masina.
Ireo hira noforonin’ny mpamoronkira avy eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena no noredomina nandritra ny fanompoam-pivavahana.
Ny antoko mpihira mitambatra sy ny sampana mitaiza tanora “miara-dia” no nanao anjara hira “Handeha ho iarakao”, an-dRabako Ralambonirina Jean-Jacques.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Radonavalona, mpampianatra ao amin’ny K6, no tompon’anjara.
Ny hafatra dia hita ao amin’ny Hebreo 11 : 1 : “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita”. Ny tantara nahakasika an’i Mavo, izay tratry ny haintrano, no nanazavany izany. Tsy tafavoaka ny trano i Mavo noho ny setroka. Nihazakazaka ny rainy avy any am-piasana, nilaza azy mba hivoaka avy eo am-baravarakely, fa hotantazany.
Ny fahatokian’i Mavo ny teny nataon’ny rainy, na dia tsy hitany aza, no nahavonjy azy.
TORITENY
Ny I Timoty 4: 6-10 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra.
Ny lohahevitra amin’ity volana septambra ity manao hoe “Miorina amin’ny finoana ny mpino” sy ny fankalazana ny tsingerintaona niorenan’ny Fitandremana Amparibe Famonjena no nampifandraisiny amin’ny Soratra masina, ary nangalany ny hafatra: “Ny Fiangonana Amparibe Famonjena niorina ela ary tena miorina amin’ny finoana”.
Paoly eto no manoratra ho an’i Timoty ho fampaherezana azy (and. 11-12-13): miorena tsara ary aoka tsy hihemotra.
Raha ny and. 6-10, hafatra telo no hosinganina araka io andinin-tSoratra masina io:
1-Mitandrema sao lavon’ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra (and.7): misy fampianarana hafahafa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ka mila mailo isika. Mahaiza manavaka tantara marina amin’ireo anganongano.
2-Raiso ny Tompo ka manolora tena (and.7-8):
Ny fanoloranao tena ho an’ny Tompo dia mitaky zavatra roa:
oFampiasana ny tena (Kolosiana 2:6-7) amin’ny fandraisana ny finoana, fanolorantena ary ny fanaovana ny asan’ny finoana.
oFanaovana fanazarantena amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra (mizatra mivavaka; mizatra mamaky ny Soratra masina; mazoto mianatra Soratra masina).
Koa amin’izao tsingerintaona faha 163 izao, hatraiza ny fifantohana sy ny fanoloran-tenantsika ho amin’ny asan’Andriamanitra?
3-Manàna ny fanantenana ny amin’ny mandrakizay (and.10)
-Ny olombelona dia miasa mba hananany fanantenana amin’ny asa izay iantsorohany, na valin-kasasarana amin’ny fomba mivaingana.
-Ny kristiana kosa dia miasa mba hananany fanantenana ho amin’ny fiainana mandrakizay (Romana 8:24)
Mifaneraserà amin’Andriamanitra mba hananana fanantenana ho amin’ny mandrakizay.
Teny nifampiarahaban’ny mpianakavin’ny finoana: “Finaritra e, ho aminao hatrany tsy tapaka anie ny fiadanana. Amen”.
ASA VAVOLOMBELONA
Tsiahin’ny tantaran’ny Fiangonana sy fanapahana mofomamy nofaranana tamin’ny vavaka.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rakotonarivo Hery – Ranaivoson Jacky – SMZM
Nikirakira ny fafana : Randriamasimanana Antenaina
Nikirakira fanamafisam-peo : Andriamahatana Rija
Naka sary : Ravelojaona Harentsoa – Mirado
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.