“MIORINA AMIN’NY FINOANA NY MPINO”
ALAHADY FAHA 15 MANARAKA NY TRINITE
ALAHADY IVOM-BOKATRY
NY ASA FITORIANA NY FILAZANTSARA (AFF)
«Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko …” Ohabolana 4 :10
Alahady faharoa amin’ny volana septambra, alahady ibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy : “Miorina amin’ny finoana ny mpino”. Alahady ivom-bokatry ny sampan’Asa Fitoriana ny Filazantsara eto amin’ny fitandreman’i Jesoa Kristy eto Amparibe Famonjena. Alahady natokan’ny FJKM itondrana amim-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Ny mpikambana ao amin’ny sampan’Asa Fitoriana ny Filazantsara no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra masina.
Ny Diakona Razafimahefa Ny Aina, no nitarika ny fotoana.
Ny Evanjelisitra Ramahavalisoa Haja Andrianina, vondrom-bavaka Bevoay, no nitondra ny hafatra.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nanolotra ny sakramentan’ny Batisa sy nanao ny vavaka fangatahana ary ny famaranana ny fotoana.
Ny Litorjia endriny fahatelo no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Salamo 116 :1-11 ; Lioka 17 :1-6 ; Asan’ny Apostoly 14 :19-28.
Ny sampana Taniketsa (STAF) no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rakotozafy Tinà, mpampianatra ao amin’ny K5, no tompon’anjara.
Ny Ohabolana 4 :10b no nakany ny hafatra sy nisintonany lesona.
“Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko …”
TORITENY
Ny Asan’ny Apostoly 14: 19-28 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra.
Hafatra roa no nasongandina ho an’ny mpianakavin’ny finoana:
-An’Andriamanitra ny aina (And.19-20)
oNisy ny fahagagana nataon’Andriamanitra nanehoany ny heriny nataony tamin’ny Apostoly sy ny manodidina Azy.
oIzy irery no manam-pahefana amin’ny aintsika.
oAsa Fitoriana ny Filazantsara :
Mampahery ny Soratra masina na inona na inona ampanaovin’Andriamanitra antsika.
Manamafy ny finoana na inona na inona sakana.
Mahereza amin’ny asan’ny Tompo
-Mahasoa kokoa ny manondraka izay nafafy (And. 21-28)
oMampahery ny fanahin’ny mpianatra i Paoly sy Barnabasy.
oMampatanjaka ny mpianatra, manomana ny olona manaraka ny hazo fijaliana.
oOmeo aina izay voa nafafintsika, teny omena ho an’ny hafa.
oAfaka mijoro vavolombelona ve isika?
Ny Tondrozotra : “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Romana 14 : 22a) “Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Romana 6 :19d) “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Korintiana 15:15b.)
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira ny fafana : Rakotondramboa Andry
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Herilanto
Naka sary : Ramahery Hasina – Ranaivo Nathanael – Andrianandrasarinaivo Manambina
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.