MIORINA AMIN’NY FINOANY NY MPINO
ALAHADY FAHA 14 MANARAKA NY TRINITE
ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
“Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo…“ . Asan’ny apostoly 13 : 38
Ny Vaomieran’ny Aim-panahy (VAP) no nitarika ny fotoana androany.
Manana ny toerany manokana ny andro anio ho an’ny Fitandreman’i Jesoa Kristy eto Amparibe famonjena satria nanatanterahina ny fivoriamben’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.
Nampahatsiahivina tamin’izany ireo hevi-dehibe fonosin’ny faneken’ny Mpandray Fanasan’ny Tompo.
Androany ihany koa no nametrahana tamin’ny fombam-piangonana ireo tomponandraikitra rehetra eo amin’ny rafitra eto amin’ny Fiangonana.
Nisy ny fiarahabana ny mpianakavin’ny finoana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany tamin’ny volana aogositra lasa teo.
Lohahevitra fitaizam-panahy vaovao indray no banjinina eto amin’ny sehatry ny FJKM amin’ity volana septambra ity, dia ny hoe « Miorina amin’ny finoanay ny mpino »
Ny Mpitandrina eto an-toerana, Rakotomanana Tahiry, no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka fangatahana
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no notanterahin’ny Fiangonana nanehoana ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra dia ny 1 Samoela 1:9-20 ; Matio 8: 5-13 ; Asan’ny apostoly 13 : 38 – 43 .
Rakotoarimanana Mijoro no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny.
Rakotoarivony Lisiharinoa no namaky manontolo ireo perikopa voalahatra. Diakona ao amin’ny VAP ireo.
Nisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rakotondravelo Mahaly, mpampianatra K6, no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny hafatra dia nalaina araka ny hita ao amin’ny Matio 8 : 13b : “Mandehana ; tongava aminao araka ny ninoanao “.
Ny hahafahana mitombo amin’ny finoana dia ny fifaneraserana amin’i Jesoa Kristy. Mila mianatra ny Soratra masina isika ; miandrandra valimbavaka mandrakariva rehefa mivavaka.
TORITENY
Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny Asan’ny apostoly 13 :38-43 sy ny Filazantsaran’ i Matio 8 :5-13.
Ny lohahevitra nitondrana ny hafatra dia ny hoe Ny lanja sy ny herin’ny finoana ho an’ny mpino.
1° Ny finoana an’i Jesoa Kristy Irery ihany no ahazoana famelan-keloka (Asa.13 : 38-39)
Tsy misy hahazoana famelan-keloka afa tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Irery ihany.
Ny lalàna dia mahatonga antsika hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra fa ny famonjena sy ny fanamarinana antsika dia avy amin’i Kristy Irery ihany.
2° Ny finoana an’i Jesoa Kristy Irery ihany no ahazoana ny fanavotana sy ny famonjena (Matio 8 :5-13)
Ity perikopa ity dia mitantara indrindra ny finoana nananan’ilay Kapiteny mba ho fanavotana sy famonjena ilay mpanompony narary ny paralisisa.
Kapiteny izay tsy Jiosy akory nefa nino ny famonjen’i Jesoa Kristy.
Sarobidy ny taranaka fa indrindra ny fitohizan’ny taranaka izay mino an’i Kristy.
Aza mitady famonjena hafa, ivelan’i Famonjena izay efa atolotry ny Tompo ho an’izay rehetra mino ny famonjena.
Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto
Nikirakira fafana : Bakoly Raoliarizaka
Nikirakira fanamafisam-peo : Andriamahatana Rija
Naka sary : Andrianandrasanarinaivo Mihaja – Fitia
Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.