« LEHIBE NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA »
Alahady fahatelo manaraka ny Epifania
ALAHADY NATOKANA HO AN’NY FIRAISAN’NY SAMPANA
« Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? » Lioka 17 : 18
Alahady farany amin’ny volana janoary, mbola hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe: “LEHIBE NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA”. Alahady natokana ho an’ny Firaisan’ny Sampana eto amin’ny Fitandreman’Andriamanitra eto Amparibe Famonjena. Natokan’ny FJKM ihany koa ho an’ny marary hoditra ity alahady ity. Andro farany, ho an’ny Mpitandrina miana-draharaha eto Amparibe Famonjena, Rafalimanana Frédéric Jocelyn.
Rajaonarison Rivo, Filoha mpanampy ao amin’ny Firaisan’ny Sampana, no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Ny litorijia amin’ny endriny voalohany no nitarihina ny fotoana.
FANOMBOHANA NY FOTOANA
Rehefa vita ny Fiarahabana apostolika dia nentina nisaotra sy nidera an’Andriamanitra ny Salamo 66 : 8 – 12 izay niara-novakian’ny Fiangonana teo am-pitsanganana :
“Misaora an’Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy. Efa nampiditra anay tamin’ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Hianao.”
Ny FFPM 171 : 1, 2, 3 “Jesoa mpanjaka malaza” no nohiraina taorian’izany.
SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Taorian’ny vavaka fisaorana sy fiderana dia ny Matio 28 : 18 – 20 no sitrapon’Andriamanitra nambara: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.”
Ny FF 33 : 1 “Inty aho Jesoa” no nohiraina taorian’izany.
FIFONANA SY FAMELAN-KELOKA
Nataon’ny mpitarika ny vavaka fifonana, nohiraina ny FF 8 “Masoko manganohano”. Nambaran’ny mpitarika ny teny famelan-keloka izay nalaina tao amin’ny Isaia 54 : 7 – 8; 10 ary nohiraina ny FFPM 16 “Avia ry vazantany ô”.
Ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niaraha-nanonona ny Fanekem-pinoana laharana fahaefatra.
Nipetraka ny Fiangonana ary nanao vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Randriamiarana Lalao, mpampianatra K4, no nanatanteraka izany. « Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? » Lioka 17 : 18 Izany no andinin-tSoratra Masina nangalana fampianarana sy hafatra.
Jesoa Kristy dia azo itokiana sy itarainana. Matetika isika rehefa tojo olana dia miantso an’Andriamanitra, mitaraina ary mangataka aminy mba ho afaka amin’izany fahasahiranana izany.
Rehefa azo nefa izay zavatra nangatahintsika isika dia any dia tsy hita. Tsy mahatsiaro an’Ilay Andriamanitra izay nanome ny soa sy nanala antsika tamin’ny olana izany nahazo antsika.
Tokony mahay misaotra an’Andriamanitra hatrany isika rehefa mahazo valimbavaka fa tsy manao toy izany.
Niaraka namerina ny andian-tSoratra masina ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady ary nofaranany tamin’ny vavaka teo am-pitsanganana izany.
TATITRY NY ASAN’NY FIRAISAN’NY SAMPANA
Nanatanteraka ny tatitr’asan’ny Firaisan’ny Sampana ny mpitantsoratra, Andrianasy Fanja. Anisan’ny voalazany ireto asa notanterahina ireto :
Fanatanterahana ny hetsika “ady amin’ny Rôrô”, velankevitra niarahana tamin’ny VVM sy VMFP.
Ny fikarakarana ny garden party.
Fifarimbonana tamin’ny fandrosoana sakafo teto am-piangonana tamin’ny Agape.
RAHARAHAN’NY FIANGONANA
“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana”
Nitondra ny raharahan’ny Fiangonana ny Birao mpitantsoratra, Rakotomanana Andry. Anisan’ny voalaza tao ireto teboka manaraka ireto :
Misokatra ny fianarana ho mpianatra mpikaroka (Formation doctorale) ao amin’ny Oniversity Ravelojaona.
Hanatanteraka fambolenkazo ny SLK SPAA ny 03/02.
Ny Tanora masina Itaosy dia hanatanteraka antsampanahy ao amin’ny Palais des sports ny 21/02 ary hamoaka ny Album fahafolo. Hivarotra tapakila eto amin’ny Fitandremana.
Teo amin’ny filazana manjo dia nodimandry Randimbison Farasoa teo amin’ny faha 84 ny taonany
Mitohy ny “Ecole des parents” eo anivon’ny sampana Sekoly alahady ny 04/02/2024 manomboka amin’ny 7ora30 hatramin’ny 8ora45.
Nanao fanentanana ny Komity Fanavaozana Tomponandraikitra taorian’izany, Razafimaharo Kanto no nitondra ny teny. Nilaza izy fa mitohy ny fanavaozana ny tomponandraikitra. Ny amin’ny fifidianana Diakona dia mitohy amin’ny alahady ho avy izao ny fanoloran-tena sy fanoloran’olona.
RAKITRA SY FANOMEZANA
Novakian’ireo tomponandraikitra ny raki-pisaorana sy voady. Tao ireo mpianakavin’ny finoana nangata-bavaka fa hiatrika teboka lehibe iray eo amin’ny fiainany ; tao ireo nisaotra ny Tompo noho ny valimbavaka azony ; tao ny fianakaviana kristiana hiatrika ady sarotra ka nangata-vavaka mba tsy hisaraka aminy ny Tompo ; tao ny mpianakavin’ny finoana hikarakara raharaha ato ho ato.
Notantazana ny rakitra ary rehefa izany dia natao ny FFPM 443 : 1 « Raiso ho Anao ny foko» ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Natao ny hira FF 6 : 1 “Tsy hainay ny hangina” mialoha ny vavaka famakiana ny Soratra Masina. Ny Filohan’ny gazety Taratry ny Famonjena (TAFA), Andrianilaina Gina, no nanatanteraka ny vavaka. Novakiana misesy ny perikopa voalahatra. Rijanomenjanahary Irina Elia avy ao amin’ny STK, no namaky ny Testamenta Taloha dia araka izay hita ao amin’ny II Tantara 26 : 14 – 24. Ny Testamenta Vaovao kosa dia ny Filazantsara araka an’i Lioka 4 : 23 – 30 novakian’i Hassini avy ao amin’ny SVM sy ny Asan’ny Apostoly 12 : 19 – 23 izay novakian-dRasolonjanahary Fidy avy ao amin’ny SLK.
TORITENY
Nohirain’ny Fiangonana mialoha ny toriteny ny FFPM 205 : 1 “Ny teninao rehetra ”.
Ny Mpitandrina miana-draharaha Rafalimanana Frédéric Jocelyn no nitondra ny hafatra. Ny Asan’ny Apostoly 12 : 19b – 23 no nitondrany ny hafatra.
Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia nosoratana teo ambany fitarahin’i Lioka. Mitantara ny fiorenan’ny Fiangonana tamin’izany ary ny nandatsahan’ny Tompo ny Fanahy masina mba hiantoka ny asan’ny Fiangonana.
Ny asan’ny Fiangonana dia asa iarahana amin’i Jesoa Kristy.
Ity voalaza eto ity dia mitantara an’i Heroda izay mpanjaka mpamono olona.
Misy teboka roa no hafatra omen’ny Tompo antsika eto, hoy ny Mpitandrina :
1.Mamaly ny ratsy fanahy Andriamanitra
Tyro sy Sydona dia tany miankina ara-toe-karena tamin’i Heroda. Nangata-pihavanana taminy ny tompon’andraikitra tamin’ireo tany ireo. Nomen’ireto farany voninahitra Heroda ka dia faly tokoa satria dia nihevitra azy ho Andriamanitra izy.
Tezitra Andriamanitra satria dia nisandoka ny voninahiny ny olona.
Mitovy amin’izany ny zava-misy ankehitriny, hoy ny Mpitandrina. Misy ny olona mihevitra fa efa ambany fahefany ny fiainan’ny olona iray ary dia mahafaly azy tokoa izany.
Isika rehetra dia mitafy ny voninahitr’Andriamanitra ary tokony hanatanteraka ny sitrapony. Tsy antsika ny voninahitra fa an’Andriamanitra.
Mila manetry tena isika eo amin’ny fanompoana izay tanterahina, mba tsy ho tonga toa an’i Heroda.
2.Manetry ny fahavalony Andriamanitra
Ilay Andriamanitra miantso dia tia antsika ka tsy manary izay olona miaraka Aminy. Andriamanitra dia saro-piaro amin’ny voninahiny.
Mahagaga fa misy ny olona, izay mievi-tena ho manamboninahitra ary saro-piaro amin’izany, rehefa voakitikitika. Nanome ohatra moa ny Mpitandrina hoe rehefa misy kabary atao, ka tsy voatonona ny anarany dia tena tezitra tokoa ary misy aza tonga dia mivoaka ny toerana izay misy azy.
Raha kristiana no sendra izany dia tokony miteny aza izy hoe “an’Andriamantira Irery ny voninahitra” fa tsy tokony hahatezitra izany.
Any amin’ny sampana no afaka ampitomboina ny finoana, hoy ny Mpitandrina. Noho izany dia tokony hiditra sampana ny tsirairay ary handray andraikitra.
Teny am-pamaranana dia hoy ny Mpitandrina : “Aoka ny fiainantsika ho fiainam-pandinihan-tena, hafahantsika manolotena ka hijerena ny hafa”.
Taorian’ny toriteny dia nanao ny anjara hira ny RFF.
VAVAKA FANGATAHANA
Nanao ny vavaka fangatahana ny Mpitandrina miana-draharana.
“Andriamanitra izay mizara voninahitra ho an’ny olona, tariho izahay mba hifikitra Aminao ka tsy hitia ny voninahitra amin’ny maha-olona, izay tsy avy Aminao.
Enga anie izahay mba hanana fanetren-tena, enga anie izahay hahay hijoro ho vavolombelona amin’izay toerana misy anay.
Mivavaka ny amin’ny fanendrena Mpitandrina vaovao, enga anie izahay mba hahay hiara-hiasa amin’izany Mpitandrina izany. Mivavaka ny amin’ny Mpitandrina misotro ronono.
Mivavaka ho an’ny Firaisan’ny sampana, mba hirehareha noho Ianao Andriamanitra, fa tsy noho ny amin’ny maha-olona.
Nentina tamim-bavaka ireo olona nanao raki-pisaorana :
Ao izay misaotra satria dia hiatrika teboka iray eo amin’ny fiainany.
Ao izay nahazo valimbavaka ka nangataka ny mba haharitra amin’izany.
Ao ny fianakaviana izay hiatrika raharaha sarotra nangataka mba tsy hisaraka aminy Ianao
Ao ny mpanompo iray izay nangata-bavaka noho ny fikarakarana raharaha ato ho ato. Ny Fanahinao hitarika azy amin’ny fiainany.
Entina amim-bavaka ny fanavaozana ny tompon’andraikitra. Enga anie ireo mba ho olona vonona hiatrika olana ary hahatsiaro ny fahasoavanao.
Entina amim-bavaka ny tsirairay, ny ankohonana, ny fianakaviana mba hahazo aina vaovao.
Nofaranana tamin’ny Rainay Izay any an-danitra izany vavaka izany.
FAMARANANA NY FOTOANA.
Notanterahina ny hira FFPM 351 : « Tsy hangina re ny hoby ». Natao ny famakiana ny Tondrozotra 2024 : “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a) “Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Romana 6 :19d) “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Korintiana 15:15b.)
Taorian’ny fanambarana izany no natolotra ny Tsodrano.
Nofaranana tamin’ny fihirana ny FFPM 753 “Tiako hiaraka Aminao Jesoa” izao fanompoam-pivavahana izao. Nipetraka ny Fiangonana, nivavaka mangina. Notononina teo am-pamaranana ny Trinite Masina.
Nirava tao anaty feon-javamaneno notendren’ny SMZM.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra Philippe – Harentsoa Rova
Nikirakira ny fafana : Rabako Tovo
Nikirakira fanamafisam-peo : Ramahery Yves
Naka sary : Rakotondramboa Andry
Nandray an-tsoratra : Robel Hanitra
