“LEHIBE NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA”
ALAHADY I MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADY NITONDRANA AMIM-BAVAKA IREO MPANAO RAHARAHAN’NY FIANGONANA
“ Fa lazaiko aminareo tokoa : Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra. ”
Lioka 9:27
Alahady voalohany manaraka ny Epifania ary alahady faharoa amin’ny volana, izay mbola ibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM manao hoe: “LEHIBE NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA”. Alahady natokana ihany koa ho fiarahabana sy fitondrana amim-bavaka ireo mpanao Raharahan’ny Fiangonana.
Ny Mpitandrina miana-draharaha Rafalimanana Frédéric Jocelyn no nitarika ny fotoana ary izy ihany no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no notanterahina.
Amin’ny maha alahady faharoa dia nisy ny Asa sy Fampaherezana notanterahin’ny Mpiandry (Sampana Fifohazana).
FANOMBOHANA NY FOTOANA
Taorian’ny feon-javamaneno dia nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika ary nanolotra ny Teny fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. Niarahan’ny mpianakavin’ny finoana novakiana, teo am-pitsanganana, ny I Tantara 29:10b-13:
« Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery, ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy Aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra. »
Teo am-pitsanganana ihany no niredonana ny hira FFPM 746:1, 2, 3 “Mifalia, ry sakaiza!”
VAVAKA FIDERANA SY FISAORANA
Misaotra an’Andriamanitra Ray, midera, manome voninahitra Azy. Mankasitraka fa notahiany, nambininy, narovany, ka tonga eto amin’ny tempoliny masina. Indreto vonona hifandray mba hanana fahamasinana eo amin’ny fiainana manontolo. Ho fotoana atao ho voninahitr’Andriamanitra ity fotoana ity, hanatanterahana ny sitrapony.
FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Nipetraka ny Fiangonana, nihaino tamim-panajana ny Teny manambara ny sitrapon’Andriamanitra, izay noraisina tao amin’ny I Petera 1 24-25a : « Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny ; Fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay.»
Rehefa dia nohiraina ny FFPM 750:1, 2 “Dera, laza, ry Mpanjaka !”
VAVAKA FIFONANA
Tsy nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra anefa, koa nanao ny vavaka fiaikena fahotana sy fifonana ny mpitarika, tsy tanteraka eo imason’ny Tompo isika.
“Ry Rainay Izay any an-danitra, mifona satria nateraka tamin’ny ota izahay ka malady manao ratsy, tsy mety tafakambana Aminao. Ianao dia miezaka midina amin’izao andro Epifania izao, nefa izahay dia tsy mahatsapa izany akory. Nomenao taona vaovao izahay hafahanay mandini-tena mba hafahanay miray Aminao. Maro ny tsy mahatonona vavaka, koa ankehitriny hanao vavaka mangina hahatsiaro ny fahotana sy mibebaka eo anatrehanao : « ».
Misaotra fa Andriamanitra tsy lalodalovana Ianao fa mahare ny vavakay ka vonona hamela ny helokay. Amena.”
Notohizana nohiraina ny FFPM 750:3, 4, 5 “Dera, laza, ry Mpanjaka !”
TENY FAMELAN-KELOKA
Nitsangana ny Fiangonana nandray amim-pifaliana sy amin’ny fanantenana ny famelan-keloka natolotry ny Tompo.
Hoy ny Soratra Masina : « fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. » I Petera 4:13
Natao ny hira FFPM 747:1, 3 “Haleloia ! Sambasamba !”, niderana ny Tompo amim-pifaliana.
Rehefa dia niara-nanaiky sy nanambara ny Fanekem-pinoana laharana faharoa satria voavela heloka.
Vita izany dia nipetraka ny Fiangonana ary nanao vavaka mangina tanaty feon-javamaneno.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rado Navalona, mpampianatra K6, no nanatanteraka ny fotoana izay natombony tamin’ny vavaka.
Ny I Mpanjaka 3:5b « Angataho izay tianao homeko anao » no nentiny nisintonana fampianarana sy hafatra ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Solomona Mpanjaka dia olona nalaza, nanambady vehivavy jentilisa maro, namorona tempoly, nanao tononkira ary nangataka fahendrena tamin’Andriamanitra, mba hahazoany mitondra ny olona. Nomen’Andriamanitra azy izany fahendrena izay. Nomeny vola aman-karena koa.
Aoka isika, rehefa mangataka amin’Andriamanitra dia tsy ny haren’ny tany na ny momba ny nofo no ho laharam-pahamehana, fa izay tahaka ny nataon’i Solomona : Fahendrena.
Teo am-pamaranana dia ny hira FFPM 764:1 “Tsy mangataka aho Tompo” no nataon’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana.
RAHARAHAM-PIANGONANA
Vina 2024: Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana.
Razafinimaharo Mamy, Biraom-piangonana, no nanatanteraka izany.
Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Isaia 45:2 no niarahabany ny mpianakavin’ny finoana: « Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy. »
Ireto avy no tsara hofantarina:
Avy any ivelany
Foibe FJKM
Alahady 21 janoary 2024: fanompoam-pivavahana sy fitondrana amim-bavaka ny Taom-piasana 2024 sy ny Filohan’ny FJKM, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi mianakavy. Hatao eny amin’ny kianja TPM Ivato ny fanompoam-pivavahana, hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany. Amin’ny 7 ora kosa dia hisy Asa sy Fampaherezana hotarihan’ny Mpiandry.
Mikatona avokoa ny trano fiangonana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina amin’io alahady io.
Sekretaria jeneraly FJKM
Sabotsy 27 janoary 2024: fambolena ala eny Manjakandriana.
Raharaha anatiny
Sabotsy 27 janoary 2024: Fivorian’ny Mpihevidraharaha amin’ny 8 ora sy sasany
Alahady 28 janoary 2024: Fivoriana Ankatoky ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Fampahatsiahivana mikasika ny daty hanatanterahana ny fanavaozana eo anivon’ny Sampana mandritra ity volana ity:
Talata 16 janoary: Dorkasy
Sabotsy 20 janoary: STK Zokiny, VMFP, RFF
Sabotsy 27 janoary: SMZM, HA.FA
Alahady 28 janoary: Gazety TA.FA sy ny Tranokala
Momba ny fifidianana Diakona: androany no farany ny amin’ny fanavaozana ny lisitra ary manomboka ny fanoloran-tena sy fanoloran’olona.
Nanao fanentanana mahakasika ny fanavaozana ireo tomponandraikitra eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe ny solontenan’ny Komity Fanavaozana koa ireto manaraka ireto ny hafatra :
Ataovy antom-bavaka ny fotoana rehetra, meteza ho iraka ampiasain’Andriamanitra ; mitoloma amim-bavaka hifidianana olona araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Ho fidiana ianao :
Izay vonona ho olona mendrika;
Tsy voninahitra fa mandehana amim- panetren-tena
Raha lany ianao dia tsy titra fa fanompoana feno, manao ny asa amin’ny hery rehetra
Komity ny fifidianana ianao :
Antso io koa tandremo sao ataon’ny satana ho fitaovana;
Mifampitondra amim-bavaka mba tsy hanalana baraka.
« Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. » Romana 8:30
Fandraisam-pitenenan’ny Mpitandrina
Fanamafisana ny fanavaozana ny tomponandraikitra.
Ataovy ny Asan’Andriamanitra fa rehefa manao ny Asany ianao dia ataony asany.
RAKITRA SY FANOMEZANA
Andriamasinoro Tantely, Biraom-piangonana, no namaky ireo voady sy raki-pisaorana nataon’ny mpianakavin’ny finoana. Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 37:4-5 no nentiny niarahabana ny Fiangonana “Ary miravoravoa amin’i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao. Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.”
Mpianakavin’ny finoana nangata-bavaka ho fanamafisany ny fanolorany tena amin’ny fanompoana ary koa fangataham-bavaka mba ho tantanan’ny Tompo mandritra ny taona.
Ireo hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana : HAFA « Aoreno ny finoana » ; RFF « Andriamanitra Fitiavana » .
Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena, dia nohirain’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny FFPM 283:4 “ Manan-jara ry Jesosy ! ”, ary feon-javamaneno taorian’izay.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Mialoha ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra Masina dia nohiraina ny FFPM 150 : 1, 3
« He! Tsara ny fonenanao ».
Ny Perikopa voalahatra: Eksodosy 24:12 ; Lioka 9:28-36 ; II Petera 1:16-21.
Rajaonarison Andriamandimby no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina. Andrianifahanana Hantarisoa no nanao namaky misesy ny Testamenta taloha sy ny Testamenta vaovao. Samy Diakona izy ireo.
Nohiraina teo am-pitsanganana ny FFPM 203:1, 3 “Ry Rainay be fitia” mialoha ny toriteny.
TORITENY
Ny perikopa noraisina nitondrana ny hafatra dia ny Lioka 9:28-36, fa ny and. 26 sy 27 no nosinganina manokana tamin’izany.
Lioka dia ilay lehilahy grika fa tsy Jiosy. Izy dia mpitsabo tsy mba nifidy sarangan’olona. Ny tsy mifidy saranga no asa nanirahan’i Jesoa azy. Ny fitsaboana nataon’i Lioka dia ara-batana fa ny an’i Jesoa dia ny nitsabo ny aretim-panahy indrindra indrindra. Resaka manokana hoe voninahitr’Andriamanitra amin’ny alalan’izany asa izany
Ny voninahitr’Andriamanitra miseho eo amin’ny fiainan’ny olona mpanaraka an’i Jesoa Kristy
And. 27 misy amin’ireo mpianatr’i Jesoa tsy hahita fahafatesana akory dia hahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jesoa Kristy nitondra ny mpianany hahita ny fanjakan’Andriamanitra. Fitafiana vaovao manjopiaka. Tsy zakan’ny mason’olombelona ny mahita ny voninahitr’Andriamanitra. Izay manao ny asan’Andriamanitra no hahita izany voninahitra mamirapiratra izany.
Petera dia nanaiky an’i Jesoa fa zanak’Andriamanitra velona. Tsy Petera ihany na Jaona sy Petera ihany, fa ianao mihitsy amin’ny fanaovanao ny Asa. Tsy maintsy mandresy ny torimasom-pahafatesana isika. Eto ireto mpianatra ireto dia naharesy izany torimaso izany ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra. Raha misy ny fahakamoana dia fanompoana tsy hahitana ny voninahitr’Andriamanitra izany.
Izao fotoana iainantsika izao dia fotoanan’ny Epifania, fotoanan’ny fitoriana ny Filazantsara. Ka na aiza na aiza misy anao dia mitoria hatrany. Mila manaraka ny torimarik’Andriamanitra mba hahitana ny voninahiny.
Ireo mpianatra ireo dia niaritra fanenjehana tamin’ny fanarahana an’i Jesoa. Izany faharetana izany anefa no nanehoan’i Jesoa Kristy ny voninahiny.
Isika dia mila maharitra amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Amin’ny fanatanterahana ny asa no hanehoany ny voninahiny. Koa torio ny Filazantsara fa izany no hanehoany ny voninahiny.
Miteny Andriamanitra ka mila mihaino ny feony ny mpanara-dia Azy.
Ny feon’Andriamanitra dia milaza fampanantenana lehibe handovana ny fanjakan’Andriamanitra. Ny olona tsy mbola nifanena tamin’ny voninahitr’Andriamanitra dia olona efa ela no tsy nanompo Azy. Ny Teny ataon’Andriamanitra dia mamelona fanantenana, mamelona fitiavana na niaritra fahoriana teo amin’ny hazo fijaliana aza. Ny fiainana eto an-tany dia eto an-tany ihany fa ny feon’Andriamanitra dia manafoana ny planina eto an-tany.
Petera dia nahafoy ny zavatra rehetra tamin’ny fanarahana an’i Jesoa, ka nanantena ny ho finaritra teo amin’ny fiainany. Ny voninahiny anefa dia ny fahariana harena any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa tsy ny ety an-tany.
Ao anaty fiaretana sy faharetana no ilazan’Andriamanitra hoe « Ity ny Zanako malalako, ny feony no henoy. »
Fotoanany izao, fotoanan’ny fanavaozana. Atolory ny fiainantsika ny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy miseho aminao ny voninahitr’Andriamanitra raha misy fihemorana eo aminao.
Hoy ny Romana 12:12 « Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana; Mahareta amin’ny fivavahana. » Raha tanteratsika izany dia tanteraka amintsika ny voninahitr’Andriamanitra.
Ny voninahitr’Andriamanitra dia asehony isan’andro fa tsy mahita izany anefa isika. Fa na ny ahitra madinika anie dia efa voninahitr’Andriamanitra e ! Ka rehefa potehina ireny, potehina ny tontolo maitso dia manapotika ny voninahitr’Andriamanitra isika. Mila mahay mikajy ny tontolo rehetra manodidina isika. Amboleo ny zavaboaary izay mampiseho ny voninahitr’Andriamanitra. Manàna hafaliana amin’ny alalan’ny zavaboaary.
An’Andriamanitra ny voninahitra.
Feon-javamaneno fohy ary nanao ny anjara hirany ny Sampana Taniketsa Amparibe Famonjena (STAF).
VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Miteny isan’andro amin’ny alalan’ny Teny Andriamanitra, amin’ny alalan’ny mpanompony, ny onjam-peo, ny fahita lavitra… Misaotra Azy.
Adino indraindray ny dika ara-panahin’ny voninahitra, hahatsapana ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny alalan’ny zavatra maro na ny zavaboaary aza.
Lehibe ny hafatry ny Tompo, mamelombelona ny fanahy sy mampitombo fanantenana ny amin’ny fanompoana ahitana ny voninahiny. Raha tsy miara-dia amin’ny Tompo dia tsy hahita izany.
Mitondra amim-bavaka manokana ny amin’ny fiainana eto amin’ny Fiangonana, izay hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny, ka izany no mahatonga olona maro manatanteraka voady sy raki-pisaorana. Mivavaka ho an’ny raiamandreny Mpitandrina misotro ronono, ny Mpitandrina délégué, ho an’ny mpanao raharaha rehetra eto amin’ny Fiangonana, ny tomponandraikitra rehetra (Biraon’ny Fiangonana, Sampana, Rafitra isan-karazany, indrindra fa ny Komity Fanavaozana). Nentina amim-bavaka ny FJKM, ny Filoha, ny fanompoam-pivavahana hotanterahina ny 21 janoary. Nivavaka ho an’ny firenena, ho an’ireo nanolotra fanomezana sy rakiboady.
Fohy fisainana izahay mba hahatanteraka ny vavakay, koa dia akambanay amin’ilay vavaka tsara indrindra nampianarin’ny Tompo Jesoa, dia ny « Rainay Izay any an-danitra » izany.
ASA VAVOLOMBELONA
Fiarahabana ireo mpanao Raharahan’ny Fiangonana
Nampaherezina izy ireo, tamin’ny fanolorana ny Teny tao amin’ny Jaona 15:16, izay noraisiny ireo teo am-pitsanganana: « Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. », ary nentina tamim-bavaka avy eo.
Tanaty feon-kira no niakatra teny amin’ny alitara, noraisin’ny Mpitandrina tànana.
Rehefa dia nanao hira niombonana, teo am-pitsanganana, teny an-toerana ihany : FFPM 428:1, 4 « Reko izao ry Tompo ».
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FFPM 627: 1 – 3 «Vimbino tsara izahay» ary notononina ny Tondrozotra 2024. “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra.” Rom.14 : 22a “Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana” Romana 6 :19d “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” 1Korintiana 15:15b.
Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano ary natao ny hira « Mialoka Aminao ».
Nipetraka ny Fiangonana nanao vavaka mangina ary notononina ny Trinite Masina.
Feon-javamaneno teo am-piravana.
Nisy ny Asa sy Fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto sy Randriambelo Sitraka
Nikirakira ny fafana : Rakotondramboa Andry
Nikirakira fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova
Naka sary : Andriamampianina Faneva
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy
