Alahady 07 Janoary 2024

“LEHIBE NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA”
ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY TAONA
ALAHADIN’NY EPIFANIA
ALAHADY NITONDRANA AMIM-BAVAKA SY FIARAHABANA IREO RAIAMANDRENY MPITANDRINA SY NY ZOKIOLONA
“…Tratrantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin’ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin’izany anananao rehetra. ” I Samoela 25:6b
Alahady natokan’ny Fitandreman’ Andriamanitra eto Amparibe Famonjena, ho alahady fiarahabana ireo Raiamandreny Mpitandrina sy ny ankohonany, ary nitondrana amim-bavaka azy ireo, dia
Ny Mpitandrina Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo, Prezida Synodaly SPAA10, izay voatendry ho Mpitandrina délégué,
Ny Mpitandrina misotro ronono Raharijaona Solofonirina mivady,
Ny Mpitandrina miana-draharaha Rafalimanana Frédéric Jocelyn,
Ramatoa Ramino Vololona, izay niala tsiny fa tsy afaka nanatrika ny fotoana.
Alahady natokana ihany koa ho fiarahabana ireo zokiolona 70 taona no mihoatra.
Alahady izay nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana janoary ity, dia ny hoe: “LEHIBE NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA”.
Ny Mpitandrina miana-draharaha Rafalimanana Frédéric Jocelyn no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo kosa no nitondra ny hafatra.
Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no notanterahina.
FANOMBOHANA NY FOTOANA
Taorian’ny feon-javamaneno “Land of hope” notendren’ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM) dia nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika ary nanolotra ny Teny fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra hoentin’ny Fiangonana manandratra Ilay Tsitoha, dia ny Salamo 93 manao hoe: “Jehovah no Mpanjaka, mitafy voninahitra Izy. Jehovah mitafy, eny misikina hery Izy. Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika. Ny seza fiandriananao nampitoeraina hatramin’ny fahagola.
Hatrizay hatrizay Ianao. Manandra-peo ny riaka. Mampirohondrohona ny feony ny riaka. Mihoatra noho ny rano sady be no mahery. Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe. Ny voninahitr’I Jehovah any amin’ny avo. Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra. Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro Jehovah o.” Amena!
Natao ny hira FFPM 746:1, 2, 3 : “Mifalia, ry sakaiza !”, niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo ho fiderana an’Andriamanitra, ary narahina vavaka fisaorana sy fiderana ary fangatahana ny Fanahy Masina mba hitarika mandritra ny fanompoam-pivavahana.
FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Ny Apokalyspy 14:7a sy ny Salamo 95:3 no nandraisana izany: “ . .. matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy” ; “Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, ary Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra Izy”.
Niarahan’ny Fiangonana natao ny FFPM 750:1, 2: “Dera, laza, ry Mpanjaka!”
VAVAKA FIFONANA
Tsy nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra koa nanao ny vavaka fiaikena fahotana sy fifonana ny mpitarika, ary nisy ny fotoana fohy nanaovan’ny Fiangonana vavaka mangina.
Rehefa dia nohiraina ny FFPM 358: 1, 4 “He! Ry namako mahantra”
TENY FAMELAN-KELOKA
Hoy ny Tompo: “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very”. (Lioka 19:10); “dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny zanany…Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny. Ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ny tanana ankavanan’ny lehibe any amin’ny avo” (Hebreo 1:2a, 3)
Rehefa avy nandray amim-pifaliana sy amin’ny fanantenana teo am-pitsanganana ny famelan-keloka nomen’ny Tompo dia natao ny hira FFPM 36:1, 2 “Moa ho haiko tantaraina” ary niarahan’ny mpianakavin’ny finoana nanonona ny Fanekem-pinoana laharana voalohany.
Nipetraka ny Fiangonana ary nanao vavaka mangina tanaty feon-javamaneno:“Tadiavo Jesoa” notendren’ny SMZM.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rakotonarivo Domoina, mpampianatra K4, no nanatanteraka ny fotoana.
Ny bokin’ny Salamo 92: 13a sy 15 (DIEM) « Ny olo-marina hamololona toy ny rofia. Na antitra aza dia mamoa hatrany ary Mbola maintso sy milenodenoka” no nentiny nisintonana ny hafatra ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Tantara fohy mahakasika toerana fialantsasatra izay fandehanan’ny mpizaha-tany, “désert”, amoron-dranomasina, anaty ala , no nanatsoahany ny hafatra. Ampitahan’Andriamanitra amin’ireo fahasamihafana toerana ireo isika. Tokony hampiseho ny voninahitr’Andriamanitra toy izany koa isika.
Natao ny FFPM 808:1 “Eo an-tratranao Jesosy”, izay narahana vavaka.
Ary naverina novakiana ny Jaona 6: 37b.
RAHARAHAM-PIANGONANA
Vina 2024: Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana.
Razafinimaharo Mamy, Biraom-piangonana no nanatanteraka izany.
Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Jaona 1: 12 no nanombohany azy: « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra dia izay mino ny Anarany.»
Ireto avy no tsara hofantatarina:
Avy any ivelany
FOIBE FJKM
Alahady 21 janoary 2024: fanompoam-pivavahana sy fitondrana amim-bavaka ny Taom-piasana 2024 sy ny Filohan’ny FJKM, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi mianakavy. Hatao eny amin’ny kianja TPM Ivato ny fanompoam-pivavahana, hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany. Amin’ny 7 ora kosa dia hisy Asa sy Fampaherezana hotarihan’ny Mpiandry.
Mikatona avokoa ny trano fiangonana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina amin’io alahady io.
Raharaha anatiny
Ny fandaharam-potoana manokana mandritra ity volana janoary ity:
Alahady 14 janoary: fitondrana amim-bavaka ireo mpanao raharahan’ny Fiangonana
Alahady 28 janoary: fitondrana amim-bavaka ny Firaisan’ny Sampana
Ny daty hanatanterahana fanavaozana eo anivon’ny Sampana mandritra ity volana ity:
Talata 16 janoary: DORKASY
Sabotsy 20 janoary: STK Zokiny, VMFP, RFF
Sabotsy 27 janoary: SMZM, HF
Alahady 28 janoary: Gazety TA.FA sy ny Tranokala
Nanao fanentanana mahakasika ny fanavaozana Tomponandraikitra (janoary – febroary) eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe ny solotenan’ny Komity Fanavaozana
Fiarahabana ireo nahatratra ny tsingerinandro nahaterahana volana desambra
Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny bokin’ny Salamo 34: 9 no nomena azy ireo: « Matahora an’i Jehovah, ianareo olony masina, fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy»
Taorian’ny vavaka, nanao ny hira « Tsy mahay mankasitraka aho » ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena. Nandritra izany no nanaterana rakitra teny amin’ny alitara. 64 no isan’ireo noaharabaina.
Fifampiarahabana taom-baovao 2024
Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny bokin’ny Isaia 43: 1-4 no nifampiarahaban’ny Fiangonana: « Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao, efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao ».
“Malala eo imason’ny Tompo ianao. Homba anao Izy mandritra izao taona 2024 izao.”
RAKITRA SY FANOMEZANA
Ralaindimby Haja, Biraom-piangonana, no namaky ireo voady sy raki-pisaorana nataon’ny mpianakavin’ny finoana. Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Isaia 25: 1 no nentiny niarahabana ny Fiangonana “Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady mahatoky no marina indrindra.”
Ireo hira nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana : HAFA « Tsy nomenao » ; FFPM 338 « Arovy aho Tompo » ; FF 53 : 1 « Havaoziko ilay voady » ; FFPM 515 : 1 « Tsara lova, ry Jeso o ! »
Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena, dia noredomin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira vavaka FFPM 443 : 2 “ Raiso ho Anao ny foko”, ary feon-javamaneno taorian’izay.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Mialoha ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra Masina dia nohiraina ny FFPM 205:1, 2 « Ny teninao rehetra ».
Ny Perikopa voalahatra novakiana: Salamo 76 : 1-12 ; Matio 19: 27-29 ; Apokalypsy 15 : 1-8.
Ranaivoson Toky no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina. Rakotomalala Harizo no nanao namaky misesy ny Testamenta taloha sy ny Testamenta vaovao. Samy Diakona ireo.
Natao ny hira FFPM 241:1, 2 “Ry Jeso o! Midina”.
TORITENY
Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo, Mpitandrina Délégué, no nitondra ny hafatra. Nivavaka izy mialoha ny nitoriany ny Teny izay noraisiny tao amin’ny Matio 19 : 27-29.
Fombantsika amin’izao taona voavao izao no mangataka fitahiana amin’ny Tompo toy ny rentsika tamin’ny famakiana ny voady teo. Manana zavatra angatahina amintsika ihany koa ny Tompo. Ny angatahan’ny Tompo amintsika amin’ity taona vaovao 2024 ity dia ireto avy :
Hanaraka an’i Jesoa hatrany
Hiaraka mitoetra eo Aminy
Hanavao ny fanoloran-tena ho Azy
Hanaraka an’i Jesoa hatrany :
Eo amin’ny Jaona 21: 18 dia manambara amintsika i Jesoa: “Manaraha Ahy”.
Tandremo anefa sao manaraka Jesoa sandoka
Lioka 9: 23 kosa dia manambara amintsika hoe: Aoka tsy ny rendrarendran’ny nofo fotsiny no arahintsika.
Hiaraka mitoetra eo Aminy
Araka ny Matio 19 indray dia manambara ny hoe :
Mba tiany koa Jesoa eo akaikinao
Hanana voninahitra tahaka an’Andriamanitra
Avelao Jesoa hipetraka amin’ny fiainanao
Salamo 73 :28 : isika mifampitantana amin’ny Tompo
Hanavao ny fanoloran-tena ho Azy
Taona fanavaozana sy fanoloran-tena ity taona ity
Araka ny hita ao amin’ny Soratra Masina : « Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany » Romana 12 :1
Havaozy mandrakariva ny fanoloran-tenanao
I Kor 15 :19 :
Aoka ny amin’ny nofo, efa fantany Jesoa
Mba ho ambony ny fanoloran-tenanao
Valio ny antsony, manaraha an’i Jesoa
Havaozy ny fanoloran-tena
Fehin’izao hafatra izao :
Teny faneva FJKM manao hoe « Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo ».
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra ! Amen.
« The road home » no feon-kira notendren’ny SMZM ary taorian’izany dia nanao ny anjara hirany ny Hasin’ny famonjena.
VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Rafalimanana Frédéric Jocelyn, Mpitandrina miana-draharaha, no nitarika izany. Nentina amim-bavaka ny Mpitandrina nitondra ny hafatry ny Tompo, Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo, Mpitandrina Délegué sady Prezidà Synodalin’ny SPAA10 ; ny Mpitandrina nisotro ronono, Raharijaona Solofonirina ; ny fanavaozana Tomponandraikitra ; ny Komitin’ny Fanavaozana eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena ; ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ahafahany manolotena ; ny mpianakavin’ny finoana nanao voady sy raki-pisaorana : tao ny nahatratra ny tsingerinandrony (76 taona, 88 taona, 89 taona) ; ny nangata-bavaka ho an’ny fianaran’ireo zanany, ny asa iandraiketany, ny fanamboarana trano ary ny fiainan’izy mianakavy kely ; tao koa ny nangataka vavaka ho fitahiana ny taona vaovao 2024. Nisy ny renim-pianakaviana nangataka ny ho vita soa ny fianarana mitoriteny. Nisy koa ny nangata-bavaka mba tsy hihemotra ary mba ho afaka amin’ny fanao ratsy ary tao koa nisy fianakaviana nandray fahasoavana sy fitahiana. Nentina amim-bavaka ny Asan’ny Fiangonana, ny Foibe FJKM, ny rafitra rehetra. Nivavaka ho an’ny firenena, ho an’ny Tomponandraikitra hatahotra an’Andriamanitra. Nentina amim-bavaka ny Fiangonana, ny mpiara-mivavaka mba ho vimbinina amin’izao taona 2024 izao.
Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo: « Rainay Izay any an-danitra » izany.
ASA VAVOLOMBELONA
Fiarahabana sy fitondrana amim-bavaka ireo Mpitandrina no notanterahin’ny Biraom-piangonana sy ireo rafitra sy sampana ary sampan’asa, niaraka tamin’ny mpianakavin’ny finoana.
Fiarahabana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina noho ny tsingerinandro nahaterahany ny 07 janoary 2024 sy ny nahatrarany ny faha 66 taonany.
Fiarahabana ireo zokiolona 70 taona no mihoatra.
Taorian’izay dia nandray fitenenana ny Mpitandrina Délégué, Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo, ho fisaorana sy firariantsoa.
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny FFPM 747 :1 « Haleloia ! Sambasamba ! » ary notononina ny Tondrozotra 2024: “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. Rom.14 : 22a “Atolory ankehitriny ny momba ny tenananao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”. Rom.6 : 19d “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” 1Kor.15 : 15b
Natolotry ny Mpitandrina délégué ny Tsodrano ary noredonina ny hira FFPM 747 :2 « Haleloia ! Sambasamba ! ».
Nanao vavaka mangina ary notononina ny Trinite Masina.
« Total praise » no feon-javamaneno teo am-piravana
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Ny Mpitandrina délégué sy ny Mpitandrina miana-draharaha no nira-nanatanteraka ny fotoana.
Natao ny hira FFPM 24 : 1 “Ny lanitra ao ambony ao” ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesorana ny lamba nanarona ny mofo sy ny kapoaka. Nambara ny Soratra Masina hanehoana izao fiombonana masina izao. Natao ny vavaka, dia ny hiraisantsika tokoa amin’ny Tompo ary nohiraina ny Antema 1 ““Masina, masina, masina”. Nambara ny Teny fanorenana ny firaisana latabatra amin’ny Tompo ary natao ny vavaka fahatsiarovana.
Rehefa izany dia noredonin’ny Fiangonana ny hira FFPM 64: 4 “Injany hiran-danitra” mialoha ny vavaka fangatahana ny Fanahy Masina mba hiasa amin’ireo famantarana.
Natao ny fanamasinana ny mofo sy ny kapoaka ary nanao ny vavaka fanetren-tena, ny Fiangonana. Rehefa tontosa izany dia niaraha-nandray ny mofo sy ny kapoaka ho fanehoana ny firaisana latabatra amin’ny Tompo. Nandritra ny fizarana ny mofo sy ny kapoaka no nanaovana misesy ny FFPM 488 « Na inona na inona hitranga, Jesoa! »; FFPM 489 « Tena sambatra sy maha-te ho tia »; FFPM 479 « Jesoa no anjara soa ».
Nasandratra ny vavaka fisaorana ary nananty ny rakitra sy nanangona ny kapoaka ny Diakona. Nohiraina ny HF 11 « Fantatro izao ».
Taorian’ny hafatra fohy dia natolotra ny Tsodrano ary notanterahina ny hira « Mialoka Aminao». Natao ny vavaka mangina ary notononina ny Trinite Masina. Nirava am-pifaliana tanaty feonkira “Lift the Savior up”, ny Fiangonana.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rabiazamaholy Mahery sy Raharinoa Fenitra ary ny SMZM
Nikirakira ny fafana : Razafimaharo Kanto
Nikirakira fanamafisam-peo : Ramahery Yves
Naka sary : Ramahery Hasina
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly