Alatsinainy 01 Janoary 2024

« LEHIBE NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA»
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ISAORANA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY TAONA VAOVAO
« Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo ; fa manakaiky ny fanavotana anareo »
Lioka 21 : 28
Androany no fanompoam-pivavahana voalohany amin’ity taona 2024 ity. Ary andro voalohany ibanjinana ny lohahevitra « Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra ».
Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany ny fanompoam-pivavahana. Ny Litorjia tamin’ny endriny faharoa no nentina nanatanteraka izany.
Ny Mpitandrina miza-draharaha, Rafalimanana Jocelyn, no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Biraom-piangonana no nanatontosa ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra.
Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo nandritra ny fanompoam-pivavahana.
FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Taorian’ny feon-javamaneno dia niara-nanandratra Ilay Tsitoha ny mpianakavin’ny finoana, tamin’ny famakiana, teo am-pitsanganana ny Salamo faha 100.
Natao ny FFPM 746 :1, 2, 3 “Mifalia ry sakaiza”, ho fiderana an’Andriamanitra.
VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
«Andriamanitra Rainay sy be voninahitra ô, Rainay Ianao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao. Atolotray Anao ny dera, saotra ary ny laza, noho ny tombonandro azonay ka nahatratraranay izao taona vaovao izao. Faly izahay fa afaka manatona Anao. Ho heniky ny fitiavanao anie ity fotoana ity. Mifona sy mibebaka Aminao izahay noho ny tsy fahatanterahanay. Mangataka ny Fanahy masina izahay honina aty anatinay. Amena. »
JERY TODIKY NY TAONA 2023
Nampahatsiahivina ny Tondrozotra 2023 : « Raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy (IPet. 4 :11b). Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’ny olona. »
Notanterahina tamin’iny taona lasa iny ny fankalazana ny jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina. Maro ireo hetsika notanterahina tamin’izany. Anisan’izany ny fanaovana Batisa faobe, ny fanambadiana miara-mizotra, ny fiarahabana ireo olona rehetra nahazo fahasoavana nandritra ny nitandremany. Nanamarika ny taona 2023 ny fisantarana ny English worship na ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy sy ny English club. Tontosa antsakany sy andavany avokoa ireo fotoan-dehibe rehetra toy ny Fanompoam-pivavahana Krismasy, Paska, Pentekosta,… Tanteraka ihany koa ny Herinandro masina, ny Herinandron’ny Fanahy masina sy ny Herinandro sambatra.
Maro ireo mpianakavin’ny finoana no nandray fahasoavana nandritra iny taona 2023 iny : 13 ny fanamasinana fanambadiana, 56 ireo noraisina Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, tao ihany koa ireo vita Batisa.
Anisan’ny nosahanin’ny Fitandreman’ Andriamanitra eto Amparibe Famonjena, ny fanohanana ny fanorenana ny trano fivavahana ataon’ny FJKM Bevoay sy ny fanohanana ireo mpiomana ho Mpitandrina. Nandray anjara tamin’ny Recyclage pastoral ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina tamin’iny taona 2023 iny ary nitsidika ny toerana fanomanana Mpitandrina tany Ambatondrazaka, izay nitondrana ireo fanampiana avy amin’ny mpianakavin’ny finoana.
Ho an’ny Sekoly alahady manokana dia nankalaza ny faha 160 taona ny Sekoly alahady Antoky ny Famonjena, tamin’iny taona lasa iny ary ny Sekoly ho an’ny ray aman-dreny na « Ecole des parents » no tsangambato tamin’izany. Efa, araka ny tokony ho izy, ny adidintsika teo anivon’ny Foibe FJKM sy ny Synodam-paritany.
Ho fanatevenana ny mpitendry orga dia nandray mpitendry orga 7 vaovao isika.
Tanteraka tamin’iny 2023 iny ny fampitaovana ireo efitrano fivoriana.
Nitohy hatrany ny fiombonam-po nampiray ny mpianakavin’ny finoana nandritra ny taona 2023. Anisan’izany ny fiarahabana ireo Zokiolona, ny fitsidihana azy ireo tany an-tokantrano, ny hetsika gasigasy, ny garden party,…
Ho an’ny taona 2024 kosa dia nampahafantarina ny mpianakavin’ny finoana ny Tondrozotra vaovao :
“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. Rom.14 : 22a “Atolory ankehitriny ny momba ny tenananao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”. Rom.6 : 19d “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” 1Kor.15 : 15b
Nambara ny vina vaovao. Araka izany dia mila manana toe-po sy toe-panahy vaovao isika.
Nampahatsiahivina fa mila koa miaina ny teny fanevan’ny FJKM manao hoe « Miorena tsara aza miova » 1 Kor. 15 :58 , isika.
Manoloana ny asa miandry antsika dia mila mahery mivavaka sy mampitombo finoana isika.
Mila tohizana ny fiaraha-miasa amin’ny FJKM Foibe sy ny Synodamparitany ary ireo Fiangonana miara-mandroso. Marihina fa ny fanorenana ny trano fivavahana any Bevoay dia enjehina ao anatin’ny enim-bolana.
Mahakasika ny fananan’ny Fiangonana, dia ny fikojana sy ny fanatsarana ireo fananana, toy ny fiara, ny trano vadim-piangonana, ny akany,… no hatao.
Miomana ihany koa isika amin’ny fandraisana Mpitandrina vaovao sy ny fanavaozana ny rafitra.
VAVAKA NOHO NY TAONA LASA SY NY TAONA VAOVAO
« Andriamanitra ô, atolotray Anao ny dera sy ny laza ary ny voninahitra noho ny fahatratraranay ny taona vaovao. Isaoranay Ianao noho ny fitantananao ny Fiangonana ka nahafahanay nanatontosa ireo asa maro sy fanompoana nandritra iny taona lasa iny. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fankalazana ny jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
Apetrakay eo am-pelantananao ry Tompo ireo tetikasa eritreretinay hotanterahina amin’ity taona vaovao ity. Apetrakay eo am-pelantananao ny Mpitandrina izay manomboka misotro ronono amin’ity taona ity. Ankinina Aminao ihany koa ny fanendrena izay handimby azy. Entinay amim-bavaka eo anatrehanao Tompo ny fanavaozana ireo tomponandraikitra. Amen. »
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nialoha ny toriteny dia natao ny vavaka fangatahana ny Fanahy masina.
« Misaotra ry Tomponay ô fa mbola tia anay sy mamindra fo aminay Ianao, ka afaka miombom-bavaka eto amin’izao taom-baovao izao, izahay.
Ombay amin’ny Fanahinao masina ny hamaky ny Teny sy ny hitory izany, mba ho tody soa amin’ny olonao ny Teninao. Ho velona aty anatinay anie ry Tompo ny Teninao. Amen. »
Ranaivoson Jacky no nanao ny vavaka sy namaky ny Testamenta taloha : ITantara 29 :10.
Razafindrabe John Bam kosa no namaky ny Filazantsara sy ny bokin’ny Fanambarana, araka ny Lioka 21, 25 – 28 sy ny Apokalypsy 21, 22 -27.
Rehefa voavaky ny Teny dia nohiraina ny «Aoka ho an’Andriamanitra », FFPM 461, 1- 4.
TORITENY
Ny Lioka 21,25-28 no nangalan’ ny Mpitandrina, ny hafatra.
Araka ny Mpitoriteny toko voalohany, ny zavatra rehetra dia tsy misy vaovao, fa ny teo ihany no miverimberina. Ireo zavatra miverimberina ireo dia vao mainka miharatsy. Ohatra mivaingana amin’izany, ny tontolo iainana.
I Solomona dia nanana ny zavatra tsara rehetra nisy tamin’ny androny, kanefa nahatsapa izy fa tsinontsinona izany. Tsinontsinona ny fiainana eto an-tany. Manoloana izany, nahoana ary isika no navelan’Andriamanitra hiaina ety an-tany. Ao amin’ny Lioka 25, 28 dia hozongozonina izao tontolo izao rehefa tonga i Kristy. Marihana anefa fa rehefa tonga izany dia akaiky ny famonjena antsika.
Miandrandrà ka raiso ny famonjena. Ao anatin’ny Epifania isika izao, maniry mafy ny hiditra amin’ny fiainantsika, Andriamanitra. Ny famonjena raisintsika avy amin’Andriamanitra dia famonjena manome fahavelomana. Any ivelan’Andriamanitra dia tsy misy fahavelomana, fa fahafatesana.
Amin’izao taona vaovao izao dia maro ny olona mijery ny hoaviny any amin’ireny astrology sy mpanompo sampy maro ireny.
Ianao kosa dia miandrandrà an’Andriamanitra. Jesoa Kristy no foto-pahavelomana. Ny alina teo izao, misy ny olona tsy nifoha intsony, rehefa avy namonjy fety sy lanonana.
Omen’Andriamanitra hery ny olona miandrandra Azy. Ny olona rehetra afaka mahazo izany hery izany avokoa fa anjaran’ny tsirairay no misafidy.
Manome hery antsika izay manao ny asany, Andriamanitra.
Amin’izao taona vaovao izao, miandrandrà ny Tompo. Raiso ny heriny ary ampiasao amin’ny fahamasinana sy fahamarinana ary amin’ny fahitsiana. Manome toky izay miandrandra Azy Andriamanitra. Manoro lalana antsika Izy, Mihainoa Azy. Matokia an’Andriamanitra.
Ho azy Irery ny voninahitra.
VAVAKA SETRIN’NY TORITENY SY FANGATAHANA
« Andriamanitra ô, misaotra Anao izahay noho ny Teninao, izay mampianatra anay fa mila miandrandra Anao izahay, hahazoanay fiainana. Entinay amim-bavaka ny ray aman-dreninay, ny Mpitandrina sy ireo Zokiolona. Entinay amim-bavaka ny Biraom-piangonana, ny Biraon’ny sampana sy asa ary sampanasa sy ny rantsana. Entinay amim-bavaka ny Kristiana rehetra, indrindra ny Kristiana eto amin’ny Fitandremanao eto Amparibe Famonjena. Omeo hery izahay hanatanterahanay ny sitraponao. Apetrakay eo am-pelantananao ny tetikasa rehetra sy ny vinan’ny Fiangonanao. Omeo fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny sitraponao izahay. Entinay amim-bavaka ny firenenay sy ny mpitondra anay. Ny FJKM Tompo ô, tahio hijoro vavolombelona hitarika ny hafa ho amin’ny famonjena. »
Notohizana tamin’ny Vavaka nampianarin’ny Tompo izany vavaka izany.
Ny jery todiky ny taona 2023 no solon’ny filazan-draharaha.
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Nialoha ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia nanao ny hira « Mihobia ho an’i Jehovah » ny Hasin’ny Famonjena.
Ny Mpitandrina Rafalimanana Jocelyn no nanatontosa ny fotoana.
Nohiraina ny «Tena sambatra sy maha te ho tia », FFPM 489 : 1, ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesorana ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka. Nambara ny Soratra masina hanehoana izao fiombonana masina izao.
Narahina vavaka izany. Avy eo dia nohiraina ny Antema 1 «Masina, Masina».
Nambara ny Teny fanorenana ny firaisana latabatra amin’ny Tompo ary natao ny vavaka fahatsiarovana.
Rehefa izany dia noredonin’ny Fiangonana ny hira «Indreto izahay ry Jesoa ô » FFPM 262 :1, mialoha ny vavaka fangatahana ny Fanahy masina hiasa amin’ireo famantarana.
Natao ny fanamasinana ny mofo sy kapoaka ary natao ny vavaka fanetren-tena «Tompo ô, tsy mendrika ny atao hoe zanakao aho… », ny Fiangonana.
Nohiraina teo am-pizarana ny mofo sy kapoaka ny FF 47 « Fiadanana » ; « Ankehitrio no isehoanao »FFPM 261 ; « Jeso ô, Mpitia anay » FFPM 469.
Taorian’ny fisotroana ny kapoaka dia nohiraina ny « Mamy ry Jesoa ô »FFPM 283.
Nasandratra ny vavaka fisaorana, nohiraina ny « Feno toky ny fanahy» ary nananty ny rakitra sy nanangona ny kapoaka ny Diakona.
Ny hafatra fohy ho an’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia nalaina tao amin’ny
I Korintiana 16:13 « Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, mahereza ».
Taorian’ny fiarahana nanonona ny Tondrozotra 2024 dia natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano ary nohiraina ny « Faly dia faly », FFPM 539 :1.
Teo am-piravana dia nifampiarahaba noho ny taom-baovao ny mpianakavin’ny finoana.
IREO TOMPON’ANJARA
Fanamafisam-peo : Harentsoa Rova sy Rabiazamaholy Hery Lanto
Fafana : Ratiarison Joris
Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy Rakotonarivo Hery
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky