«MIHAVAO AO AMIN’NY TOMPO NY MPINO»
ALAHADY FAHA XXII MANARAKA NY TRINITE
IVOM-BOKATRY NY SAMPANA FIFOHAZANA
ALAHADIN’NY REFORMASIONA
«…Masina hianareo satria Masina Aho Jehovah Andriamanitrareo» Levitikosy 19 : 2a
<p style=”text-align: left;”><span style=”color: #696969;”>Alahady farany ibanjinana ny lohahevitra « MIHAVAO AO AMIN’NY TOMPO NY MPINO». Eto anivon’ny Fitandremana Amparibe Famonjena dia alahady, ivom-bokatry ny Sampana Fifohazana. Manerana ny sahan’ny FJKM dia Alahadin’ny Reformasiona androany.
Rasoanaivo Lalao no nitarika ny fotoana, ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia endriny fahatelo no nentina nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana.
Nisy ny asa sy fampaherezana niarahana tamin’ny Sampana Fifohazana.
Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia notanterahina ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.
<span style=”color: #4169e1;”>FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA
<span style=”color: #696969;”>Andrianasolo Misa, mpampianatra Sekoly Alahady, no nanatanteraka ny fotoana.
Ny Romana 12 :2 manao hoe «Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. » no nakana ny fampianarana.
Nambara tao anatin’ny fampianarana fa any ampitan-dranomasina dia miovaova arakaraka ny toetr’andro ny fomba fiakanjo. Misy ny olona manara-drenirano ireny lamaody any ivelany ireny, na dia hita aza fa tsy mitovy ny toetry ny andro eto Madagasikara sy any ivelany. Fehiny, izay manaraka an’i Jesoa dia tsy tokony hanara-drenirano.
<span style=”color: #4169e1;”>FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
<span style=”color: #696969;”>Ny Perikopa voalahatra : II Tantara 29 : 31 – 36 ; Matio 21 : 23 – 32 ; Romana 12 : 1 – 2
<span style=”color: #4169e1;”>TORITENY
<span style=”color: #696969;”>Amin’ny maha Alahadin’ny Reformasiona sy ny Sampana Fifohazana ny andro androany dia naompana tamin’ny Toriteny Etika ny hafatr’Andriamanitra.
Ny lohahevitra banjinin’ny FJKM moa dia manao hoe « Mihavao ao amin’ny Tompo ny Mpino ». Miseho amin’ny endriny telo izany fihavaozana izany ao anatin’ny Perikopantsika :
1 – Manatona an’Andriamanitra sy mitondra fanatitra ho Azy ny Kristiana mihavao (II Tantara 29 : 31)
2 – Maneho ny finoany amin’ny alalan’ny asa ny Kristiana mihavao (Matio 21 : 23-32)
3 – Mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra ka manao izay tsara sy ankasitrahan’Andriamanitra ny Kristiana mihavao. (Romana 12 :1-2)
Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra.
<span style=”color: #4169e1;”>ASA VAVOLOMBELONA
<span style=”color: #696969;”>Zanaky ny Fiangonana natao Batisa: Rafidison Hanitriniaina Kennie ; Ramenason Rindranirina Fanantenana ; Raminoarison Andriniaina Kendrick.
<span style=”color: #4169e1;”>IREO TOMPON’ANJARA
<span style=”color: #696969;”>Nitendry orga : Harentsoa Rova
Nikirakira ny fafana : Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira ny fanamafisam-peo : Ramahery Yves
Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky
Fanomezana
« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »
2 Korintiana 9:7
Misaotra noho ny fahamoram-ponao
Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.
Fanomezana
« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »
2 Corinthiens 9:7
Merci pour votre cœur généreux
Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.
Fanomezana
“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”
2 Corinthians 9:7
Thank you for your generous heart
Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.