«IAINO NY TOE- PANAHY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA»
ALAHADY FAHA XXIII MANARAKA NY TRINITE
ALAHADY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
ALAHADY NANDRAISANA IREO KATEKOMENA ANDIANY « AKO »
« Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy » Romana 12 : 21

Niavaka ity alahady ity noho ny fanokanana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ireo Katekomena 37 mianadahy, andiany « AKO ».
«Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra» no lohahevitra vaovao banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana novambra ity.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra ; nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny voalohany no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Amosa 5 : 4-11 ; Matio18 : 21-35 ; Romana 12 : 9-21
Ramatoa Rakotomanana Andy no nanao ny vavaka sy namaky ny Soratra Masina
Nanao ny anjara hirany, “Inona no entiko eo anatrehan’Andriamanitra”, ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena mialoha ny Asa Vavolombelona.
Amin’ny maha alahady voalohany amin’ny volana dia nisy ny fitondrana amim-bavaka ireo nankalaza ny tsingerinandro nahaterahana tamin’ny volana oktobra. Ny Isaia 41:10 no Teny nomen’ny Fiangonana, nentina nampaherezana azy ireo : « Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. »
Asa Vavolombelona : fanokanana ireo Katekomena, andiany « AKO », ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Niisa 37 izy ireo : vavy 18 ary lahy 19. “Tany lavitra any”, hira noforonin-dRajaofetra John, no niarahan’izy ireo noredomina teo am-pamaranana ny Asa Vavolombelona.
Nisy ny firaisana Latabatra tamin’ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana. Ny Hafatra dia ny Kolosiana 2 : 6-7 « Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao Aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana. »

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Andrianifahanana Hantarisoa, mpampianatra Sekoly Alahady, no tompon’anjara.
Romana 12 : 21 « Aza mety ho resen’ny ratsy ianao , fa reseo amin’ny soa ny ratsy ». Izany no nakany lesona fampianarana sy hafatra.
Matetika rehefa milalao ny ankizy dia misy mianjera ny namana ka mampihomehy. Raha sendra ianao moa ilay nianjera dia ahoana ? Menatra sy malahelo ? Ka inona no tokony atao ?
Tokony hatsangana ilay nianjera.
Eo amin’ny fiainana dia misy ny fahalavona. Amin’ny maha kristiana dia anjarantsika ny manarina ny lavo. « Reseo amin’ny soa ny ratsy » Izany no ezahana amin’ny fiainana. Ka raha mahavita izany isika dia mahavita miaina ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.

TORITENY
Fotoana manokana moa ny eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena : fandraisana ireo Katekomena andiany « AKO ».
Ny hafatra dia izao manaraka izao : Ataovy misy akony eo amin’ny fiarahamonina ny famonjena natolotry ny Tompo anao amin’ity anio ity. Ny Mpandray rehetra dia tafiditra amin’izany.
Inona ny teo-panahy araka an’Andriamanitra ?
Ao amin’ny Romana 12 : 9-21 no ahitana azy
Ny hevitra fototra dia ny and. 9 : mankahalà ny ratsy, sy ny and. 21 : reseo amin’ny soa ny ratsy. Eo anelanelany kosa (and. 10 hatramin’ny and. 20) no misy ny atao rehetra hanatanterahana ireo andininy roa ireo. Zavatra roa lehibe no misongadina : ny fitiavana ny rahalahy sy ny fitiavana an’Andriamanitra (fanompoana)
Tsianjery :
« Ataoko manako ny antson’ny famonjena
Mankahala ny ratsy
Mifikitra amin’ny tsara
Tsy resin’ny ratsy fa
Mampandresy ny tsara »
Mandritra ny androntsika isika dia mila mitoetra, miray, mifikitra amin’Andriamanitra. Izany hoe iainana ny fanekena natao (mivavaka sy mamaky Baiboly araka izay azo atao isan’andro).

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Irimanana Eninkaja sy Rakotonarivo Hery ary ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nikirakira fafana : Ravelojaona Harentsoa
Nikirakira fanamafisam-peo : Harentsoa Rova
Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.