“IAINO NY TOE-PANAHY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA”
IVOM-BOKATRY NY GAZETY TARATRY NY FAMONJENA SY TRANOKALA
FANOKAFANA NY JOBILY FAHA-125 TAONAN’NY SAMPANA DORKASY
ALAHADY FAHA-24 MANARAKA NY TRINITE
“Miadia ny ady tsaran’ny finoana, Hazony ny fiainana mandrakizay,…” I Timoty 6 : 12a

Alahady faharoa ibanjinana ny lohahevitra «Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra». Androany no natokana itondran’ny sahan’ny FJKM amim-bavaka ny Fitantanana ny Fananana (FIFA).
Andriamahatana Rado Filohan’ny Gazety sy Tranokala no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia endriny faharoa sy ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentina nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana sy nanehoana ny finoana.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA
Zanaharitsimba Rakotondrazaka Lalasoa  no nanatanteraka ny fampianarana.
Ny Jaona 6 : 26 no nakany ny hafatra sy ny tsianjery : « Jesosy namaly azy hoe : lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo mofo ka voky. »

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny perikopa voalahatra : Salamo 34 : 17 – 22 ; Marka 10 : 17- 27 ; I Timoty 6 : 11-21.

Harijesy Faneva no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny.

Ramahery Hasina no namaky ny Testamenta taloha.

Radimimanana Nandrianina kosa no namaky ny Filazantsara sy ny epistily.

TORITENY

Ny I Timoty 6 : 11-21 no nangalana ny toriteny. Hafatr’i Paoly ho an’i Timoty ho fampaherezana azy ity epistily ity.

Toe-panahy telo no voarakitra tao anatin’izany fampaherezana izany :

  1. Miezaha mitady fahamarinana.(I Timoty 6 : 11)
  2. Miadia ny ady tsaran’ny finoana. (I Timoty 6 : 12)
  3. Azony ny fanekena nataonao tamin’ny Tompo (I Timoty 6, 12d)


ASA VAVOLOMBELONA

Fanokafana ny taom-pankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 125 taonan’ny sampana Dorkasy Amparibe Famonjena. Novakiana ny tsiahin’ny sampana.

Natolotra sy notsofina rano ny komitin’ny fankalazana.

Nosokafana ny fanana maneho ny taom-pankalazana.
Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nisy ny asa sy fampaherezana.

11-10-DorkasyJ-min
11-10-Dorkasy R-min
11-10-Dorkasy Q-min
11-10-Dorkasy O-min
11-10-Dorkasy M-min
11-10-Dorkasy P-min
11-10-Dorkasy E-min
11-10-Dorkasy C-min
11-10-Dorkasy B-min
11-10-Dorkasy D-min
11-10-Dorkasy L-min
11-10-Dorkasy N-min
11-10-Dorkasy-min



TOMPON’ANJARA

Nitendry Orga : Irimanana Eninkaja sy Rakotonarivo Hery

Nikirakira fafana : Raharijaona Nantenaina

Nikirakira fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova sy Harentsoa Rova

Naka sary : Fitia

Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky

11-10-P-min
11-10-Q-min
11-10-J-min
11-10-N-min
11-10-L-min
11-10-K-min
11-10-Z-min
11-10-Y-min

Manaraka !

Izay no farany

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.