2 Timoty 1. 13-14

«Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny Teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko. Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.»

Fiderana

Alahady farany amin’ny volana mey ity alahady ity, mamarana ny fibanjinana ny lohahevitra hoe « Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina » ary alahadin’ny TRINITE.

Niisa 553 ny mpianakavin’ny finoana niara-niombom-bavaka.

Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Ny Diakona Rasoanaivo Lalaoarimanana no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.

Famakiana ny Soratra Masina

Ny Perikopa voalahatra : Joba 27. 1-3 ; Jaona 5. 17-23 ; Romana 15. 14-21.

Ny Diakona Rakotoarivony Lisiharinoa no nivavaka mialoha ny namakian’ny Diakona Harentsoa Rova misesy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Randriambeloson Malalatiana, mpampianatra K2, no tompon’anjara.
Ohaolana 4. 24 : «Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.» no nitondrany ny hafatra manokana avy amin’i Jesoa.
Inona no moa ny foto-tenin’ny fahamarinana ? Marina. Izany hoe mahitsy tsy misy diso.
Iza no efa nandainga ? Ny tian’i Jesoa ankatoavintsika dia ny tsy handainga intsony. Tsy afaka manao lainga masina izany. Isika dia tsy mankalaza ny fetin’ny lainga (1° avril).
Tantara kely : Nilalao baolina i Badoda sy Koto kanjo voadonan’ny baolina ny varavarankelin’olona ka vaky ny fitaratra dia lasa nandositra izy roalahy. I Badoda tsy nivaky saina fa lasa nilalao ny telefaon’ny dadany, i Koto kosa tsy nahazo aina mihitsy, tsy mandry saina ka nivavaka. Tsy naharitra izay ka nandeha tany amin’ilay tompon-trano nitolo-tena sy nifona. Nahafaly ilay tompon-trano, izay mpampianatra Sekoly Alahady, ny nataon’i Koto. Nasainy nody i Koto ary nitantara tamin’ny reniny. Zaza manana ny Fanahy Masina izy.

Fetin’ny Reny androany koa nasaina hiteny izao manaraka izao amin’i Neny ny ankizy : «Neny ô ! Tiako be i Neny. Tsy handaingalainga intsony aho manomboka androany».
Dia naverina arak’izao ny Ohabolana 4. 24 : «Esory amiko ny vava mandainga, Ary ampanalaviro ahy ny molotra mamitaka.»

Toriteny

«Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina» no lohahevitra banjinina.

Manao ahoana moa ny asan’ny Fanahy Masina ?

Araka ny Perikopa dia hatsiarovana ny TRINITE izay Andriamanitra tokana fa miseho amin’ny endrika telo izao.
Norasain’ny Mpitandriana ny Romana 15. 14-21. Endrika amin’ny ampahany vatsim-panahy sy ampahany fampianarana no nitondrany ny hafatra.

Raha hiverenana ny lohahevitra, hoy izy, mampametram-panontaniana hoe : Iza ny Fanahy Masina ? Inona ny Fanahy Masina ? Misy boky nosoratan’ny mpanoratra Alain Max Chevalier mitondra ny lohateny hoe « Le nouveau souffle de Dieu » miresaka sy manazava momba ny Fanahy Masina sy ny asan’ny Fanahy Masina. Ny boky dia mitarika ny hahafantarana be be kokoa fa ny Soratra Masina irery ihany no tena ampiorenana ny finoana.

PARAKLETO (teny Grika) no ilazana ny Fanahy Masina izay nampanantenain’i Jesoa Kristy fa hirahin’Andriamanitra ho an’ny mpianany sy ny mpino rehetra :

1)- Mpitari-dalana ny mpanompony :
Ny endrika telon’ny Trinite dia :
-Andriamanitra Ray : mpamorona.
-Andriamanitra Zanaka : mpamonjy.
-Andriamanitra Fanahy Masina : mpitarika.
.mitarika ny tsy ao mba ho ao.
.mitarika ny efa ao ka rehefa irahina dia mitarika amin’ny lalana toky hizorana.

Hita ao amin’ny Romana 15. 16. Rehefa hitory i Paoly dia ny Fanahy Masina no mitari-dalana azy. Nirahin’Andriamanitra hitory amin’ny jentilisa izy, izany hoe ireo tsy jiosy. Ny Fanahy Masina no mitarika azy amin’ny lalana tokony hizorany, ny Fanahy Masina no mitari-dalana hoe mandeha ary sy ary (And. 19, 20).

2)- Mpanolo-tsaina sy mampahatsiaro sy mampahatsiahy :
Mitarika antsika hahalala ny sitrapon’Andriamanitra ary mahay manavaka izay ankasitrahan’Andriamanitra.

Rehefa mamaky Baiboly dia tsy maintsy mivavaka aloha, mangataka ny Fanahy Masina, «Parakleto» izay fitarian-dalan’ny Fanahy Masina hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Jesoa Kristy niteny tamin’ny mpianany fa rehefa lasa Izy dia ny Fanahy Masina no hampahatsiahy, ary izay lazain’ny Soratra Masina ihany no ampatsiahiviny (Jaona 14. 25-26). Ny Baiboly mantsy dia afaka vakiana fotsiny amin’izao angalana ohatra maro izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

3)- Mpampahery :
2Timoty 1. 13-14 : tamin’ny Batisa no noraisina ny Fanahy Masina ary mitoetra ao amintsika dia mampahery. Tsy amin’ny asa fanompoana ihany no mampahery ny Fanahy Masina fa amin’ny fiainana andavanandro ihany koa.

Teo amin’ny fiainan’i Joba, Andriamanitra tsy nanafoana an’i satana fa nampahery. Asan’ny Fanahy Masina izany.

Mandalo zavatra maro ny kristiana : fasahiranana, fahoriana, aretina… fa ny asan’ny Fanahy Masina mamphery azy no mampitraka azy.
Amin’izao fetin’ny reny izao dia maro ny reny mandalo ny sarotra. Fa ny Fanhy Masina no mamphery azy ireo.

Ny Fanahy Masina (PARAKLETO) dia :
– Mpitari-dalana amin’ny tokony hizorana.
– Mpanolo-tsaina mampahalala ny sitrapon’Andriamanitra.
– Mpampahery amin’ny atrehina rehetra.

Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra, fa ho amintsika kosa ny asan’ny Fanahy Masina.

Asa Vavolombelona

1.- Batisa : ny zaza Andriamasinoro Mahaliana Mélodie.

2.- Fankalazana ny fetin’ny Reny. Ny VMFP sy ny SLK no nanatanteraka izany.
Ny Teny natolotra : «Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.» Mpitsara 5. 24
Notolorana lahateny sy hira koa ary nizarana fahatsiarovana ho sombim-pifaliana ny Reny rehetra.
Natao ny vavaka ary nandray fitenenana fisaorana ny renin’ny Fiangonana, Ramatoa Rakotomanana Andy.

Tenin’ny Mpitandrina

– Niarahaba manokana ny Reny ho vehivavy ambinina sy tarihin’ny Fanahy Masina.
– Nampahatsiahy fa tsy eto an-toerana ny Vokovoko Manga sy Rantsana Fanantenana ary ny Vondrona Fototra Laika fa manatanteraka fitoriana Filazantsara any amin’ny FJKM Antoby Avaratra Fiainam-baovao.
– Nanentana ny amin’ny fotoam-bavaka tanterahina isaky ny zoma hariva eto amin’ny Fitandremana.

Nisy Asa sy fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Rakotondrabe Manjaka sy ny SMZM

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Randriamasimanana Antenaina

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Ramahery Yves

Naka sary

Naka sary

Ramiadamanana Lovatiana Josian

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Rajaofetra Voahangy

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →