ALAHADY IVOM-BOKATRY NY SAMPANA DORKASY
ALAHADY FAHAROA MANARAKA NY PASKA
« MPANDRESY NY TOMPO »
Alahady 12 Aprily 2026
Lioka 24. 5b
«Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?»

Fiantsoana sy Fiderana
Alahady faharoa manaraka ny Paska iandrandran’ny mpino ny fandresena. Alahady natokan’ny Foibe FJKM hitondrana amim-bavaka ny sampana Dorkasy manerana ny sahan’ny FJKM.
Ivom-bokatry ny sampana Dorkasy eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena. Alahady faharoa amin’ny volana aprily, mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe « Mpandresy ny Tompo ».
Ny Sampana Dorkasy no nisahana ny fanompoam-pivavahana. Raharisata Lalanirina, Filoha, no nitarika. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Famakiana ny Soratra Masina
Ny Perikopa voalahatra : Ohabolana 14. 1-3 ; Lioka 8. 43-48 ; I Jaona 5. 4-5.
Ny Diakona Rakotondramboa Hanitra sy Rakotonarivo Domoina no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra masina.
Ny Sampana Taniketsa (STAF) no nanao anjara hirany: “Hanambara”.
Taorian’ny tatitr’asa sy ny tatitra avy amin’ny Foibe Dorkasy dia nanao ny anjara hirany ny sampana Dorkasy : “Malalany ianao”.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rafidison Fara, no tompon’anjara ary nitondra ny fampianarana.
Ny Lioka 24. 5b-6a, no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“Nahoana ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?”
Niara-niredona ny hira FF 26 ny ankizy sy ny tanora ary ny sampana Dorkasy, rehefa izany.
Toriteny

Tao amin’ ny Filazantsara I Jaona 5. 4-5 no nakan’ny Mpitandrina ny hafatra. Andinin-tSoratra Masina manambara fa ny ady tsy afaka misaraka amin’ny mpandresy.
Araka izany Iza ary no atao hoe : «Mpandresy»? ary inona ilay ady natrehany ?
Ny fiainana dia ady : misy fahoriana, aretina, fifandirana, ary zava-tsarotra maro samihafa. Kanefa tsy ady fotsiny no misy, fa fandresena koa. Ary ny Baiboly dia manambara mazava fa misy olona antsoina hoe mpandresy.
I – Ny mpandresy dia izay naterak’Andriamanitra
Hoy ny Soratra Masina: “Izay rehetra naterak’Andriamanitra no mandresy izao tontolo izao.” I Jaona 5. 4
Ny “izao tontolo izao” dia tsy ny hita maso ihany, fa koa ireo hery rehetra manohitra: ota, fahoriana, asan’ny devoly, ary ady ao an-tsaina sy fanahy.
Koa iza ary no mandresy izany? Izay rehetra naterak’Andriamanitra, izany hoe efa nandalo fahateraham-baovao.
Araka ny voalaza ao amin’ny II Koritiana 5. 17, izay ao amin’i Kristy dia olom-baovao.
Ary hoy i Jesoa tamin’i Nikodemosy (Jaona 3. 3-5) : “Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy hahita ny fanjakan’Andriamanitra.”
Izany fahateraham-baovao izany dia fiovam-po marina (metanoia) : fiainana vaovao, saina vaovao, fanahy velona. Rehefa teraka indray ianao dia efa ao anatin’ny fandresena.
II – Ny mpandresy dia izay mino an’i Jesoa Kristy
Hoy ny teny: “Iza no mandresy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak’Andriamanitra?” (I Jaona 5. 5).
Ny finoana (pistis) dia tsy teny fotsiny, fa :
✔️ mandray an’i Jesoa ao am-po,
✔️ mamela Azy hiasa,
✔️ ary mampiseho izany amin’ny fiainana.
Toy ny hoe : Raha mino rano ianao dia misotro azy.
🔥Raha mino an’i Jesoa ianao dia miaina araka Azy.
Ny finoana marina dia miteraka : fitiavana an’Andriamanitra, fankatoavana,
ary fiainana miova.
Famaranana :
Koa iza ary no mpandresy?
✔️ Izay naterak’Andriamanitra
✔️ Izay mino fa Jesoa no Zanak’Andriamanitra
Ry havana, raha ao amin’i Kristy ianao dia tsy resy, fa mpandresy sahady. Na misy aza ny ady, dia tsarovy: ny fandresena dia avy amin’ny Tompo.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen.
Ny tondrozotran’ny Fiangonana
“Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny Finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. Jakoba 2. 22
“Ary izaho kosa haneho Aminao ny finoako amin’ny asako” Jakoba 2. 18b.
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga
Harentsoa Rova

Nikirakira fafana
Rabiazamaholy Mahery

Fanamafisam-peo
Andriamahatana Rija

Naka sary
Andriamampianina Faneva

Nandray an-tsoratra
Raoliarizaka Bakoly
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →








































