Isaia 41. 10a

«Aza matahotra ianao fa momba anao Aho»

Fiantsoana sy Fiderana

Alahady fahatelo manaraka ny Paska. Alahady fahatelo amin’ny volana aprily, mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : « Mpandresy ny Tompo ».

Rakotosalama Deborah , FMKF, no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra.

Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Soratra masina niderana an’Andriamanitra: Salamo 66. 1-4.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Famakiana ny Soratra Masina

Ny Perikopa voalahatra : Deotornomy 28. 7-10; Jaona 11. 41-46; Romana 8. 31–36.
Ny Diakona Ramahery Yves sy Rabearison Bakoly no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra masina.
Ny Sampana Tanora Kristiana (STK) no nanao anjara hira.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Raharitsalama Hantanirina, no tompon’anjara ary nitondra ny fampianarana.

Ny Isaia 41. 10a no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“Aza matahotra ianao fa momba anao Aho”

Toriteny

Tao amin’ ny Jaona 11. 41 – 46 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra. Izay andinin-tSoratra Masina milaza ny nananganan’i Jesoa an’i Lazariosy tamin’ny maty. Araka izany dia mpandray anjara roa no hodinihina :

I.- Jesoa Kristy
II. – Ny Jiosy sy ny vahoaka

• I.- Jesoa Kristy
o Jesoa Kristy MISAOTRA (Jaona 11. 41) :
– Fisaorana : na inona na inona mitranga dia tokony hatao laharana voalohany ny misaotra.

o Jesoa Kristy MIASA ( Jaona 11. 43) :
– Rehefa avy nisaotra i Jesoa dia nanangana an’i Lazariosy (fanomanana ny amin’ny asa hataon’i Jesoa).
– Fanehoana fa ny fahafatesana dia fahavalo efa resy.

o Jesoa Kristy MPAMONJY (Jaona 11. 44) :
“Vahao izy, ka avelao handeha…”
– Indroa ihany i Jesoa no miteny izany ao anaty Baiboly.
– Luo (grika): famahana ny amin’ny fangejana, fatotra sy jaly.
– Jesoa Kristy irery ihany no afaka mamaha ny olana sy ny fatotra ary ny geja rehetra.

• II.- Ny Jiosy sy ny vahoaka :
Eo anatrehan’ny asan’ny Tompo dia misy karazana vahoaka roa :
o Vahoaka mino (Jaona 11. 45) :
– Mahatsapa ny asany, mino ary miorim-pinoana.

o Vahoaka sosotra (Jao.na 1. 46) :
– Raha ny fandalinana dia olona tsy faly fa vao maika tezitra ny amin’ny fahitana ny asan’i Jesoa.

Fanontaniana : Iza amin’ireo sokajy ireo no misy antsika ?

An’Andriamanitra irery ny Voninahitra, Amen !

Asa Vavolombelona

Fanoloran-jaza : Ratiarison Chloé Iriniaina.

Fanekena Mpiandraikitra sy Fanolorana Tonia an’ny SAMPATI.
Fanirahana Mpitory Filazantsara amin’ny Tafika Masina ny 1-3 mey 2026.

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Ranaivoson Jacky – Irimanana Eninkaja

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Ravelojaona Harentsoa

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Harentsoa Rova – Rabemananoro Jonathan

Naka sary

Naka sary

Rakotoarisoa Falimandimby

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Ravelojaona Harentsoa

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →