Apokalypsy 2. 26

«Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny jentilisa;»

Fiantsoana sy Fiderana

Alahady farany amin’ny volana aprily, izay hamaranantsika koa ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : « Mpandresy ny Tompo ».

Rakotoarimanitra Narindra , STKZo, no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra.

Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Soratra masina niderana an’Andriamanitra: Salamo 95. 1-5.
Ny Fanekem-pinoana no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Famakiana ny Soratra Masina

Ny Perikopa voalahatra : Dan. 3. 24-30; Mat. 14. 24-33; Apo. 2. 24–29.

Rakotoseheno Solofo sy Razanarivelo Georgette Laure no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra Masina.

Ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly (RFF) no nanao anjara hira.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Ratiarison Vall, mpampianatra K2, no tompon’anjara ary nitondra ny fampianarana.

Ny hira 212:1 no noredonin’ny fianakaviamben’ny Seloly Alahady. Ny Joba 19. 25a ” Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy.”, niampy ny tantaran’i Bezo sy ny namany no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona. Tsara ny mivavaka sy mifikitra amin’Andriamanitra, tsara ny mankatoa mba ho mpandresy isika.

Toriteny

Ny amin’ny fandresen’i Kristy no nombanjinina nandritra izay iray volona izay.

Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy nosoratan’i Matio 14. 24-33 izay milaza ny famonjen’i Jesoa Kristy ny mpianany teo ambonin’ny sambo kely teny ampovan-dranomasina. Tsara ihany ny mahafantatra fa hita koa izany ao amin’ny Marka 6. 47-56 (synoptika) sy Jaona 6. 16-21 (Johanika).

Fanamarinana roa no ambaran’ny Tompo amintsika ho hafatra sy vatsim-panahy :

1. Mpandresy ny Tompo ka voafehiny avokoa ny zavatra rehetra, And. 24-26.

– Mandeha ambonin’ny rano i Jesoa.
Tsy voafehin’ny lalan’ny olombelona ny Andriamanitsika, Izy no mifehy ny zava-boahary, ny lanana rehetra.
Ny olona no fehezin’ny lalan’ny zava-boahary, fatorany tsy ho afaka mihintsy.
– Miteny ny Tompo dia mitsahatra ny rivotra.
– Mampitony ny ranomasina manonja Jesoa. (Marka 4. 35-40)
Ny finoanao an’Andriamanitra no mitarika anao ho mpandresy.

2. Mampandresy antsika, manome antsika toky sy mampa-hery antsika ny Tompo, And. 27.

– Matokia, aza matahotra.
– Mamonjy sy mapandresy antsika ny Tompo na dia mihaotra sy feno fanahiana ianao. And. 30-31.
Ny fiainanao be olana, mandalo sedra, mandalo zava-tsarotra, fa manome toky hatrany ny Tompo, matokia, aza matahotra Izaho ihany ity. Mpandresy ny Tompo, ary te-hampandresy anao Izy. Mitarika anao ho mpandresy ary mitondra anao amin’ny fandresena.

Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra, fa ilay Tompo hampandresy antsika amin’ny manontolon’ny fiainantsika. Amen

Asa Vavolombelona

1.- Batisa : ny zaza Andriamasinoro Mahaliana Mélodie.

2.- Fankalazana ny fetin’ny Reny. Ny VMFP sy ny SLK no nanatanteraka izany.
Ny Teny natolotra : «Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.» Mpitsara 5. 24
Notolorana lahateny sy hira koa ary nizarana fahatsiarovana ho sombim-pifaliana ny Reny rehetra.
Natao ny vavaka ary nandray fitenenana fisaorana ny renin’ny Fiangonana, Ramatoa Rakotomanana Andy.

Tondrozotra

“Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny Finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. Jakoba 2 : 22
“Ary izaho kosa haneho Aminao ny finoako amin’ny asako”
Jakoba 2 : 18b

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Raharinoa Fenitra sy Harentsoa Rova

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Rakotondramboa Andry

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Rabemananoro Jonathan

Naka sary

Naka sary

Ravelojaona Harentsoa

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Raoliarizaka Bakoly

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →