ALAHADY FAHAEFATRA MANARAKA NY PASKA
ALAHADY VOALOHANY AMI’NY VOLANA MEY
« MIASA AO AMIN’NY MINO NY FANAHY MASINA »
Alahady 03 Mey 2026
2 Timoty 1. 13-14
«Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany»

Fiderana
Alahady fahaefatra manaraka ny Paska. Alahady voalohany amin’ny volana may, ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy vaovao hoe « Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina ».
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika sy nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Famakiana ny Soratra Masina
Ny Perikopa voalahatra : 2 Tantara 15. 1-2 ; Matio 12. 18-21 ; ITesaloniana 1. 1-5.
Ny Diakona Mitsoa Rambeloson sy Rasolonjanahary Fidy no nifarimbona tamin’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra Masina.
Ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hirany.
Nisy ny fitondrana amim-bavaka ireo mpianakavin’ny finoana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahana volana aprily. Ny Jaona 1. 12 – Asan’ny Apostoly. 1. 8 no andini-tSoratra Masina niarahabana azy ireo. Niarahana niredona tamin’ny Fiangonana ny hira FF 7 taorian’izay.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Ramatoa Rakotomanana Andy, no tompon’anjara ary nitondra ny fampianarana.
Ny Salamo 34. 14, no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“Halaviro ny ratsy, manaova soa, mitadiava fihavanana, ka araho izany”.
Tantara mahakasika ny mpianatra tratra ilay hoe “harcèlement scolaire” any amin’ny sekoly misy azy no nangalana ny hafatra. Fampijaliana na fanasorenana mihatra matetika amin’ny mpianatra iray na maromaro izy io. Miverimberina ary mampijaly ny saina sy vatana ary fanahy. Ohatra amin’izany ny fanesoana, fanilihana, fandrahonana, fampitahorana, herisetra na daroka ary eo ko any fanaratsiana amin’ny tambazotra sosialy. Rehefa iharan’io ny mpianatra dia malahelo sy kivy, matahotra handeha hianatra, tsy mahatoky tena intsony ary mety hiharatsy ny fianarany. Tantaran’i Jao sy Tiana tany am-pianarana no nakana lesona. I Jao izay nampijaly an’i Tiana. Sendra olana anefa i Jao taty aoriana ka i Tiana indray no nanavotra azy. Nisaotra sy nifona tamin’i Tiana izy ary nilaza fa tsy hampijaly an’i Tiana intsony. “Tsy mitana alahelo aminao intsony aho” hoy i Tiana, namako foana ianao, dia nifamihina izy roalahy.
Hafatra telo no azo tsoahina :
– Tsy tsara ny maneso, na manilika, mikasi-tanana na manao izay mampalahelo namana;
– Ny tena hery dia tsy ny manao herisetra na miteny mandratra, mampitahotra namana fa ny manampy ny hafa;
– Ny toetra ratsy dia miteraka loza.
Fampiharana izany eo amin’ny fiainantsika, andao ary isika :
– Hijery ny hafa toy ny tenantsika;
– Tsy haneso na hanilika namana;
– Hisafidy fitiavana fa tsy herisetra.
Toriteny

Tao amin’ ny Filazantsara I Tesaloniana. 1. 1-5 no nakan’ny Mpitandrina ny hafatra.
Ary nampifandraisina amin’ny lohahevitra “Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina”. Tsy nomena fotsiny ny Teny fa ny Fanahy Masina ihany koa.
Inona anefa no asan’ny Teny ao anatin’ny Fiangonana nandray ny Fanahy Masina?
Inona no fiantraikan’ny tenin’Andriamanitra miaraka amin’ny Filazantsara ?
Ny “Mino” eto dia ny Fiangonana izay iasan’ny Fanahy Masina. Ny “Fiangonana” kosa dia fiombonana sy firaisan’ny mpino.
Araka izany, hafatra telo no nasongadina izay manambara fa ny mpino iasan’ny Fanahy Masina dia :
– Mahay misaotra
– Mifampivavaka, mifampahatsiaro amin’ny vavaka, mahay mifanohana amin’ny vavaka
– Mitombo mandrakariva, tsy mitsahatra, tsy miato
1.- Ny mpino iasan’ny Fanahy masina : mahay misaotra.
Hoy ny Soratra Masina: “Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay.” I Tes. 1. 2
Ny mpino no iasan’ny Fanahy Masina. I Paoly eto no mahita ny fandrosoan’ny Fiangonana ary nahay nisaotra an’Andriamanitra. Rehefa mandroso ny Fiangonana dia miroborobo. Ny fanomezam-boninahitra dia natao ho an’Andriamanitra ary Izy no isaorana.
2.- Ny mpino iasan’ny Fanahy Masina: mifampivavaka, mifampahatsiaro amin’ny vavaka, mahay mifanohana amin’ny vavaka.
Hoy ny teny: “sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana”. I Tes. 1. 3a.
Araka ny Kol. 2. 5 :“Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsy fiovan’ny finoanareo an’I Kristy”.
Sy ny Efe. 1. 15-17 : “Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an’I Jesoa Tompo izay hitan’ny olona masina rehetra. Dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako, mba homen’Andriamanitr’I Jesoa Kristy Tompontsika, rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Azy tsara”.
3.- Ny mpino iasan’ny Fanahy Masina: mitombo mandrakariva, tsy mitsahatra, tsy miato.
Hoy ny teny: “…fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an’I Jesoa Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika”. I Tes. 1. 3b.
“Foi”: finoana “efficace”, fitiavana tena miasa, fanantenana feno toky, tsy manahy na inona na inona. Hoy Jean Calvin:” tsy misaraka ny finoana sy ny andavan’androm-piainana”. Miasa amin’ny fitiavana ny mino.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen.
Tondrozotra
Ny tondrozotran’ny Fiangonana: “Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny Finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. (Jakoba 2. 22) “Ary izaho kosa haneho Aminao ny finoako amin’ny asako”(Jakoba 2. 18b).
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga
Sampana Mpiangaly Zava-Maneno

Nikirakira fafana
Rakotonarivo Vatsy

Fanamafisam-peo
Ramahery Yves

Naka sary
Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra
Raoliarizaka Bakoly
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →











































