Lioka 24. 5b

«Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?»

Fiantsoana sy Fiderana

Alahady faharoa manaraka ny Paska iandrandran’ny mpino ny fandresena. Alahady natokan’ny Foibe FJKM hitondrana amim-bavaka ny sampana Dorkasy manerana ny sahan’ny FJKM.

Ivom-bokatry ny sampana Dorkasy eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena. Alahady faharoa amin’ny volana aprily, mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe « Mpandresy ny Tompo ».

Ny Sampana Dorkasy no nisahana ny fanompoam-pivavahana. Raharisata Lalanirina, Filoha, no nitarika. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra.

Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Famakiana ny Soratra Masina

Ny Perikopa voalahatra : Ohabolana 14. 1-3 ; Lioka 8. 43-48 ; I Jaona 5. 4-5.
Ny Diakona Rakotondramboa Hanitra sy Rakotonarivo Domoina no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra masina.
Ny Sampana Taniketsa (STAF) no nanao anjara hirany: “Hanambara”.
Taorian’ny tatitr’asa sy ny tatitra avy amin’ny Foibe Dorkasy dia nanao ny anjara hirany ny sampana Dorkasy : “Malalany ianao”.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rafidison Fara, no tompon’anjara ary nitondra ny fampianarana.

Ny Lioka 24. 5b-6a, no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“Nahoana ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?”

Niara-niredona ny hira FF 26 ny ankizy sy ny tanora ary ny sampana Dorkasy, rehefa izany.

Toriteny

Tao amin’ ny Filazantsara I Jaona 5. 4-5 no nakan’ny Mpitandrina ny hafatra. Andinin-tSoratra Masina manambara fa ny ady tsy afaka misaraka amin’ny mpandresy.
Araka izany Iza ary no atao hoe : «Mpandresy»? ary inona ilay ady natrehany ?

Ny fiainana dia ady : misy fahoriana, aretina, fifandirana, ary zava-tsarotra maro samihafa. Kanefa tsy ady fotsiny no misy, fa fandresena koa. Ary ny Baiboly dia manambara mazava fa misy olona antsoina hoe mpandresy.

‎‎I – Ny mpandresy dia izay naterak’Andriamanitra

‎‎Hoy ny Soratra Masina: “Izay rehetra naterak’Andriamanitra no mandresy izao tontolo izao.” I Jaona 5. 4
‎Ny “izao tontolo izao” dia tsy ny hita maso ihany, fa koa ireo hery rehetra manohitra: ota, fahoriana, asan’ny devoly, ary ady ao an-tsaina sy fanahy.

‎Koa iza ary no mandresy izany? Izay rehetra naterak’Andriamanitra, izany hoe efa nandalo fahateraham-baovao.

‎Araka ny voalaza ao amin’ny II Koritiana 5. 17, izay ao amin’i Kristy dia olom-baovao.
‎Ary hoy i Jesoa tamin’i Nikodemosy (Jaona 3. 3-5) : “Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy hahita ny fanjakan’Andriamanitra.”
‎Izany fahateraham-baovao izany dia fiovam-po marina (metanoia) : fiainana vaovao, saina vaovao, fanahy velona. ‎Rehefa teraka indray ianao dia efa ao anatin’ny fandresena.

‎‎II – Ny mpandresy dia izay mino an’i Jesoa Kristy‎

‎Hoy ny teny: “Iza no mandresy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak’Andriamanitra?” (I Jaona 5. 5)‎.

‎Ny finoana (pistis) dia tsy teny fotsiny, fa :
‎✔️ mandray an’i Jesoa ao am-po,
‎✔️ mamela Azy hiasa,
‎✔️ ary mampiseho izany amin’ny fiainana.

‎Toy ny hoe : Raha mino rano ianao dia misotro azy.
‎🔥Raha mino an’i Jesoa ianao dia miaina araka Azy.

‎Ny finoana marina dia miteraka : ‎fitiavana an’Andriamanitra, ‎fankatoavana,
‎ary fiainana miova.

Famaranana :
‎Koa iza ary no mpandresy?
‎✔️ Izay naterak’Andriamanitra
‎✔️ Izay mino fa Jesoa no Zanak’Andriamanitra

Ry havana, raha ao amin’i Kristy ianao dia tsy resy, fa mpandresy sahady. Na misy aza ny ady, dia tsarovy: ny fandresena dia avy amin’ny Tompo.

‎Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen.

Ny tondrozotran’ny Fiangonana

“Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny Finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. Jakoba 2. 22
“Ary izaho kosa haneho Aminao ny finoako amin’ny asako”
Jakoba 2. 18b.

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Harentsoa Rova

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Rabiazamaholy Mahery

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Andriamahatana Rija

Naka sary

Naka sary

Andriamampianina Faneva

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Raoliarizaka Bakoly

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →