ALAHADY FAHA IV MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADY VOALOHAN’NY VOLANA ANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
«MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA»
Alahady 01 Febroary 2026
1 Timoty 4. 13-16
«Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana… fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.»

Fiderana
Ny Tompo Andriamanitsika dia Andriamanitra tia sy mitahy antsika ka izany no isaorantsika sy iderantsika Azy. Mandia izao volana febroary izao isika satria Izy no nitantana antsika tamin’ny tana-maheriny koa deraina sy ankalazaina ny Anarany Masina.
Lohahevitra vaovao no hobanjinin’ny Fiangonana ao anatin’ity volana febroary ity dia ny hoe : “MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA” .
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Izy rahateo no nitory ny Tenin’Andriamanitra.Ny litorjia voalohany, fampiasa eto anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, no notanterahina .
Nisy ny fiarahabana ireo rehetra izay nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany tamin’ny volana janoary lasa iny. Niisa 64 mianaka izy ireo no tonga nanatanteraka ny raki-pisaorana teo amin’ny alitara masina.
Ny Soratra Masina nentina niarahabana azy ireo dia araka izay hita ao amin’ny Isaia 45. 11 “Izao no lazan’i Jehovah ny Iray Masin’ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany”.
Nanatanteraka vavaka ho azy ireo ny Fiangonana ary rehefa izany dia nanao ny rakitra teny amin’ny alitara izy 64 mianaka.
Famakiana ny Soratra Masina
Mialoha ny vavaka ho an’ny Sotratra Masina dia mbola nohiraina ny hira FF 6 : 1 : “ Ny teninao Jehovah Ray Mahery”
Ny Diakona Rabenandrasana Jaona sy Rabenandrasana Hanitra no nitari-bavaka sy namaky misesy ny perikopa manontolo. Ny Testamenta taloha dia araka izay hita ao amin’ny I Samoela 3. 10-14.
Ny Testamenta vaovao kosa dia araka izay hita ao amin’ny Marka 1. 1-8 sy I Timoty 4. 13-16.
Mialoha ny nirosoana tamin’ny Toriteny dia nohirain’ny Fiangonana ny FFPM 210: 1 “ Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao”.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rajaofetra Eric no nanatanteraka ny fotoana.
Ny 1 Samoela 3. 10d no nanompanany ny hafatra : “ Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao”
Antso ho antsika ity tenin’i Samoela tamin’i Jehovah Andriamanitra ity, ka maniraka antsika kosa, fa indrindra ny tanora, hampianatra ny Tenin’Andriamanitra.
Natao ny vavaka sy ny hira FFPM 772 andininy 1,2 taorian’izany.
Toriteny

Ny Soratra masina araka ny 1 Timoty 4. 13 – 16 no nanompanan’ny Mpitandrina ny Hafatra.
Mibanjina lohahevitra vaovao ny Fiangonana dia ny hoe: ”MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA”.
Ity epistily ity no antsoina hoe Epistily pastoraly. Epistily avy amin’ny Mpitondra Fiangonana iray, omena ireo Mpitondra Fiangonana.
Ho antsika koa anefa ity epistily ity satria na tsy Mpitondra Fiangonana aza isika, dia irak’Andriamanitra hitory ny Filazantsara.
Raha jerena ny firafitr’io andinin-tSoratra masina ao amin’ity perikopa ity dia ny and.13 sy and. 16b no mamehy azy :
“Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana… fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.”
Ny and.14 sy 15 ary 16 kosa dia fomba atao hoenti-manatanteraka ireo and.13 sy 16b ireo.
Ireto ary ny ambaran’ny and.14, 15, 16a.
1.- Tandremo ny finoanao (and.14)
Rehefa nandray ny fanomezam-pahasoavana isika dia tandremo izany.
Ilay fanomezam-pahasoavana tsara indrindra dia tsy iza fa i Jesoa Kristy Izay nomen’Andriamanitra antsika.
Tandremo ny finoana an’izany Jesoa Kristy izany, Izay nomena anao tamin’ny faminaniana.
Ny faminaniana dia ny fitoriana an’i Jesoa Kristy sy ny vaovao mahafaly (Isaia 52:7).
Ny mpaminany dia izay mitondra ny Teny soa mahafaly.
Rehefa nandray an’i Jesoa Kristy isika dia izay no atao hoe nandray ny fahasoavana tamin’ny faminaniana.
Ny Batisa no fametrahan-tanana voalohany raisin’ny mpino; fandraisana ny Fanahy Masina ary koa ho fanadiovana dia ny Batisan’i Jaona na ny batisan’ny fibebahana ahazoana ny famelan-keloka.
Amin’ny Batisan’ny Fanahy Masina dia Andriamanitra no maniraka ny Fanahy Masina amin’alalan’i Jesoa Kristy, ho an’ny olona izay mandray Azy.
Tandremo ary ny finoanao ary mijoroa mandrakariva amin’izay efa noraisinao.
2.- Mikeleza aina hampandroso izany finoanao izany.
– and.15 Mikeleza aina ; mazotoa mianatra mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra. Hevero mandrakariva ny handrosoana amin’ny finoana. Hevero ny asa ateraky ny finoana fa milaza fandrosoana izany.
3.- Mahareta amin’izany finoanao izany (and.16 a)
Tandremo ny tenanao; “faire attention” , “prendre garde”.
Misy ny mpanafika, koa araka izany dia mila mitandrina isika.
Mila miaro tena ary maharitra amin’izany finoana izany.
Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra.
Tenin’ny Mpitandrina
Teo amin’ny filazan-draharaha dia nanentana manokana ny Fiangonana ny Mpitandrina ny amin’ny fiatrehana ny Herinandron’ny Fianakaviana izay tontosaina manerana ny sahan’ny FJKM, manomboka ny alatsinainy faha 9 febroary izao ka hatramin’ny alahady faha 15 febroary 2026.
Ny eto amin’ny Fitandremana moa dia ny alatsinainy 9 febroary, ny alarobia 11 febroary ary ny zoma 13 febroary no hanatanterahina izany.
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nikirakira fafana
Rabako Tovohery

Fanamafisam-peo
Ramahery Yves

Naka sary
Ravelojaona Harentsoa

Nandray an-tsoratra
Rabako Tovohery
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →


































