Ohabolana 3. 5a

«Matokia an’I Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao..»

Fiantsoana sy Fiderana

Alahady natokan’ny Fitandremana Amparibe Famonjena nitondrana am-bavaka ny mpanao raharahan’ny Fiangonana. Alahady faharoa amin’ny volana janoary, mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe « MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO ».

Rakotovololona Malalatiana, Diakona, FMKF, no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry, nitondra ny hafatra.

Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Famakiana ny Soratra Masina

Ny Perikopa voalahatra : Isaia 44. 24-28 ; Jaona 9. 1-7 ; Efesiana 1. 7-14.

Rakotonarivo Hery sy Rakotonarivo Claudia, Diakona, no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra masina.

Ny Sampana Taniketsa (STAF) no nanao anjara hirany: “I believe”.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rakotonarivo Ravaka, mpampianatra ao amin’ny K7, no tompon’anjara.

Ny Ohabolana 3. 5-6, no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“Matokia an’I Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao. Maneke azy amin’ny alehanao rehetra. Fa izy no handamina ny lalanao.”

Niaraka niredona ny hira FFPM 338 ny fianakaviam-ben’ny sampana Sekoly Alahady taorian’ny hafatra.

Toriteny

Tao amin’ ny Filazantsara nosoratan’i Jaona 9 :1-7 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra. Hafatra roa no nasongandina :
-Resaka nataon’ny mpianatra
-Valinteny nataon’i Jesoa

Tondrozotra

“Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny Finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. (Jakoba 2 : 22)
“Ary izaho kosa haneho Aminao ny fioako amin’ny asako” (Jakoba 2 : 18b).

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Fenitra

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Ravelojaona Harentsoa

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Ramahery Yves

Naka sary

Naka sary

Andrianandrasanarinaivo Mihaja

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Raoliarizaka Bakoly

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →