I Korintiana 8. 6a

«Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray.»

Fiantsoana sy Fiderana

Alahady voalohany amin’ny taona 2026. Natao ny fiarahabana ireo Raiamandreny Mpitandrina nifandimby sy ireo Zokiolona 70 taona no miakatra ary ireo nankalaza ny tsingerinandro nahaterahany, ny volana desambra 2025.

Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana. Izy ihany koa no nitory ny Tenin’Andriamanitra.

Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Notanterahina taorian’ny fanompoam-pivavahana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Ny Diakona Rakotovololona Lova sy Rakotovololona Malalatiana no nanao ny vavaka mialoha ny toriteny sy namaky ny Teny.

Ny Perikopa voalahatra dia ny Mpitoriteny 11. 1-8 ; Matio 13. 53-58 ; IKorintiana 8. 1-7.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Ny Jaona 14. 12 « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray.» no nangalana ny fampianarana.

Toriteny

Tao amin’ny I Korintiana 8. 1-7 no nangalana izany.

Andriamanitra no Mpahary. «Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra… » I Korintiana 8. 6a.

Ny fampianaram-pinoana nataon’i Paoly teto dia niantefa tamin’ny Kristiana tao Korinto. Noho ny fandrosoana, ny firoboroboan’ny varotra sy fifamezivezen’ny mpivahiny maro dia nirongatra ny fampianaran-diso tao Korinto.

Nampatsiahy ireo Kristiana i Paoly, fa Andriamanitra dia iray ihany. Izy no nahary izao tontolo izao, tompon’ny hery sy fahefana ary ny tantara. An’Andriamanitra isika ary velona ho Azy. Atolory an’Andriamanitra ny fiainanao ary apetraho eo am-pelantanany, fa aza manana andriamanitra hafa.

Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy « ary iray ihany no Tompo, dia Jesoa Kristy »
I Korintiana 8. 6b. Jesoa dia Tenin’Andriamanitra tonga nofo tamintsika. Izy no Tompontsika sy mpamonjy antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra, Amen!

Asa Vavolombelona

Notanterahina teto ny fiarahabana ireo Raiamandreny Mpitandrina nifandimby : Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry mivady, Raharijaona Solofonirina mivady, Ramatoa Ramino Vololona.

Notanterahina ihany koa ny fiarahabana ireo Zokiolona 70 taona no mihoatra. Niisa 70 tany ho any, ireo nisoratra anarana.

Famaranana sy Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

Niaraha-nanonona voalohany ny Tondrozotran’ny Fiangonana taona 2026 manao hoe :
« Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa. (Jakoba 2:22) ; « ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako. » (Jakoba 2:18b). Amena.

Natolotry ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry ny Tsodrano. Nofaranana tamin’ny vavaka mangina, izany.

Notanterahina taorian’ny fanompoam-pivavahana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Ny
I Korintiana 16. 13-14 : «Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.» no hafatra natolotry ny Mpitandrina tamin’izany.

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Rabiazamaholy Mahery

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Andriamasinoro Nantenaina

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Ramahery Yves

Naka sary

Naka sary

Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Zanaharitsimba Toky

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →