Alahady 07 Desambra 2025

ALAHADIN’NY MPITANDRINA
“MANANTENA AN’ANDRIAMANITRA”
ALAHADY FAHA 21 MANARAKA NY TRINITE


«
…Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.» Jaona 3. 16-21

Ity no alahady voalohany amin’ny volana desambra. Alahady faharoa amin’ny Advento. Ho antsika eto amin’ny fitandremana FJKM Amparibe Famonjena dia manana tombom-pahasoavana manokana isika, fa androany no fotoana natokan’ny Fiangonan’Andriamanitra ho Alahadin’ny Mpitandrina, natao indrindra ho fitondrana amim-bavaka ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry sy ny ankohonany.

Ny Biraom-piangonana no nitantana izao fanompoana masina izao. Rakotomanana Andrimbazotiana no nanatanteraka ny fitarihana ny fotoana.
Lohahevitra fitaizam-panahy vaovao no nobanjinina dia ny hoe : « Manantena an’Andriamanitra»
Ny Mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana Kaleba, Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM, no nantsoina manokana hitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Fanekem-pinoana Apostolika no nanambaran’ny Mpianakavin’ny finoana ny finoany.
Ny litorjia voalohany no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Joba 11. 13-20Jaona 3. 16-21I Petera 1. 17-21.

Robel Hanitra, Biraom-piangonana, no nanao ny vavaka mialoha ny Soratra Masina sy namaky ny Testamenta Taloha. Rakotozafy Franck, Birao ihany koa, no namaky ny Testamenta Vaovao.
Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Nisy ihany koa ny fiarahabana ireo mpianakavin’ny finoana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany.
Teo amin’ny fotoan’ny Asa vavolombelona no nanatanterahina ny fotoana manokana ho fitondrana amim-bavaka sy nanoloran’ny Fiangonana sy ny rafitra rehetra ny tsodrano ho an’ny Mpitandrina mianakavy.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andrianifahanana Felana, Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady, no nanatanteraka ny 5 minitra ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny Jaona 3. 21a : ” Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava”.

Nambara ary fa raha manana an’i Jesoa ao am-pontsika isika dia Izy no hanaisotra ny maizina ary hanome ny fahazavana ho antsika ary handraisantsika ny fiainana mandrakizay.

TORITENY

Nampahatsiahivin’ny Mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana Kaleba ny maha alahady natokana ho fitondrana amim-bavaka ny Mpitandrina mianakavy eto amin’ny fitandremana ity androany ity.

Noraisiny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy araka ny Jaona 3. 16-21, hitondrana ny hafatra ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra.
Araka ny filazan’ny mpandinika ny Soratra Masina dia ity Jaona 3. 16 ity no natao hoe « Baiboly kely » satria mahafaoka izay ambaran’ny Baiboly iray manontolo.

Notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao.
Mampahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny fahariany izao tontolo izao, ity perikopa ity.
Ny nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany dia ny olombelona.
Rehefa nahary ny olombelona Andriamanitra, dia tsy tahaka ny nahariana ny zavaboaary rehetra, fa vovotany no novolavolainy, nosahiranany manokana, ary nofofoniny fofon’aina mahavelona, hanana fanahy, nohariana hanana fifandraisana amin’Andriamanitra.
Nanota ny olombelona, nanohitra ny Tenin’Andriamanitra ny olona. Ny mahatonga ny olona hanota dia te hihevitra ny tenany hahavita zavatra, tsy te hiankina amin’Andriamanitra ka nitady feo hafa ivelan’Andriamanitra.
Vokatr’izany dia noesorina niala tao amin’ny fahasambarana nisy azy, ny olombelona.
Rehefa niala tao izy, dia nahatsiaro menatra, niafina ny tavan’Andriamanitra.
Rehefa nanota ny olona, dia simba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra.
Niafina sy nankany amin’ny maizina. Endriky ny fahotana ny fifanomezan-tsiny, ny tsy fandraisana andraikitra.

Tsy foin’Andriamanitra ho very izao tontolo izao.

Nofidian’Andriamanitra ny firenen’Isiraely, hamerenana indray ilay fifandraisan’ny olombelona amin’Andriamanitra. Nalefany ny mpaminany ; eny, nomeny mihitsy ny Zanany lahy Tokana. Andriamanitra tonga olombelona, mahalala ny manjo ny olombelona, ho famonjena antsika.
Andriamanitra tonga nofo, maty teo amin’ny hazo fijaliana, mba tsy hiatra amintsika, izay nanota, ny fitsaran’Andriamanitra marina, fa ny vokatry ny fahotana dia fahafatesana mandrakizay ; kanefa dia nampiharina tamin’ny zanak’Andriamanitra izany. Izany no fitiavana lehibe nomen’Andriamanitra ho antsika.
Mila mibanjina ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy, izay te ho voavonjy, noho ny fahotany.
Izay ny hoe « mba tsy ho very izay rehetra mino Azy. »
Ahoana ny hoe mino na mibanjina ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy ?
Ny atao hoe mino, dia manana fandresen-dahatra tsy azo hozongozonina. Jesoa no nirahina hitondra famonjena, hanafaka ny olona amin’ny fahotana. Ny fanehoana ny finoana no naseho tamin’ny fanehoana fiombonana sy fanolorantena ho an’i Kristy. Mankato ny Tenin’i Kristy. Miaina fiombonana vaovao ao amin’i Kristy, toa izay nitranga tamin’ny fiorenan’ny Fiangonan’Andriamanitra voalohany.

Hanana fiainana mandrakizay.
Milaza hatsaram-piainana, fiainana ao amin’Andriamanitra, fiainana miaraka amin’Andriamanitra, feno fiadanana, santarina dieny mbola ety an-tany.
Tafaray amin’Andriamanitra ny olona.
Tsy hoe tsy misy intsony ny olona, saingy maharesy izao tontolo izao. Ny fiadanako no omeko anareo, hoy ny Tompo.
Izay mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina dia mahita fiadanana.
Ao amin’ny Fiangonana, izay anjakan’ny Fanahy Masina, no misy ny fiadanana.
Fanontaniana iray no hapetraka : Hita ve ny maha iray ny Fiangonana ?
Rehefa mibebaka ny olona dia miaina ny fiainana mandrakizay.

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen!

ASA VAVOLOMBELONA
IREO TOMPON’ANJARA
Rakotondrabe Manjaka
Nitendry orga

Randriamasimanana Andrinavalona
Nikirakira ny fafana

Rajaofetra Cédric
Nikirakira fanamafisam-peo

Ramahery Hasina
Naka sary

Rabako Tovohery
Nandray an-tsoratra