Alahady 30 Novambra 2025

IVOM-BOKATRY NY FMKF
“MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO”
ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY ADVENTO


«
Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.» Apokalypsy 3. 11

Alahady farany amin’ny volana novambra ity alahady ity, ary koa famaranana ny fibanjinana ny lohahevitra hoe « Mahandrasa, ho avy ny Tompo ». Alahady voalohany amin’ny Advento izay iomanana amin’ny fihavian’ny Mesia.

Fotoan-dehibe noho ny fankalazana ny ivom-bokatry ny Fikambanan’ny Mpitoriteny sy Katekista ary vita Fiofanana (FMKF).
Nandray vahiny ny teto amin’ny Fitandremana : ny Katekista Delege Mamindrainy Rovantsoa avy any amin’ny FJKM Antoby Avaratra Fiainam-baovao, Fiangonana miara-mandroso amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Izy no nanatanteraka ny Fanoloran-jaza sy ny Batisa, nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano. Tsy teo an-toerana ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry noho ny fanatrehany ny fanokanana ho Mpitandrina an-dRamilison Diamondra, any amin’ny FJKM Ambohitsimiady, faritra Mangoro, miaraka amin’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.

Ny Litorjia endriny fahatelo no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana Apostolika, laharana voalohany, no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Rabenasolo Rija no nitarika ny fotoana ary Rakotozafy Franck no nitory ny Tenin’Andriamanitra.

Rabenahy Mahaly no nivavaka mialoha ny namakiany ny Testatamenta Taloha, Ralalaharivony Hanta Yvonne kosa no namaky ny Testamenta Vaovao.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Salamo 75. 1-10 ; Lioka 21. 12-19 ; Apokalypsy 3. 7-13.

Samy mpikambana ao amin’ny FMKF avokoa ireo tompon’anjara ireo.
Nanao ny tatitr’Asany ny FMKF. « mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. » (2 Tim. 4. 2) Izany no Tena nentiny teo am-piandohana. Rehefa dia noredonina niaraka tamin’ny Fiangonana ny hira «Andriamanitra tsy mandao».

Ny Rantsana Fanantenana no nanana anjara hira taorian’ny toriteny.

Nisy Asa sy Fampaherezana fanompoam-pivavahana noho ny maha alahady fahadimy.

TENIN’NY KATEKISTA DELEGE

Nanao ny teny fisaorana izy sy tatitra fohy mahasika ny enim-bolana faharoa nanombohana ny asa tany amin’ny FJKM Antoby Avaratra. Ny Sampana Sekoly Alahady, hoy izy, no namaky lay ary avy eo nisy ny AFF, ny Fifohazana, ny SAMPATI…
Namaly vavaka Andriamanitra fa raha tafo 120 no nilaina dia nentin’ny FJKM Amparibe Famonjena izany. Mbola betsaka ireo asa miandry amin’ny taona 2026.
Misaotra an’Andriamanitra amin’ny fanohanana lehibe ataon’ny FJKM Amparibe Famonjena.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ramanandraibe Ravosson Haingo, Mpampianatra K8, no tompon’anjara.

Ohabolana 29 : 11 « Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo ». Izany Teny izany no nitondrany ny fampianarana sy hafatra.
Tantara : I Solo dia tovolahy manahirana fa mora tezitra. Nisy fety tao an-trano ka nikarakara lasopy izy. Ny namany kosa nanao mofo. Sendra voadona ny lafarina ka raraka tao anaty lasopy. Tena tezitra mafy i Solo ka naongany ny vilany dia hoy izy hoe « aleo tsy misy hihinana any ! ». Rava ny fety. Mampalahelo, raha mba nanindry fo i Solo dia tsy rava ny fety, tsy sahirana nanadio trano ny ampitso. Nampahatsiahy ny Teny tao amin’ny Oha. 29 :11 ary nivavaka mafy.
Herinandro taty aoriana dia gaga ny ray aman-drenin’i Solo fa nanjary tsy mora tezitra izy, miramirana sy falifaly. Nisy dite raraka mantsy ka hoy izy hoe « fafana fotsiny io ».
Napetraka ary ny fanontaniana tamin’ny ankizy hoe « Inona no tiantsika ? adala sa hendry ? »
Ny hendry dia mahay manindry fo, mandefitra. Koa mila mivavaka. Mampilamina sy mahasambatra izany.

TORITENY

«Mahandrasa, ho avy ny Tompo»
Ny Apokalypsy 3. 7-13 no nangalana ny toriteny ka ny And. 10, 11 sy 12 no noraisina manokana nakana ny hafatra.

1)- And. 10 : Miaro anao Izy raha manam-paharetana ianao
« Persévérance » no dikan’ny faharetana. « Persévérer, c’est continuer sans se décourager ».
Isika kristiana dia manohy hatrany ny fiarahana amin’ny Tompo, tsy kivy. Miaritra sy maharitra no toetra takian’ny Tompo amin’ireo miara-dia Aminy. Raha manana izany ianao dia miaro anao Izy.
Voasoratra ao amin’ny And. 10b hoe « …hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany». Ny andro fakam-panahy dia ny androm-pahoriana. Ny fizahan-toetra dia fitsapana tsy maintsy hiaretana amin’ny faharetana. Mila ny fiarovan’Andriamanitra isika.
Tsy enta-mavesatra ny hazofijalian’i Kristy fa mitondra soa. « Ento ny ziogako, ka mianara Amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Mat. 11. 29-30). Tokony hanana faharetana eo am-piandrasana ny fihavian’ny Tompo isika.
Ny fiaretana dia fahatsaram-panahy voazaha toetra. Izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena.

2)- And. 11 : Aza avotsotra ny fandresena
Rehefa miaritra fahoriana, fakam-panahy dia fandresena izany. Tsy misy fandresena raha tsy misy ny ady. Ny zava-panahy dia tsy mora eto amin’izao tontolo izao. Ao amin’ny Tompo ny fitaovam-piadiana. Ny aretina ara-panahy dia sitrana rehefa manana ny Fanahy Masina. Izay manana ny Fanahy Masina dia manana ny vokany. « ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. » (Gal. 5. 22-23). Anananao ve izany? Raha anananao dia tano mafy, aza avotsotra ny fandresena. Fa raha tsy anananao kosa dia angataho amin’ny Tompo. Mifamatotra amin’ny fahateraham-baovao, amin’ny finoana ny fandresena. « Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. » (1 Jao. 5. 4) Andriamanitra manome fandresena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay nandresy ny fahafatesana.

3)- And. 12 : Lehibe ny valim-pitian’ny mpandresy
« Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro, » (Apo. 3. 12a)
Azonao an-tsaina ve fa raha mpandresy hatrany dia ataon’i Jesoa Kristy andry ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra? Ny andry dia toerana feno fahefana sy fahamendrehana. Izany no valim-pitia ho an’ny mpandresy. « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako» (Apo. 3. 21a). Mpiray lova amin’i Jesoa Kristy izany isika, omeny toeram-boninahitra tsy takatry ny saina. Tsy mahagaga raha hoe « Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; » (Mat. 5. 12). Mila manana « statut » maha mpandresy vao afaka manantena valim-pitia. Manana izany ve ianao ?
Tsy zarazaraina amin’ny rehetra ny valim-pitia fa mila mendrika. Mandinika anao Andriamanitra.
Mila miomana eo am-piandrasana ny fihavian’ny Tompo. Mahery ny filan’ny nofo sy ny fakam-panahy. Efa nomena ny fahefana rehetra handresy, isika koa aza manaiky resy.

Fehiny : Mahandrasa fa ho avy ny Tompo. Manàna faharetana ary tano mafy ny fandresena. Miomana fa handray valim-pitia tsy takatry saina.
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana » (Apo. 3 : 13)

FANOLORAN-JAZA

Andriamizakason Aaron Miaro sy Razakariasy Sombiniaiko Jonathan.

ASA VAVOLOMBELONA

Zaza telo no natao Batisa :
Razafimandimby Tsikinirina Athena, Miantso Andrianalimanana Hasintsoa Ifaliana sy Miantso Andrianalimanana

IREO TOMPON’ANJARA
Rakotondrabe Manjaka sy Raharinoa Fenitra
Nitendry orga

Randriamasimanana Antenaina
Nikirakira ny fafana

Rabemananoro Jonathan
Nikirakira fanamafisam-peo

Ramahery Hasina
Naka sary

Rajaofetra Voahangy
Nandray an-tsoratra