ALAHADIN’NY ZANAKA AM-PIELEZANA (FIZAAF)
“MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO”
FANOKAFANA NY TAON-JOBILIN’NY RANTSANA FANATANJAHANTENA SY FIALAMBOLY (RFF)
«Fa Jehovah no avo indrindra» Salamo 47. 2a
Alahady fahaefatra amin’ny volana novambra, mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Mahandrasa ho avy ny Tompo”.
Alahady ivom-bokatra sy niarahana niombom-bavaka tamin’ny Fikambanan’ny Zanaka Am-pielezana eto amin’ny Fitandremana, ka nanatanterahany ny fotoana.
Alahady nanokafan’ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly ny taon-jobily, 25 taona.
Razanakolona Saholinirina, Filohan’ny Fikambanan’ny Zanaka Am-pielezana, no nitarika. Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Salamo 47. 6-9 no nentina nidera an’Andriamanitra.
Ny Fanekem-pinoana fahaefatra no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra : Mika 7. 7-10 ; Lioka 21. 5-11 ; I Jaona 2. 24-29.
Rakotonjanahary Vololoniaina sy Andrianilaina Koloina ary Randriamialison Ihanitra no nifarimbona tamin’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina.
Rakotoson Andrianasy Rova namaky ny tatitr’asan’ny FIZAAF.
Ny Rantsana Fanantenana sy Fialamboly no nanao anjara hira “Isika” taorian’ny toriteny.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Randriamamonjy Hanitriniaina, mpampianatra ao amin’ny K10, FJKM Tranovato Ambatonakanga no tompon’anjara.
Ny Lioka 2. 49d no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“…tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?”
TORITENY
FEO – Toriteny

Ny I Jaona 2. 24-29, no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra izay milaza ny fampahatsiahivan’i Jaona ny amin’ny fitiavan’i Kristy, fampitandremana amin’ny fampianaran-diso.
Ny andrasana amin’ny fihavian’ny Tompo dia ny tsy ho menatra : tomoera tsara amin’ny finoana an’i Kristy, mandehana tahaka ny zanaky ny fahamarinana.
Hafatra roa no nasongadina:
– Mifamatora ao amin’Andriamanitra ary mitoera ao Aminy (And.28) :
o Mila mifandray amin’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny vavaka;
o Tafatoetra: mamaka, tsy voahozongozona (être ferme);
o Tsy hihetsiketsika fa miorina mafy ao amin’ny finoana.
– Tsy mihodinkodina any amin’ny ratsy (And.29) :
o Ny fahamarinana tsy misy porofo (Alethéia).
o Ny marina azo hazavaina ary voasoratra (Justice) (Dikaios): ny marina amin’ny alalan’ny lalàna napetrak’Andriamanitra no tena zanany.
o Manao ny fahamarinana araka ny tokony izy ve ny zanak’Andriamanitra?
Fehiny:
Tariho amin’ny lalana tokony ho izy ny olona rehetra. Tomoera tsara ao amin’ny Tompo. Mandehana tahaka ny zanaky ny fahamarinana.
TENIN’NY MPITANDRINA
Ny Isaia 41. 10 no Teny natolotry ny Mpitandrina ho an’ny Zanaka Am-Pielezana :
“Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”
ASA VAVOLOMBELONA
Fanokafana araka ny fomban’ ny Fiangonana ny Jobily faha 25 taonan’ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly. Nanao ny tatitra ny Filoha Rakotondramboa Johary.
Nanazava ny fandaharana mandritra ny taon-jobily ny Filohan’ny Komity Rajaonarison Tokinarivo.
NY TONDROZOTRA
“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Romana 14. 22a)
“Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana” (Romana 6. 19d) “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Korintiana 15.15b).
Nisy ny Fandraisana ny Fanasan’Ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana.
IREO TOMPON’ANJARA

Ranaivo Fenitra
Nitendry orga
Rabako Tovohery
Nikirakira ny fafana
Rakotovololona Lova
Nikirakira fanamafisam-peo
Raharijaona Solofonirina
Naka sary







































































