ALAHADIM-BOKATRY NY SAMPANA MPANAZAVA SY TILY (SAMPATI)
“MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO”
ALAHADY FAHA XXII MANARAKA NY TRINITE
«Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana.» Marka 13. 33
Alahady mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Mahandrasa, ho avy ny Tompo » ary koa nitondrana amim-bavaka ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI) eo amin’ny sahan’ny FJKM. Ny eto amin’ny Fitandremana kosa dia ivom-bokatr’io Sampana io.
Razafimaharo Kanto no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Ramahavalisoa Haja Andrianina, avy any amin’ny FJKM Bevoay, izay tohanan’ny FJKM Amparibe Famonjena, no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry kosa no nanao ny vavaka fangatahana sy nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra: Zefania 3. 6-8 ; Marka 13. 33-37 ; I Petera 4. 1-6.
Robel Tsilavina no nivavaka mialoha ny namakiana ny Soratra masina : Rabenasolo Tiary no teo amin’ny Testamenta Taloha ary Razafindrasata Ny Avolalaina teo amin’ny Testamenta Vaovao. Samy mpikambana ao amin’ny SAMPATI ireo.
Nanao ny tatitr’Asany ny SAMPATI sy namaky ny hafatry ny Foibe SAMPATI. Rehefa dia nitsangana nihira ny mpikambana : « Tily aho ka matokia ».
Nanatanteraka ny 5 mn ho an’ny fahasalamana ny VMFP.
TENIN’NY MPITANDRINA
- Fananterana ny fiarahabana ny Mpitandrina Ramahavalisoa Haja Andrianina;
- Fiarahabana ny SAMPATI sy fampahatsiahivana fa miavaka izy ireo eo amin’ny fanompoana anivon’ny Fiangonana, ny firenena sy ny tanindrazana. Miavaka koa amin’ny fanabeazana sy fitaizana, koa nirary azy hahefa be.
- Fampahatsiahivana sy fanentanana ny amin’ny alahadin’ny Zanak’Ampielezana ny 23 novambra.
- Filazana fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay hiditra katekomena. Hifarana ny 13 desambra izany sady fidirana mianatra.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andriamizakason Rajaonah Ny Hasina no tompon’anjara.
Ohabolana 3. 5 : « Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao; » no nitondrany ny fampianarana sy hafatra.
Rehefa mifarana ny taom-pitaizana, hoy izy, dia mandeha manao lasy ny SAMPATI.
Misy fifaninanana atao izay antsoina hoe « Grand jeu ». Ny tanjona dia ny hahatafitana mba ho mendrika. Tafita daholo ny « postes » roa ary teo amin’ny fahatelo farany dia nanontany ny mpiandraikitra hoe : Ahoana no nahatafitan’izy ireo. Efa nomen’ny « Cheftaine » ny fahalalana rehetra hatramin’ny « poste » faharoa mahakasika ny Soratra Masina ry zareo. Tsy niomana tamin’ny fahatokiana an’Andriamanitra anefa izany, fa niankina tamin’ny fahaizana fotsiny. Namafisin’ny « Cheftaine » fa mila mivavaka, manankina ny fiainana amin’Andriamanitra. Na mahay be aza dia ankinina amin’Andriamanitra foana ny atao rehetra.
« Andriamanitra ô ! Miankina Aminao ny fahalalanay ».
TORITENY
FEO – Toriteny

Ny Marka 13. 33-37 no nandraisan’ny Mpitandrina hafatra telo.
1. Samy tomponandraikitra amin’ny fiainam-panahiny ny olona (And. 33)
Raha raisina ohatra ny asan’ny mpiambina (« sécurité ») dia ny ilan’ny tongony any amin’ny fahafatesana ary ny ilany any am-pigadrana.
Isika kristiana dia miandry ny fiverenan’i Jesoa, Izay hitsara izao tontolo izao. Ka isika tsirairay avy dia handeha eo anatrehan’i Jesoa. Eo ilay fahafatesana. Koa vonona ve aho ? Manao ahoana ny fiainam-panahiko amin’izany ?
Matoa matahotra ny fahafatesana dia tsy mbola matoky ny hanana fiainana mandrakizay. Ny fametrahantsika ny fiainam-panahintsika no tena tsindrian’ny Soratra Masina. « Aoka ho tahaka ny mpiambina ianareo ». Koa andeha ary isika hanavao ny fiainam-panahintsika ka hanao hoe : « Ampitomboy ny finoanay ».
Manàna fahatokiana fa raha miala eto dia ho eo ambany elatr’i Jesoa Kristy.
2. Tanteraho ny fanompoana eo anivon’ny Fiangonana (And. 34-36)
Handeha lavitra ny tompontrano ka nametraka asa ho an’ny mpiambina. Ao ny manidy sy mamoha vavahady, ny mampaneno lakolosy raha misy loza, ny manara-maso. Samy mibaiko tena ny mpanompo tsirairay. Izay tsy mahavita ny asany dia darohana.
Isika FJKM dia manana sampana izay samy manana ny asany sy andraikiny. Raha mitodika amin’ny SAMPATI, tsy natao handamina « parking » rehefa misy hetsika akory, fa ny tena anjara fanompoany dia ny mijoro ho vavolombelona eo amin’ny Fiangonana na amin’ny teny na amin’ny atao. Vavolombelona koa eo anivon’ny fiarahamonina, mamolavola ny fiarahamonina ho vanona.
Tsy ny SAMPATI irery ihany anefa izany, fa isika rehetra ho tonga Epistily velona eo imason’ny rehetra, ahitany fa momba antsika Andriamanitra.
3. Miambena ka manompoa ny olona rehetra (And. 36-37)
Sokafan’i Jesoa Kristy ho an’ny olona rehetra ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy natao ho ato am-piangonana irery ihany ny fitoriana ny Filazantsara, fa mitodika any ivelany koa. Handraisana famonjena izany ary fifaliana ho an’izay mandray.
Fehiny : Mandra-piandry an’i Jesoa hiverina dia mila miomana sy mitaiza ny fiainam-panahy, ka samy hanompo ny Fiangonana, hanao vain-dohandraharaha izany.
Teo am-pamaranana dia nampahafantatra ny Mpitandrina Ramahavalisoa Haja Andrianina fa mahatratra 43 izao ny nanolo-tena natao Batisa.
ASA VAVOLOMBELONA
Fizarana valisoa ho an’ireo nandray anjara tamin’ny fahalalana Soratra Masina izay nokarakarain’ny Vaomiera Aim-Panahy.
I Korintiana14. 12 : « Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. »
Ny hafatra, raha fintinina dia hoe : Ny Soratra Masina no fahazavana sy hanazava ny lalantsika. Mila hiainana isan’andro ny Tenin’Andriamanitra.
IREO TOMPON’ANJARA

Rajaofetra Philippe
Nitendry orga
Raoliarizaka Bakoly
Nikirakira ny fafana
Andriamahatana Rija
Nikirakira fanamafisam-peo
Andrianandrasanarinaivo Mihaja
Naka sary






































