Alahady 09 Novambra 2025

ALAHADIN’NY GAZETY TARATRY NY FAMONJENA SY NY TRANOKALA
“MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO”
ALAHADY FAHA 21 MANARAKA NY TRINITE


«
…Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky… koa amin’izany aza mitsara…» I Korintiana 4. 1-5

Mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy : «MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO», manerana ny sahan’ny FJKM.

Alahady natokan’ny FJKM itondrana amim-bavaka ny fitantanana ny fananany.

Alahady Ivom-bokatry ny Gazety Taratry ny Famonjena sy ny Tranokala eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena.
Farany, nomarihina nandritra ny Asa vavolombelona ny famaranana ny Jobily fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 125 taona niorenan’ny sampana Dorkasy teto amin’ny Fitandremana.

Rabezandrina Lalaina, Tonian’ny Gazety TAFA no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Fanekem-pinoana Apostolika no nanambaran’ny Mpianakavin’ny finoana ny finoany an’Andriamanitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : II Mpanjaka 22. 1-7; Lioka 12. 41-48; I Korintiana 4. 1-5.

Rakotoarisoa Falimandimby no nanao ny vavaka mialoha ny namakiana ny Soratra Masina.
Andrianandrasanarainaivo Manambina no namaky ny Testamenta Taloha.
Ravelojaona Harentsoa no namaky ny Testamenta Vaovao.
Ny antoko mpihira STAF na Taninketsa no nanao ny anjara hirany.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rakotondramboa Hanitra, Mpampianatra K4 no nanatanteraka ny 5 minitra ho an’ny ankizy sy ny tanora.

Nalainy tao amin’ny bokin’ny Ohabolana 7. 2 ny hafatra : ” Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko”.
Nanamafisana izany ny tantaran’i Josia araka ny II Mpanjaka 22. 1-7. Nanjaka teo amin’ny fanjakan’i Joda i Josia, na dia mbola zaza vao valo taona monja aza. Nanao ho zava-dehibe ny tranon’Andriamanitra ary nitandro ny lalàn’Andriamanitra izy.

TORITENY

Mbola nanantitra ny Mpitandrina ny amin’ny maha alahady natokana ho an’ny fitantanana ny fananan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity androany ity. Eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena dia mitondra amim-bavaka manokana ny Gazety Taratry ny Famonjena sy ny Tranokala ary tsy hadinoina ihany koa anefa ny famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 125 taonan’ny sampana Dorkasy.

Tao amin’ny I Korintiana 4. 1-5 no nakana ny hafatra.
I Paoly no nanoratra ny epistily ho an’ny tomponandraikitra sy ny mpitondra Fiangonana tao Korinto.

1- Ny mpanompon’Andriamanitra antsoiny amin’ny fitantanana ny fananan’ny Fiangonana dia olona mahatoky,
Ny Mpitandrina izay ambara eto amin’ity perikopa ity dia tsy ny mpitondra Fiangonana ihany fa ny mpitantana ny harena sy ny fananana sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Fiangonana.

Ny hoe mahatoky dia olona mahatoky amin’ny finoana, mahatoky amin’ny fiainam-panahy, miorina tsara amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ary mahatoky ihany koa amin’ny asa sy ny fitantanana ny fananana izay apetrak’Andriamanitra aminy.

Ny gazetim-piangonana sy ny tranokala dia isan’ny fananana izay tantanan’ny Fiangonana, raha ho antsika eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena no resahina.

2- Ny mpanompo antsoin’Andriamanitra amin’ny fitantanana ny fananan’ny Fiangonana dia olona tsy ho feno fifampitsarana.
Tokony ho amin’ny fifanohanana sy amin’ny fifanomezan-tanana no anjara andraikitry ny mpanompon’Andriamanitra mitantana ny fananana fa tsy hifampitsara.
Mila mifananatra sy mifampianatra kosa anefa. (Kolosiana 3. 16)

ASA VAVOLOMBELONA

Nofaranana araka ny fomban’ny Fiangonana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 125 taonan’ny sampana Dorkasy.

Ho famaranana ny fanompoam-pivavahana, notononina ny tondrozotra ary natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.

IREO TOMPON’ANJARA
Randriambeloson Sitraka
Nitendry orga

Rabako Tovohery
Nikirakira ny fafana

Harentsoa Rova
Nikirakira fanamafisam-peo

Rakotondramboa Andry
Naka sary

Rabako Tovohery
Nandray an-tsoratra