ALAHADY NANDRAISANA IREO KATEKOMENA ANDIANY « IRAKO »
“MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO”
ALAHADY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
«Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia ; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.» Matio 10. 16
Niavaka ity alahady ity noho ny nanokanana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ireo Katekomena 36 mianadahy, andiany « IRAKO »
« Mahandrasa, ho avy ny Tompo » no lohahevitra vaovao banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana novambra ity.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra ; nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny voalohany no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra : Hosea 12. 4-7 ; Matio 10. 16-20 ; Romana 8. 18-25.
Ramatoa Rakotomanana Andy no nanao ny vavaka sy namaky ny Soratra Masina
Nanao ny anjara hirany ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena mialoha ny Asa Vavolombelona.
Amin’ny maha alahady voalohany amin’ny volana dia nisy ny fitondrana amim-bavaka ireo nankalaza ny tsingerinandro nahaterahana tamin’ny volana oktobra. Ny Deo. 33. 25 no Teny nomen’ny Fiangonana, nentina nampaherezana azy ireo : « Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao.»
Niisa 1.549 ny mpiangona niara-niombom-bavaka tamin’ity alahady ity.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Randriambeloson Malalatiana, mpampianatra Sekoly Alahady K2, no tompon’anjara.
Matio 16. 26a (DIEM) « Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, ». Izany no nakany lesona fampianarana sy hafatra.
Tantara : Nisy olona mpamangy tao amina hôpitaly, tolagaga fa feno vola niparitaka tao. Lehilahy mpanankarena no tompon’ny vola. Narary, nitsabo tena nandritra ny fotoana maharitra izy ka tena lany vola be nefa tonga tamin’ny « phase terminale » izy, tsy nisy azo hatao intsony. Niangavy ity lehilahy nanao hoe inona no hevitra ? Io ny vola. Namaly ny dokotera fa tsy misy azo hatao. Nitomany ka nanaparitaka ny vola tao anaty sakôsy izy.
Marina ny Tenin’Andriamanitra : «Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy»
Ao amin’ny I Jao. 2. 17b ny valin’ny fanontaniana : «fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.»
Maharitra mandrakizay isika raha manao ny sitrapon’Andriamanitra izay hita ao amin’ny Baiboly. Mila mazoto manao Sekoly Alahady, ny Katekomena dia entanina hanohy mianatra Sekoly Alahady.
TORITENY
FEO – Toriteny

Fotoana manokana ny eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena : fanokanana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ireo Katekomena andiany « IRAKO », koa nampifandraisina tamin’izany ny Toriteny.
Tahaka ny inona ny andrasan’ny Tompo amintsika ?
Toe-panahy manao ahoana ?
Ny Mat. 10. 16 no ahitana izany : « Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia ; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. » Tenin’Andriamanitra mazava izany.
Misy zavatra tian’ny Tompo ampitaina :
– Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry
– Hendre tahaka ny menarana
– Morà tahaka ny voromailala
Miteny amin’ny mpianany irahany i Jesoa. Inona ny hevitr’izany iraka miezinezina izany ? Maninona no irahana ?
1- Hiatrika vahoaka mahantra
Hita ao amin’ny Mat 9. 36 izany : « Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. » Tsy vahoaka tsy manan-kohanina akory, fa vahoaka mahantra ara-panahy. Izany no nahonena an’i Jesoa.
Maniraka ho eo afovoan’ny amboadia i Jesoa, maniraka antsika eo amin’ny toerana izay nampahantraina.
Ho an’ny Katekomena andiany « IRAKO » : fantatrareo ve fa tontolo nampahantraina ity tontolo nametrahana’ny Tompo antsika ity ? Matanjaka ny fitsokan’ny rivotra mampiala amin’ny Filazantsara. Nirahan’ny Tompo isika ao amin’ny tontolo amin’ny Filazantsara. Andiany « IRAKO » ianareo, irak’Andriamanitra izany. Ary tena iraka miezinezina satria hitory Filazantsara. Aiza ? Any amin’ny toerana nampahantraina.
2- Inona no nampiomanin’i Jesoa ?
Miomana fa tsy mora, hoy Jesoa. Ondry no irahana eo afovoan’ny amboadia. Fa maninona no manao fanoharana i Jesoa ?
Miteny anaram-biby efatra Izy : ondry, amboadia, menarana, voromailala.
– Ny ondry dia filazany ny tenany ;
– Ny amboadia dia ireo izay mirangorango, mahery setra, mamono sy mihinana. Mampiomana ny Tompo fa tsy mora ny iraka.
Koa manome « consignes » Izy, izany hoe misy toetra takiana :
– Hendre tahaka ny menarana.
Ny menarana dia satana raha tao amin’ny saha Edena, fa kosa hery sy fahefan’Andriamanitra ary famonjena : Nom. 21 : 9 (nanao menarana varahina i Mosesy) sy Eks. 7 : 1-15 (tehina nivadika ho menarana).
Ny menarana dia fetsy, marani-tsaina, mahay saingy tsy ampiasaina amin’ny ratsy izany. Ilaina izany rehefa manatrika ny amboadia.
– Morà tahaka ny voromailala.
Ny voromailala : mila fampihavanana ny heviny. Ao amin’ny Baiboly dia midika fiadanana, fitiavana sy fahatokisana, fahatsorana. Torio ny fiadanana, iaino ny fitiavana nanirahana anareo.
Mat. 10. 19b-20 : « Fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo. »
Maniraka ny Tompo. Tsy mora ny iraka satria hitory Filazantsara amin’ny toerana nampahantraina, afovoan’ny amboadia. Koa mampiomana ny Tompo no sady manafatra no mampianatra fa ilaina ny fetsy sy marani-tsaina, mba handresena ny fampahantrana ara-panahy.
Ho amintsika anie ny Fanahy Masina.
ASA VAVOLOMBELONA
Fanokanana ireo Katekomena, andiany «IRAKO », ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.
Nisy ny firaisana Latabatra tamin’ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana, niarahana tamin’ireo Mpandray vaovao. Ny Hafatra nomen’ny Mpitandrana dia noraisiny tao amin’ny Gal. 5 : « Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy ; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ny fitiavana. Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.»
IREO TOMPON’ANJARA

Ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nitendry orga
Rakotonarivo Vatsy
Nikirakira ny fafana
Rajaofetra Cédric
Nikirakira fanamafisam-peo
Ravelojaona Harentsoa ; Rakotoary Mirado
Naka sary


































