Alahady 26 Oktobra 2025

ALAHADIM-BOKATRY NY SAMPANA FIFOHAZANA
ALAHADIN’NY FIANGONANA REFORMASIONA
“MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO”

«
Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny Filazantsara» I Korintiana 9. 23a

Alahady fahaefatra amin’ny volana oktobra, mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Mamoria vokatra ho an’ny Tompo”.

Alahady ivom-bokatra sy niarahana niombom-bavaka tamin’ny Sampana Fifohazana teto amin’ny Fitandremana sy manerana ny sahan’ny FJKM. Ny Sampana Fifohazana no nanatanteraka ny fotoana.

Andriambelomanana Andry, Filohan’ny Sampana, no nitarika ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry, no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana fahatelo no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Isaia 66. 18-24 ; Jaona 11. 47-53 ; I Korintianina 9. 19-23.

Dimbinirina Ravakiniaina Mirana sy Razafindramonta Mahefasoa ary Rasolonjanahary Fidy no nifarimbona tamin’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina.
Ny Rantsana Fanantenana sy Fialamboly (RFF) no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Nanao anjara hirany ny Sampana Fifohazana taorian’ny tatitry ny asa izay notante.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rado Navalona, mpampianatra ao amin’ny K6, no tompon’anjara.

Ny Genesisy 21. 8 no nakany ny hafatra sy nisintonany lesona.
“Mitsangana areno ny zaza ka tantano fa hataoko firenena lehibe izy”.

Tantara mahakasika zaza nangalatra tao amin’ny orinasa iray no nampifandraisina tamin’ny andinin-tSoratra masina.
Hafatra roa no nakana lesona tamin’izany:
– Tsy mangalatra fa tsy handova ny fiainana mandrakizay
– Tsy ny fonja no valifaty eto amin’izao tontolo izao
Niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady niredona ny hira FFPM 779:4.

TORITENY

Ny I Kor. 9. 19-23, izay manasongadina ny fampianarana samy hafa nentin’i Paoly sy ny etika andrasana amin’ny Fiangonana no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra, ary nampifandraisina tamin’ny lohahevitra “Mamoria vokatra ho an’ny Tompo”.

Toko telo fahombiazana mba hahafahana mamory ny vokatra ho an’ny Tompo:
-> Ny fananana fanetren-tena (I Kor. 9. 19)
__o Marka 9. 35: ny fieboeboana dia tsy mitondra mankaiza;
__o Jesoa mampianatra ny Fiangonana amin’ny alalan’i Paoly Apostoly.

-> Ny fahaizana miatrika ny olona rehetra (I Kor. 9. 20-22)
__o Eo amin’izao tontolo izao ahy dia mahay miatrika ireny aho, hoy i Paoly;
__o “Je peux faire, je peux faire face à toutes les circonstances”
__o Filipiana 4. 12-13: Hainao ve ny miatrika ny zavatra iray ao amin’ny Tompo?
__o Mila mahay miatrika ny zavatra rehetra ny Fiangonana

-> Ny fibanjinana an’i Kristy ho anton’ny fanompoana (I Kor. 9. 23)
__o Noho i Kristy no antony nanatanterahan’i Paoly tamin’ny fotoana rehetra;
__o Noho ny amin’ny Ray izay naniraka azy no nahatonga an’i Jesoa hibanjina izao tontolo izao;
__o Noho ny Filazantsara fa tsy ny olona no anaovana ny asa fanompoana;
__o Rehefa manao ny asa fampaherezana ny SAFIF, tsy ilay marary no banjinina fa Kristy sy ny Filazantsara.

    NY TONDROZOTRA

    “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Romana 14. 22a)
    “Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”.
    (Romana 6. 19d)
    “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.”
    (I Korintiana 15. 15b)

    IREO TOMPON’ANJARA
    Harentsoa Rova – Fenitra
    Nitendry orga

    Raharijaona Nantenaina
    Nikirakira ny fafana

    Rajaofetra Cedric
    Nikirakira fanamafisam-peo

    Ranaivo Nathanael – Andrianandrasanarinaivo Manambina
    Naka sary

    Raoliarizaka Bakoly
    Nandray an-tsoratra