Alahady 12 Oktobra 2025

ALAHADIN’NY SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ANDREFANA
FIVORIAM-BE FAHA-29
“MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO”
ALAHADY FAHA XVII MANARAKA NY TRINITE


«
…hanangonany ny vary ho any amin’ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy azo vonoina…» Lioka 3. 15-18

Ity no alahady natokan’ny FFPM hitondrana amim-bavaka ny Radio protestanta. Miombom-po amin’izany isika eto anivon’ny FJKM. Ho antsika eto amin’ny Synodamparitany Andrefana na ny SPAA10 dia androany no fotoana nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny Fivoriambe faha-29.

Nikatona avokoa ny Fiangonana teto amin’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana fa niara-niombom-bavaka teny amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka avokoa ny Fitandremana sy ny Fiagonana rehetra.

Isika moa dia mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe « MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO».

Ny Mpitandrina Ravelonanosy Mamy Tiana, Mptandrin – Prezidà Synodaly, no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka, Filohan’ny FJKM, no nitory ny Tenin’Andriamanitra ary ny Mpitandrina Ramamonjisoa Robert, Birao Synodamparitany no nitarika tamin’ny fampandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Ny Fanekem-pinoana Apostolika no nanambaran’ny Mpianakavin’ny finoany an’Andriamanitra.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : I Mpanjaka 18. 21–39; Lioka 3. 15-18; Asan’ny Apostoly 15. 30-35.

Nivavaka mialoha ny vakiteny Raharison Solofo Niaina, KD. Namaky ny Testamenta taloha Randrianarijaona Léon Faniry, Diakona. Namaky ny Filazan-tsara Rafalimanana Thomas Joachim, Diakona. Namaky ny Testamena Vaovao Rakotondramanana Vero Malala, Diakona. Nivavaka fangatahana Randriamanantenasoa Martin, Mpitandrina.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ravelonarivo Cyriaque, Mpitandrina no nanatanteraka ny fotoana.
Nalaina tao amin’ny epistily ho an’ny Galatiana 2 :20 :
«Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.»

Aoka ho fitaovana eo am-pelantanan’ny Tompo isika mba hamory vokatra ho Azy. Tokony hanana toetra miavaka isika mba hahataona olona ao amin’ny Tompo, ka tsy isika no ho hitan’ny olona fa i Jesoa Izay velona ao anatintsika.

TORITENY

Tao amin’ ny Filazantsara nosoratan’i Lioka 3. 15-18 no nakana ny hafatra. Noraisina nanomboka teo amin’ny and. 11 ny vakiteny.

Ny toe-javatra nisy tamin’ny fotoana nanoratana ity Filazantsara ity :
And.11-14 : Sokajin’olona telo no nandre ny tenin’Andriamanitra rehefa nitory i Jaona mpanao batisa, izay fantatra sy malaza ny amin’ny batisan’ny fibebahana.

1- Teo ny vahoaka :
Ny filazana hoe : izay manan-kanina dia aoka hanome ho an’ny tsy manana dia mampiseho sary ny amin’ny fahasahiranana lalina mahazo ny fiarahamonina. Ilay filàna fototra ho an’ny vahoaka no tsy nisy tamin’izany fotoana izany.

Ny fampiharana ny tenin’Andriamanitra ho an’ny olona izay mibebaka dia tonga hatramin’ny hoe misy rariny ara-ekonomika, ara-tsosialy ; ka ilay fifebahana izay nanontanian’ny vahoaka hoe « Inona ary no ataonay ? », dia ny fizaràna sy ny firaisankina ary ny fiombonana no takiana amin’izany.

2- Ny sokajy faharoa dia ny mpamory hetra :
Izy ireto dia azo lazaina hoe ireo mpiasam-panjakana tamin’ny fitondrana romana. Mpitaky ny hetra teo amin’ny firenena saingy naka mihoa-pampana noho izay tokony ho nalainy.

Raisina an’ohatra amin’izany i Zakaiosy izay naka hetra tamin’ny tsy rariny fa nampandoa avo telo heny na efatra heny ny tokony halainy amin’ny vahoaka fa rehefa nibebaka izy dia nonerany izany.
Ilay fahamarinana, «honnêteté», no takiana ho an’ny olona izay mandray ny fibebahana.

3- Ny fahatelo dia ny miaramila romana :
Ho an’ny miaramila romana izay nanontany ihany koa ny hoe : « Ary inona kosa no mba hataonay» dia ny hoe : « Aza mitohatoha foana amin’olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ny karamanareo.”

Ny mitohatoha foana dia ilay mitakitaky vola amin’ny olona eny amin’ny fiarahamonina. Angamba tsy ampy azy ireo ny karamany, saingy eto dia mananatra azy ireo i Paoly tsy hanao izany, fa hionona amin’ny karamany ihany.

And.17 : Ny akofa dia toa miendrika vary ihany raha jerena ivelany, nefa tsy misy vokatra afaka handrasana aminy. Ny fivavahana dia tsy anarana fotsiny.
Ny vary kosa eto dia raisina ho toy ny fibebahana mamokatra. Mamohaza voa mendrika ny fibebahana.

Fotoana iandrasana vokatra tsara amin’ny fiainan’ny fiarahamonina izao. Miandry izany amintsika Fiangonana ny fiarahamonina.
Anjaranao ary no misafidy na ho akofa na ho vary. Hiavaka ny vokatry ny fibebahana eo amin’ny fiainan’ny olona. Tsy miverina foana ny tenin’Andriamanitra, raha tsy efa nahavita izay nanirahan’Andriamanitra azy.

Raha ny 75% ’ny Malagasy izay kristianina no mamoa vokatra tsara dia manantena isika fa hisy fiantraikany amin’ny sosialy sy ny ekonomia ary ny fiainana andavanandro sy ny fifandraisana izany ary hisy fiantraikany amin’ny fari-piainan’ny vahoaka izany.

Hoy ny teny fanevan’ny Synoda lehibe : « Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo. »

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen!

IREO TOMPON’ANJARA
Antokom-pihira
Nitendry orga

Nikirakira ny fafana

Antokom-pihira
Nikirakira fanamafisam-peo

Sary nindramina
Naka sary

Rabako Tovohery sy Andriamahatana Rado
Nandray an-tsoratra