Alahady 05 Oktobra 2025

ALAHADIM-BOKATRY NY KATEKOMENA
FANDRAISAN-TANANA NY Mpitandrina RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry sy ny Ankohonany
“MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO”
ALAHADY FAHA XVI MANARAKA NY TRINITE


«
Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay, ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra hianareo.» I Kor. 3. 9

Alahady faha XVI manaraka ny Trinite androany. Alahady nandraisan-tanana ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena.

Ny Biraom-piangonana, Razafimaharo Maminirina, no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina Filohan’ny FJKM, Andriamampianina Zaka Hary Masy, no nitory ny Teny.
Ny Litorjia amin’ny endriny faharoa no nentina nanatontosa ny fotoana.
Ny hira FFPM 16 : 1, 2 no noredonina taorian’ ny Fiarahabana apostolika sy ny namakian’ny Fiangonana ny Salamo 111. 1-7 ho fiderana an’Andriamanitra.

Ny Antoko mpihira Mitambatra no nifarimbona tamin’ny anjara hira.
Notanterahina tao anatin’ny fanompoam-pivavahana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Nehemia 13. 10-14 ; Matio 22. 1-14 ; I Korintiana 3. 5-9.

Nivavaka mialoha ny vakiteny Rakotoarivony Lisiharinoa, Diakona. Namaky ny Soratra Masina Rakotondramboa Lala, Loholona. Nivavaka, taorian’ny fitoriana ny Teny, Randriambeloson Sitraka.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andrianarivo Holy no nanatanteraka ny fotoana.
« Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina » Matio 22. 14
Ny lohatenin’ity tantara kely ity dia hoe « Izay mirotsaka hofidiana no fidiana »
Tany Amerika Avaratra dia nisy mpampiasa iray tsy mino an’Andriamanitra, nanana mpanompo mpino. Matetika izy io manadroadro ilay mpanompony. Indray andro izy nanontany hoe :
– Tena nofidian’Andriamanitra handova ny fanjakany ve ianao mivavaka isan’andro io ?
– Eny, efa voafidin’Andriamanitra aho, hoy ilay mpanompo.
– Ary Andriamanitra ve mba efa nifidy ahy handova ny lanitra ? hoy ilay mpampiasa ?
– Tsy afaka mifidy anao Andriamanitra raha tsy mirotsaka hofidiana ianao.
Izay manaiky mirotsaka ho an’ny Tompo no fidian’ny Tompo.

TORITENY

Ny I Korintiana 3. 9 « Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo » no nangalana ny toriteny.

Paoly no nanangana ny Fiangonana tao Korinto. Ny Mpino tao Korinto dia nanankarena fanomezam-pahasoavana, saingy tsy miorina tsara amin’ny finoana. Anisan’ny reharehan’izy ireo ny fananany mpampianatra, izay mampisongadina ny fomba grika. Eto dia mizara ny olona hoe ny andaniny mpianatr’i Apolosy, ny ankilany mpianatr’i Paoly, kanefa samy mpanompon’Andriamanitra izy mirahalahy ireo.
Ny Fiangonana dia sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ka mila olona hikarakara azy.

Mba hampandroso ny asan’Andriamanitra dia mila manana ireto toetra ireto ny mpanompony :
1- Mila manana fanetren-tena ka manaiky ny sitrapon’Andriamanitra sy mety baikon’Andriamanitra.
2- Mila tompon’andraikitra, Izany hoe tsy manilika andraikitra fa mahatoky sy malina rehefa miasa, ka mikatsaka izay hampandeha tsara ny asa sy hampamirapiratra ny voninahitr’Andriamanitra.
3- Mila tia fiombonana ; tia fiombonam-bavaka sy fiarahana ary fiombonan’aina amin’ny Mpino sy Jesoa, ny mpanompon’Andriamanitra.

Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay eto Amparibe ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra isika mianakavy.

    FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

    Notanterahina tao anatin’ny fanompoam-pivavahana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
    Tao amin’ ny I Korintiana 6. 19-20 : “Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? ka tsy tompon’ny tenanareo ianareo. » no nakana ny hafatra ho an’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

    FAMARANANA NY FOTOANA

    Niarahana nanonona ny Tondrozotra 2025.
    Natolotra ny Tsodrano.
    Nohiraina ny Hira « Mialoka Aminao », ary nofaranana tamin’ny
    Vavaka mangina ny fanompoam-pivavahana.

    ASA VAVOLOMBELONA

    Fandraisan-tanana ny Mpitandrina mianakavy.
    – Noredonin’ny Fiangonana ny Hira Faneva “Fa mpiara-miasa”.
    – Noraisin-tanana sy notolorana takela-pahatsiarovana sy fanomezana ny Mpitandrina mianakavy.
    – Nifandimby nandray fitenenana ny solontenan’ny Fiangonana, ny Komitin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny fandraisana ny Mpitandrina vaovao, ny Zanaka Am-pielezana ary ny solontenam-pianakaviana. Ny Mpitandrina Filohan’ny FJKM no namarana izany.
    – Natolotra an-dRamatoa Ramino Vololona, izay namorona ny tonony sy Irimanana Eninkaja izay namorona ny feon’ny Hira Faneva, ny fankasitrahan’ny Fiangonana.

    IREO TOMPON’ANJARA
    Rajaofetra Philippe
    Nitendry orga

    Rakotonarivo Kaloina
    Nikirakira ny fafana

    Rabemananoro Jonathan
    Nikirakira fanamafisam-peo

    Ramiadamanana Lovatiana
    Naka sary

    Zanaharitsimba Toky
    Nandray an-tsoratra