ALAHADIM-BOKATRY NY KATEKOMENA
ALAHADY ITONDRANA AMIM-BAVAKA NY ASA FIKAROHANA SY FANDALINAMPINOANA (FFP)
“VELON’NY FINOANA NY MPINO”
ALAHADY FAHA XV MANARAKA NY TRINITE
«Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra» Jaona 4. 53d
Alahady faha xv manaraka ny Trinite. Alahadim-bokatry ny Katekomena izay nanao tatitr’asa sy anjara hira. Alahady natokana ihany koa itondrana amim-bavaka ny asa Fikarohana sy Fandalinam- Pinoana (FFP) eo anivon’ny FJKM ary fotoana anatanterahana ny fahalalana Soratra Masina.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Teny.
Rasoanaivo Lalao, mpampianatra Katekomena, no nitarika ny fotoana.
Ny Litorjia amin’ny endriny faharoa no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana.
Ny Salamo 66. 8-12 no niarahana namaky ho fiderana an’Andriamanitra.
Ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly (RFF) no nanana anjara hira.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra : Habakoka 2. 3 – 4 ; Jaona 4. 46 – 54 ; Galatiana 3. 10 – 14
Rakotoambinina Milay no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny. Andrianary Norovelo no namaky ny Testamenta Taloha.
Andriatianamaminiaina Jean sy Andriatianamaminiaina Jean Nomena no namaky ny Filazantsara sy Epistily.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andrianary Ramboasalama, mpampianatra Sekoly Alahady K10, no nanatanteraka ny fotoana.
Ny Salamo 34. 7 no nangalana ny hafatra « Ny anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. »
Nisy tovovavy kely anankiroa nifanena tamin’ny adala iray. Niezaka nandositra io adala io izy roa vavy saingy notomoriny hatrany. Io Salamo 34 : 7 io no notononin’ilay tovovavy kely. Vao nandre izany ilay adala dia nirifatra nandositra.
Manoloana ny fisafotofoton’ny fiainana dia aza matahotra. Matokia ny Tompo fa Izy miaro antsika.
TORITENY

Inty no Alahady farany ibanjinana ny lohahevitra « Velon’ny finoana ny Mpino ». Ny Jaona 4. 46-54 no nangalana ny hafatra.
Anankiroa ny mpandray anjara fototra ao anatin’ity perikopa ity dia i Jesoa sy ilay tandapa nanana zanaka narary.
Araka ity tantara ity dia tao Kana Galilia no nihaonan’i Jesoa sy ilay tandapa. Ilay zaza marary kosa any Kapernaomy. Eo amin’ny 30 km eo ny elanelan-tany.
Eto dia maneho ny maha Andriamanitra Azy Jesoa, manasitrana Izy ary tsy voafetran’ny habaka ny fahefany. Na any Kana aza Izy dia mahavita manasitrana olona any lavitra any ary mahafantatra ny zava-mitranga any. Mampiseho ny fitiavany sy ny famindrampony ihany koa i Jesoa. Na dia fitadiavana famantarana sy fahagagana aza no nanosika ity tandapa ity hanatona an’i Jesoa dia namindra fo Izy ka nekeny ihany ny fangatahan’ilay tandapa ary nositraniny ilay zaza.
Ilay tandapa kosa dia nangataka ny Tompo mba hanasitrana ny zanany. Rehefa nodinihina ny tantara dia ny finoana kely nananan’ity tandapa ity, izay nahatonga azy nisisika nangataka fanasitranana ny zanany tamin’i Jesoa, no nampitombo ny finoany sy nahasarika ny fianakaviany sy ny ankohonany hino an’i Jesoa sy hiorina tsara.
Ny finoana kely ananantsika ihany koa dia tokony hitarika ny manodidina antsika hiorina tsara.
FEO – Toriteny
FAHALALANA SORATRA MASINA
ASA VAVOLOMBELONA
-Batisa tamin’ny zaza Rabenandrasana Arijaona sy Andriambelomanana Niharisoa.
-Fahalalana Soratra Masina teto anivon’ ny Fitandremana, araka ny sokajin-taona.
IREO TOMPON’ANJARA

Rakotonarivo Hery
Nitendry orga
Razafimaharo Kanto
Nikirakira ny fafana
Ramahery Yves
Nikirakira fanamafisam-peo
Rakotoarisoa Falimandimby
Naka sary




























































