ALAHADY FAHA XIV MANARAKA NY TRINITE
“VELON’NY FINOANA NY MPINO”
«Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino» Marka 9. 23b
Alahady faha XIV manaraka ny Trinite androany. Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitory ny Teny.
Rabenasolo Rija avy amin’ny Fikambanan’ny Mpitoriteny, Katekista sy ireo vita Fiofanana (FMKF) no nitarika ny fotoana.
Ny Litorjia amin’ny endriny fahatelo no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana.
Ny Sampana Tanora Kristiana (STK) no nanana anjara hira.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra : Ezekiela 3. 18-21 ; Marka 9. 14-29 ; Asan’ny Apostoly 3. 12-16.
Ireo Diakona nandray anjara : Razafindrabe Hery Bam no nivavaka mialoha ny vakiteny. Namaky ny Soratra masina : Rasolofoson Voahirana.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rabearinoro Jocelyn no nanatanteraka ny fotoana.
Ny Marka 9. 23b no nangalana ny hafatra « Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. »
Na dia kely aza i Davida dia nandresy an’i Goliata izy. Ny finoana an’Andriamanitra no nentiny niady ka nandreseny ny fahavalony, izay tena goavana. Maro ny ady atrehintsika, ny ankizy miatrika fanadinana, ny tanora miatrika soutenance sy fitadiavana asa. Manoloana ireo ady atrehintsika ireo dia mila manao tahaka an’i Davida isika. Aoreno ny finoana fa mila manana finoana isika. « Tout est possible à celui qui croit ».
Nofaranana tamin’ny Fihirana Fanampiny 37 : 2 ny fampianarana.
TORITENY

Alahady fahatelo ibanjinana ny lohahevitra « Velon’ny finoana ny Mpino ». Ny Marka 9. 14-29 no nangalana ny toriteny.
Ny tantaran’ilay ankizilahy nampahorian’ny devoly no voarakitra ao anatin’ity andalan-tSoratra masina ity.
Manoloana izany dia nanatona an’i Jesoa ny rain’ilay zaza ka nangataka fanasitranana taminy.
Nanambara ilay manan-janaka marary fa efa nentiny teo amin’ny mpianatr’i Jesoa ilay zaza, fa tsy sitran’izy ireo. Manoloana izany, fanontaniana roa no mila valiana :
1- Hatraiza ny moa ny fetran’ny fiasan’ny Fanahy masina sy Andriamanitra manoloana ny fiainan’ny Mpino ?
Eto dia aretina ara-nofo no mitranga, ao amin’ny Marka 9. 25-26 anefa dia ny fanahy maloto tao amin’ilay zaza no nodidian’i Jesoa hiala aminy dia nivoaka ireo ka sitrana ilay zaza.
Araka izany dia azo ambara fa mijery ny ara-nofo sy ara-panahy antsika ny Tompo. Ny manontolon’ny fiainantsika no ananany fahefana.
2- Fa maninona no tsy mahita vokatra sy fahombiazana ary fahasitranana eo amin’ny asany ny Mpino anankiray ?
Eo amin’ny Marka 14. 19 dia hoy Jesoa « Ry taranaka tsy mino, mandram-pahoviana no hitoerako aminareo, mandram-pahoviana no handeferako aminareo ? Ento aty amiko izy »
Ny tsy fananan’ny mpianatra sy ireo vahoaka ary ny rain’ilay zaza finoana no antony tsy nahasitranan’izy ireo ilay zazalahy.
Tao amin’ny Marka 9. 23b dia nambaran’ny Tompo fa « Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino »
Ampioreno ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ho azonao izay angatahinao.
- miaina ny finoana ananany
- miaina ny fanetrentena izy
FEO – Toriteny
FAMARANANA NY FOTOANA
Niarahana nanonona ny Tondrozotra 2025.
Natolotra ny tsodrano.
Nohiraina ny Fihirana Fanampiny 3: 2.
Nofaranana tamin’ny vavaka mangina ny fotoana.
IREO TOMPON’ANJARA

Harentsoa Rova
Nitendry orga
Razafimaharo Kanto
Nikirakira ny fafana
Rabiazamaholy Lanto
Nikirakira fanamafisam-peo
Rakotoarisoa Falimandimby
Naka sary


































