Alahady 07 Septambra 2025

ALAHADY AKAFITA (Akany Fialofana Tangaina)
« VELON’NY FINOANA NY MPINO »
ALAHADY FAHA-XII MANARAKA NY TRINITE

ALAHADIN’NY MPANDRAY NY FANASAN’NY TOMPO

«
Hoy Jesosy taminy : Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. 38 Ary hoy izy : Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.» Jaona 9. 37-38

Alahady voalohany amin’ny volana septambra ity alahady ity. Volana ibanjinana lohahevitra vaovao eo amin’ny sahan’ny FJKM, manao hoe « Velon’ny finoana ny mpino ».

Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra ; nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.

Ny Litorjia endriny voalohany no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana Apostolika, laharana voalohany, no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Genesisy 15. 1-6 ; Jaona 9. 35-41 ; Romana 4. 1-12.

Rajaoarisoa Lala Herizo no nivavaka mialoha ny namakiany ny Testamenta Taloha, Rambeloson Mitsoa kosa no namaky ny Testamenta Vaovao. Samy Diakona izy ireo.

Nanao ny anjara hirany, “Aoreno ny finoako”, ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena taorian’ny Toriteny.

Amin’ny maha alahady voalohany amin’ny volana dia nisy ny fitondrana amim-bavaka ireo nankalaza ny tsingerinandro nahaterahana tamin’ny volana aogositra. Niisa 52 izy ireo.
Ny Ohabolana 3. 1-2 no Teny nomen’ny Fiangonana, nentina nampaherezana azy ireo : « Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.»

TENIN’NY MPITANDRINA

Amin’ny maha alahadin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia nanao fampianarana fohy momba ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ny Mpitandrina. « Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. » I Koritiana 6. 20, no Teny noraisiny.

Voavidin’i Kristy tamin’ny tenany sy ny ràny isika. Inona no hevitry ny rà ? Ny rà dia manambara famelana, fanadiovana sy famonjena.
Ny rà dia milaza aina. Amin’ny finoan-drazana, raha misy mpanota dia alatsaka ny ainy ka mila manao sorona. Raha mandray ny ràn’i Kristy nefa mbola manao sorona dia tena loza. Efa nandatsaka ny ràny i Jesoa ho famonjena anao.

Ny hafatra taorian’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo : « Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.» I Koritiana 15. 58.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rakotonarivo Domoina, mpampianatra K4, no tompon’anjara.
Genesisy 50. 20 : «Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy ; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’izao anio izao, hamelona olona betsaka.» no nitondrany ny fampianarana sy hafatra.

Tantara kely tao amina « restaurant » no nentiny nandravahana izany. Nisy rangahy mpanefoefo tao ary nisy vehivavy mainty hoditra. Nangataka divay mena ho an’ny rehetra tao izy, afa tsy ho an’ilay vehivavy mainty hoditra ary nitodika tany amin’ilay vehivavy izy ka nisaotra azy ity farany. Mbola nanafatra sakafo indray izy ho an’ny olona rehetra fa tsy mbola nomeny ihany ity vehivavy mainty hoditra. Raha nitodika nijery azy ilay rangahy dia mbola nisaotra ihany ilay vehivavy. Tsy naharitra ilay rangahy niteny tamin’ilay vehivavy hoe tsy tokony ho tezitra ve ianao, nefa toa mitsiky sy misaotra no ataonao. Misaotra aho noho ny nataonao ho an’ireo olona ireo, hoy ilay vehivavy, izy tsy iza fa tompon’ilay « restaurant ». Nanana sain-dratsy ilay rangahy nefa soa ho an’ny olona maro tsy fantany no vitany.
Andriamanitra dia manova ny ratsy ho soa.

TORITENY

« Velon’ny finoana ny mpino » no lohahevitra vaovao banjinina mandritra ity volana ity, ary ao antin’izany ny Perikopa dia miresaka an’I Jehovah, Abrahama, ary ny Fariseo.
Inona ary ny hafatry ny Tompo amintsika amin’izao volana septambra izao ? Ny Romana 4. dia nisaina ny finoan’i Abrahama. Manambara ny fifamatoran’ny finoana sy ny asa. Ny finoana dia hiainana sy hiveloman’ny olona, fa manaraka izany koa ny asa.
Noraisin’ny Mpitandrina ny Jaona 9. 35-41 izay manome ny toe-panahy iainan’ny mpino velon’ny finoana.
Inona ary ireo toe-panahy ? Raha :

  • miaina ny finoana ananany
  • miaina ny fanetrentena izy

1) Miaina ny finoana
Ny fanontaniana dia hoe inona ny atao hoe mpino ? Ny valiny tsotra dia hoe ny mpino dia ny manam-pinoana. Ka iainany ve ilay finoana ? Raha mino mantsy ka tsy iainana ny finoana dia tsy misy ilaina azy.Raha raisina ny tantaran’i Sara sy Abrama hoe hanana anaka sy taranaka nefa efa samy nandroso taona, olon’ny finoana izy ireo saingy tsy niaina ny finoana.
«Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra ; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?» (Jeremia 32. 27)
Ahoana izany miaina amin’ny finoana ? Mila manaiky ny asan’Andriamanitra, ny fahefan’Andriamanitra fa tsy misaina amin’ny fisainan’olombelona. Hita ao amin’ny Jaona 9. 2-3 izany, momba ilay jamba nandalovan’I Jesoa.

2) Miaina ny fanetrentena
Jaona 9. 40-41 : resaka nifanaovan’I Jesoa sy ny Fariseo mahakasika ny atao hoe jamba.
Nampianatra sy nananatra ny Fariseo Jesoa hoe tsy fananana fanetrentena no maha jamba. Izay mieritreritra ho mahiratra no lasa jamba, izany hoe izay tsy mino dia mitovy amin’ny jamba.
Ny fanetrentena eo anatrehan’Andriamanitra no ananana finoana sy famonjena.

Fehiny
Tena iainan’ny mpino ve ny finoana ananany ?
Ao aminy ve ireo teo-panahy ?
– Miaina sy mivelona amin’ny fanetrentena sy fiankohofana.
– Miaina marina ny finoana ananany. Sao dia mila vonjy nefa diso fitadiavana famonjena

IREO TOMPON’ANJARA
Ranaivoson Jacky sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nitendry orga

Raharijaona Solofonirina
Nikirakira ny fafana

Rajaofetra Cedric
Nikirakira fanamafisam-peo

Andriamampianina Faneva Harijesy
Naka sary

Rajaofetra Voahangy
Nandray an-tsoratra