« MIFAMPAHERY NY MPINO »
ALAHADY FAHA-XIV MANARAKA NY TRINITE
«Hidera an’i Johovah amin’ny foko rehetra aho». Salamo 111. 1
Alahady faha-efatra ambin’ny folo manaraka ny Trinité. Alahady farany amin’ny volana aogositra. «Mifampahery ny Mpino» no mbola loahevitra fitaizam-panahy.
Ny Fikambanan’ny Mpitoriteny sy Katekista vita Fiofanana no nandrindra ny fanompoam-pivavahana. Andrianary Rambolamasoandro Farasoaniaina, Diakona, no nitarika ny fotoana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia amin’ny endriny fahatelo no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra : II Tantara 19. 8-11 ; Matio 18. 15-20 ; I Tesaloniana 5. 12-15.
Ny Diakona Rabeazamaholy Léa sy Razafimahefa Andrianaina Mamy no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra Masina.
Ny Rantsana Fanantenana no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ratobison Zanaharitsimba Rova, mpampianatra K4, no tompon’anjara.
Ny Ohabolana 23. 26a « Anaka, atolory ahy ny fonao », no nakany ny hafatra sy nisintonany lesona. Niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady niredona ny hira FFPM 790:1.
TORITENY

Ny I Tesaloniana 5. 12-15 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra.
Hafatra telo no nasongadina ho an’ny mpianakavin’ny finoana.
– Anaro izay tsy mitoetra tsara :
o Fananarana : averina amin’ny tokony ho izy;
o “Dérégler” : miala amin’ny fenitra, ny lalàna tokony ho izy. “Ceux qui vivent de manière désordonnée”, “paresseux”;
o Tsy ahilika fa anarina;
o Fiangonana milamina : fampianarana calviniste : matanjaka amin’ny finoana, rafitra, asa asy fampamokarana.
– Omeo toky ny malemy saina:
o Ampaherezo ny reraka ;
o Omeo hery ahafahany miatrika ny tanjona.
– Mandefera, aza mamaly ratsy ny hafa:
o Mandefera : fanahin’ny fandeferana, fampaherezana lehibe;
o Aza mamaly ratsy : mihaino azy ary mamaly azy amin’ny fahasoavana.
FEO – Toriteny
ASA VAVOLOMBELONA
Nandray ny Sakramentan’ny Batisa : Andrianary Aroniaina Thimothée.
Ankatokin’ny fandraisana taorian’ny fanompom-pivavahana.
IREO TOMPON’ANJARA

Rabiazamaholy Mahery
Nitendry orga
Randriamasimanana Andrinavalona
Nikirakira ny fafana
Ramahery Yves
Nikirakira fanamafisam-peo
Rakotondramboa Andry
Naka sary






















