Alahady 24 Aogositra 2025

ALAHADY AKAFITA (Akany Fialofana Tangaina)
« MIFAMPAHERY NY MPINO »
ALAHADY FAHA-X MANARAKA NY TRINITE
«
Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.» I Korintiana 16. 13-14

Alahady faha-efatra amin’ny volana aogositra ity alahady ity, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mifampahery ny mpino ». Alahady nitondrana amim-bavaka ny Akany Fialofana Tangaina (AKAFITA).
Misaotra ny Tompo fa tafaverina soamantsara avy tany amin’ny Synoda Lehibe faha-XX tany Taolagnaro ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry sy ireo niara-dia taminy. Ary misaotra ny Tompo koa fa isan’ny voafidy ao amin’ny Mpiandraikitra Foibe Izy.
Ny vaomieran’ny Aim-Panahy (VAP) no nandrindra sy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana, ka ny Diakona Razafindrakoto Tatamo no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny faha-roa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana Apostolika, laharana voalohany, no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Salamo 31. 19-24 ; Jaona 14. 18-24 ; I Korintiana 16. 5-14.
Robel Hanitra no nivavaka mialoha ny namakiany ny Testatamenta Taloha, Andrianina Ony Miora kosa no namaky ny Testamenta Vaovao. Samy Diakona izy ireo.
Ny RFF no nihira taorian’ny toriteny.
Nisy Asa sy Fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.

TENIN’NY MPITANDRINA

Fifaliana ho azy ny afahany mifanatri-tava indray amin’ny mpianakavin’ny finoana eto Amparibe Famonjena, alahady roa no tsy nihaonana noho ny fanatrehany ny Synoda Lehibe tany Taolagnaro.
Nanao fampahatsiahivana izy ny tsy hanadinoina ny mivavaka na any am-pianlan-tsasatra azy, mandeha mamonjy fanompoam-pivavahana any amin’izay toerana aleha ary mitonona fa avy aty Amparibe Famonjena.
Misaotra ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny Synoda Lehibe faha-XX ny 13 hatraminy 20 aogositra 2025.
Nanao tatitra fohy, indraim-bava ny Mpitandrina : 3 andro ny lalana. Mihainga vao maraina amin’ny 4 ora ary amin’ny 6 ora hariva na amin’ny 8 ora alina akory aza no tody amin’ny toerana hatoriana. Nandeha lalana satria nanao ny fitsidiana ny FFP tao Fianarantsoa tamin’ny nandroso, fikarakarana ny Jobily Volamena ; ary nitsidika ny FJKM Bevoay, izay lalana mandritry ny 6 ora sy sasany avy eo Taolagnaro, tamin’ny niverina. Vitsy dia vitsy mpivavaka ao fa tena ataon’ny “voay” (mpanompo sampy) rapadango. Mila tena mieritreritra lalina ny amin’ny zavatra tokony atao sy apetraka any.
Misaotra ny Fiangonana izay telo mirahalahy mianaka nandeha tany fa notohanan’ny Fiangonana tokoa tamin’ny zavatra rehetra.
Teo am-pamaranana dia novakian’ny Mpitandrina ny hafatry ny Synoda Lehibe faha-XX.
Ny Teny faneva vaovao ny FJKM : “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo” (I Kor. 15. 58a)

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andriamialisoa Mamy Kapriskie Naivo, mpampianatra K1, no tompon’anjara.
I Tesaloniana 5. 15 «Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona ; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.» no nitondrany ny fampianarana sy hafatra.
Nametraka fanontaniana izy hoe : « Iza no efa tezitra ? »

Ny fo raha mafana, hoy izy, rehefa tezitra dia mahavita zavatra tsy am-piheverana. Tantara kely no nentiny nandravahana izany. Nisy ankizy vavy nilalao, nanao sabaka dia nianjera. Niomehezan’ny nanamy izy ka tena tezitra, nitomany. Tao am-pianarana dia naka penina izy, hamaly faty hanoratsoratra eo amin’ny latabatra. Hitan’ny mpampianatra izany ka noteneniny hoe aza mamaly faty fa ratsy izany. Ny ampitso, niverina tany am-pianarana izy, nankato ny tenin’ny mpampianatra.

Isika nolaizain’Andriamanitra, ao amin’ny I Tes. 5. 15, tsy hamaly ratsy fa hiezaka foana hitady ny tsara. Mila mivavaka rehefa tezitra mba tsy hanao ratsy, mba hikatsaka ny tsara. Rehefa manao ny tsara isika dia falifaly, manana fo madio.

TORITENY

« Mifampahery ny mpino »
Noraisin’ny Mpitandrina avokoa ny Jao. 14. 18-24 sy ny I Kor. 16. 5-14.
Ny iray mitodika any amin’ny mpitarika Fiangonana, ary ny iray kosa mitodika amin’ny mpianatra.

1)- Jesoa ilay mitarika ny Fiangonana
Ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ao amin’ny sampana, komity… dia manome hery sy mifampahery.
Jesoa Kristy no loharanon’ny fampaherezana. Hoy Jesoa ao amin’ny Jao. 14. 1 : “Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa”. Nanjombona mantsy ny mpianatra raha nilaza Jesoa fa handeha. Ka rehefa hitany izany dia nanome Toky Izy hoe “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.” Jao. 14. 18. Ny dikan’ny hoe “kamboty” dia mahantra, tsy misy mpiahy. Ny hevitr’izany dia hoe hanome fiainana mandrakizay Aho, tsy hamela anareo. Manamafy izany Izy ao amin’ny And. 19 sy And. 20 izay midika hoe miaraka ao amin’ny Ray isika. Tsy misaraka isika sy ny Ray.
Rehefa mahatsiaro ianao fa tafasaraka amin’Andriamanitra ka manary fanantenana sy ketraka dia mila mahatsiaro fa Jesoa no loharanon’ny hery (I Kor. 16. 5 : “Hankatỳ aminareo aho”, izany hoe tsy hisaraka aminareo). Rehefa kivy dia mitodika amin’ny Tompo.

2)- Jesoa mitodika amin’ny mpianatra
Zavatra efa no andrasan’ny Tompo amintsika :
– Mitandrina ny didiny ;
– Miorina amin’ny finoana ;
– Mitoetra tsara ;
– Mahery amin’ny asan’Andriamanitra sy manao izany am-pitiavana.

Novakian’ny Mpitandrina ny Jao. 14. 19 : “Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.” Ary Fiangonana kosa namaky ny And. 22 : “Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’izao tontolo izao koa ?”. Ny valin’io dia hita ao amin’ny Jao. 3. 16 : “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy…”. Izany hoe izay rehetra mino no atao hoe zanak’Andriamanitra. Izao tontolo izao tsy mitandrina ny didiny.

Raha mahatsiaro ianao fa tia anao Andriamanitra dia mila tia Azy ianao ka mitandrina ny didiny.
I Kor. 16. 13 : “Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.”
– Miambena : mivavaha tsy tapaka amin’Andriamanitra,
– Tomoera amin’ny finoana,
– Aoka hitombandahy. Ny dikany amin’ny teny Grika dia hoe aoka ho toy ny lehilahy mahery sady feno tanjaka.
– Mahereza : Tsy kivy, tsy ketraka fa miroso hatrany amin’ny asa fanompoana.

Izay rehetra ataonareo dia atao amin’ny fitiavana. Atao satria tian’Andriamanitra. Izany no andrasan’ny Tompo.

IREO TOMPON’ANJARA
Rajaofetra Philippe
Nitendry orga

Randriamasimanana Antenaina
Nikirakira ny fafana

Rabiazamaholy Hery Lanto
Nikirakira fanamafisam-peo

Ravelojaona Harentsoa sy Rakotoary Mirado
Naka sary

Rajaofetra Voahangy
Nandray an-tsoratra