Alahady 10 Aogositra 2025

ALAHADY KFTM (MARITIORA)

“MIFAMPAHERY NY MPINO”


ALAHADY FAHA-VIII MANARAKA NY TRINITE


«
… Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe : Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.» Daniela 10. 19

Alahady faharoa amin’ny volana aogositra ity alahady ity, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mifampahery ny mpino ».

Alahady nitondrana amim-bavaka ny Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ny Maritiora FJKM.

Amin’ny tsy maha eto an-toerana ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry izay nandeha namonjy ny Synoda Lehibe faha-XX any Taolagnaro, dia nanendry ny Mpitandriana Andrianarisoa Anja avy ao amin’ny SP 18 amin’ny fiandrasan-draharaha miaraka amin’ny Birao-mpiangonana. Izy no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanatanteraka ny Asa Vavolombelona, nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano. Razanamparany Clément kosa, Loholona sady Katekista, no nitarika ny fotoana.
Ny Litorjia endriny fahatelo no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Tenin’ny Mpitandrina
Nisaotra an’Andriamanitra izy ny amin’ny fanatanterahana ny Asa Fanompoana, Asa izay napetraky ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry taminy. Niarahaba ny rehetra eto amin’ny Fitandremana.
Nanentana ny amin’ny fitondrana amim-bavaka ny Synoda Lehibe faha-XX izay hanomboka ny 13 aogositra. Tsy mora ny Asa ka mila mivavaka isan’andro.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Daniela 10. 18-11. 1 ; Lioka 22. 24-34 ; Jakoba 5. 7-11.

Randriamasimanana Erick no nivavaka mialoha ny namakian’i Randriamasimanana Hanta ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Samy Diakona izy ireo.

Ny Sampana Taninketsa no nihira taorian’ny toriteny.

Nisy Asa sy Fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andriamampianina Naivo, mpampianatra K9, no tompon’anjara.

Lioka 22. 26 «Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.» no nitondrany ny fampianarana sy hafatra.

Tsy mitovy, hoy izy, ny lojikan’Andriamanitra sy ny lojikan’olombelona. Tsy takatry ny sain’olombelona ny lojikan’Andriamanitra. Raha 1+1+1=3 ny an’ny olombelona dia 1+1+1=1 kosa ny an’Andriamanitra (Ray, Zanaka, Fanahy Masina =Trinite).
Ohatra iray hafa : raha be dia be ny mpianatra eny am-boalohany, lasa iray monja sisa amin’ny farany no tavela. Atao sary « triangle », ka ny an’Andriamanitra tsy izany fa mivadika : ny kely ety am-piandohana lasa lehibe (olona manompo).

Ny tanjona dia olona mahay manompo tahaka an’i Jesoa Kristy izay nanasa ny tongotry ny mpianany. Jesoa nahay nanetry tena, nandefitra ety an-tany ka any an-danira Izy no lehibe. Izany no dikan’ilay hoe zoky sy zandry. Tsy takatry ny saina ny fahalebiazan’ny Tompo.

TORITENY

Nanao teny fampieritreretana ny Mpitandrina hoe impiry impiry moa isika no mangataka, mivavaka, nefa tsy misy valiny. Toe-javatra niainan’i Daniela izany, hita ao amin’ny Perikopa Daniela 10. 18-11. Ao amin’ny Bokin’i Daniela dia nivavaka izy, nifady hanina nandritry ny telo herinandro. Harerahana sy tebiteby, fahoriana anefa no nozakainy.
Fampaherezana ho antsika izany.

1)- Ao anatin’ny fahalemenao no hanehon’Andriamanitra ny Heriny (And. 18-19)
Tao anatin’ny faharerahana sy fahakiviana i Daniela. Nisy anjely anefa niseho taminy ka nanao hoe « Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza…» (And. 19).
Andriamanitra mampahery amin’ny alalan’ny irany. In-droa ny hoe “mahereza”. Fiadanana ara-panahy no omen’Andriamanitra. Ao anatin’ny fahalemen’ny olona no hanehon’Andriamanitra ny Heriny. Maro ny olana, ny tebiteby ao anatintsika ao. Andriamanitra mahalala izay mahasoa, hitany daholo ny mombantsika rehetra.
In-365 no miverimberina ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “Aza matahotra”. Isan’andro izany Andriamanitra no miteny aminao hoe “ aza matahotra”; Jesoa Kristy nilaza hoe fiadanana maharitra mandrakizay no omeny. Ao amin’i Jesoa ny fiadanana. Ka na bitika na malemy dia hitan’i Jesoa ka mampahery Izy. Avelao Jesoa haneho ny endriny eo amin’ny fiainanao. Voalaza fa « Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao » (Jaona 16. 33)

2)- Mahatoky amin’ny Teniny Andriamanitra (And. 21-11.1)
Ny faminaniana nolazain’ny anjely dia tanteraka. Ny Soratra Marina dia tsy maintsy tanteraka. Ny anjely miady amin’ny fanahy ratsy izay te hamotika izao tontolo izao.
Marina ny Tenin’Andriamanitra. Efa nampiomanin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa. Hita ao amin’ny Matio 24. 7 « Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana;… » Izay lazain’Andriamanitra dia tanterahiny. Jesoa Kristy dia nankato ny Tenin’Andriamanitra. Hoy Izy hoe «aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. »

Tano ny finoana ao anatintsika.
Matokia Azy amin’izao vaninandrontsika izao.
Miandry ny fiverenan’i Jesoa isika ka tsy maintsy hiainantsika izao faharatsiana rehetra izao.
Hiaino ny Tenin’Andriamanitra fa mahatoky ny Tenin’Andriamanitra, momba sy mitantana antsika Izy.
Mila mazoto mivavaka sy mamaky Baiboly isan’andro.
Fintina : Teny fampaherezana roa :
Ao anaty fahalemena no hanehon’Andriamanitra ny heriny. Hoy Jesoa : « fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. »
Mahatoky amin’ny Teniny Andriamanitra. Tsy mivadika amin’ny Teniny Izy. Hiaino ny Teniny.

ASA VAVOLOMBELONA

Batisa : ny zaza Rakotoarivony Noah Miary Mathéo

IREO TOMPON’ANJARA
Rakotondrabe Manjaka
Nitendry orga

Raoliarizaka Bakoly
Nikirakira ny fafana

Rabiazamaholy Hery Lanto
Nikirakira fanamafisam-peo

Ramahery Hasina
Naka sary

Rajaofetra Voahangy
Nandray an-tsoratra