Alahady

Alahady 03 Aogositra 2025

ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

“MIFAMPAHERY NY MPINO”


Alahady fahenina manaraka ny Trinite


«
…mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany» Efesiana 6. 10

Alahady voalohany amin’ny volana aogositra, ibanjinana lohahevitra fitaizam-panahy vaovao eto amin’ny sehatry ny FJKM, dia ny hoe : « MIFAMPAHERY NY MPINO ». alahady fahafito manaraka ny trinité.

Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitondra ny hafatry ny Tompo.

Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.

Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra dia ny II Samoela 10. 9-14; Jaona 14. 1-7; Efesiana 6. 10-13.

Ireo Diakona tompon’anjara: Rakoto Hajaniaina Ginot no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny sy namaky Testamenta Taloha, Ramanandraibe Haingo no namaky ny Testamenta Vaovao.

Ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.

Ireo teraka ny volana jolay no nanao rakitra tsingerinandro naterina ety amin’ny alitara.

Nisy ny fanoloran-jaza, Randriambololona Neken’ny Avo Fitahiana, ary ny fitondrana am-bavaka sy fitsofandrano ireo mpanao Tafika Masina sy ny zanaky ny Fiangonana hamonjy ny Synoda Lehibe an’ny Taolagnaro.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andriamasinoro Erika, Mpampianatra K10 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.

Ny andinin-tSoratra Masina Efesiana 6. 10b : “Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany” no nanatsoahany ny hafatra ho azy ireo.

TORITENY

Ny Efesiana 6 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra, izay miresaka ny mpanompon’Andriamanitra mahery ao amin’ny asan’ny Tompo.

Ary nampifandraisana tamin’ny lohahevitra hoe : “Mifampahery ny mpino”.

Hafatra telo no nasongadina :
Mpino mahery ao amin’ny Tompo, mila :
1- Manovo hery ao amin’Andriamanitra ;
2- Mitafy ny fiadian’Andriamanitra ;
3- Mandray ny fiadian’Andriamanitra.

1- Manovo hery ao amin’Andriamanitra :
. o Efesiana 6. 10 « Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany » ;
. o Mpanompon’Andriamanitra mahery, mahay manovo hery ao amin’Andriamanitra : mivavaka, mifandray amin’Andriamanitra, mifandray amin’ny Soratra Masina sy ny tenin’Andriamanitra;
. o Tsy mahazo miankina amin’ny herin’ny tena.

2- Mitafy ny fiadian’Andriamanitra :
. o Efesiana 6. 11 « Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly » ;
. o Efesiana 6. 13 « Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo » ;
. o “Faka”, “mamahatra” : mijoro tsara mba tsy ho voaozongozona, mafana fo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, miorina mafy tsy voaozongozona.

3- Mandray ny fiadian’Andriamanitra :
. o Ahafahana manohitra ny andro mahaory : aretina, faharatsiana, fahamaizinana ;
. o “Manohitra” (anti) :
.  ny asan’ny satana sy ny devoly, ny fanangolen’ny devoly;
.  Mamono, manafika ary tsy mifarana raha tsy mandresy.

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra.

NY TONDROZOTRA

“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra.” (Rom.14. 22a). “Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.” (Rom.6. 19d). “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15. 15b)

IREO TOMPON’ANJARA
Rabiazamaholy Hery Lanto – SMZM
Nitendry orga

Rabako Tovo
Nikirakira ny fafana

Rakotovololona Lova
Nikirakira fanamafisam-peo

Harentsoa Rova
Naka sary

Raoliarizaka Bakoly
Nandray an-tsoratra