ALAHADY IVON’NY FANKALAZANA NY FAHA-125 TAONAN’NY SAMPANA DORKASY
“OLOM-BOAANTSO NY MPINO”
ALAHADY FAHA VI MANARAKA NY TRINITE
«Mitsangana, mihazava fa tonga ny fahazavanao» Isaia 60. 1a
Alahady farany amin’ny volana Jolay ibanjinana lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sehatry ny FJKM, dia ny hoe : «Olom-boaantso ny Mpino».
Eo amin’ny sahan’ny FJKM dia natokana itondrana am-bavaka ny TPM sy ny IFRP androany.
Nankalazaina androany ny ivon’ny fankalazana ny faha-125 taonan’ny Sampana Dorkasy, nisy araka izany ny fitokanana ny tsangambato tao anatin’ny asa vavolombelona.
Notanterahina nandritry ny asa vavolombelona ihany koa ny Fanekena notanterahin’ireo Mpiandraikitra SAMPATI.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika ny fotoana ; Ramatoa Dina Lovasoa RABENARIVO, filohan’ny Dorkasy Foibe kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Nanao anjara hira ny RFF taorian’ny Toriteny.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
RABENARIVO Lova Filohan’ny Sampana Dorkasy Synodam-paritany SPAA-10 no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny sy namaky ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Perikopa voalahatra : Jeremia 1. 4-10 ; Marka 3. 13-19 ; Romana 1. 1-7
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

RAFIDISON Fara mpampianatra sekoly alahady tranainy no nanatanteraka ny fotoana.
Ny Isaia 41. 10 « Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. » no nangalana ny hafatra.
Beby dia zazavavy kely, nilalao nanasa akanjon-tsaribakoly izy, nantsoin’ny reniny izy hanatitra goûter an’ny nenitoany izay marary izy. Nantsoina in-telo izy tsy namaly. Nianjera latsaka tao anaty fotaka izy avy eo dia niantso vonjy tamin’ny reniny. Tsy niandry ny reniny fa avy hatrany dia naka azy tao anaty fotaka.
Indraindray koa isika dia tsy mamaly ny antson’ny Tompo. Izy anefa dia tsy mitaredretra rehefa mamonjy antsika latsaka ao anaty fahotana.
Rehefa vita ny fampianarana dia niaraka nanao ny hira « Eo an-tratranao Jesosy » izay nahatsiaro tena novonjen’ny Tompo.
TORITENY

Ny Isaia 60. 1a « Mitsangana, mihazava fa tonga ny fahazavanao » no nakana ny fampianarana.
Natolotra ny zanak’Israely niverina tao an-tanindrazany avy tany amin’ny fahababoana ity teny nangalana ny hafatra ity. Nanoloana ny tanànany rava ireto vahoakan’Israely ireto dia kivy sy kamo.
Manoloana izany dia nampaherezin’i Isaia izy ireo, mila mitsangana mandray andraikitra ;
Nasainy mizara ny hazavany ho an’ny manodidina azy ihany koa izy ireo. Raha manana an’i Kristy isika dia tokony hizara ny famonjena amin’ny hafa.
FAMARANANA
Niarahana nanonona ny Tondrozotra
Natolotra ny Tso-drano
Nohiraina teo am-piravana ny FFPM 545,3
FEO – Toriteny
ASA VAVOLOMBELONA
– Ivon’ny Jobily Dorkasy
– Faneken’ireo Mpiandraikitra SAMPATI
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga
Nikirakira ny fafana
Nikirakira fanamafisam-peo
RAMIADAMANANA Lovatiana
Naka sary
ZANAHARITSIMBA Toky
Nandray an-tsoratra



























































































