ALAHADIN’NY SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA
“OLOM-BOAANTSO NY MPINO”
«Ry Jesoa zanak’I Davida ô! Mamindra fo amiko….» Marka 10. 46-52
Anio dia Alahady fahadimy manaraka ny Trinite. Ity fotoana ity koa anefa no alahady hiarahana miombom-bavaka amin’ny Sampana Fivondronana Laika eto amin’ny sahan’ny FJKM ary ho an’ny Fitandremana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena dia ivon’ny fanateram-bokatra ho an’ny SFL ity anio ity.
Mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe «OLOM-BOAANTSO NY MPINO» isika ankehitriny.
Ny Sampana Fivondronana Laika no nitarika ny fanompoam-pivavahana ka ny Filoha Randretsa Laza no nanatanteraka izany ; ny litorjia voalohany no notontosaina.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Henintsoa Tahiry no nitory ny tenin’Andriamanitra ary izy ihany koa no nanatanteraka ny vavaka fangatahana
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany na ny fanekem-pinoana Apostolika no nanambaràn’ny Fiangonana ny finoany an’Andriamanitra.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ireto manaraka ireto ny Perikopa voalahatra androany : Amosa 7. 10–15; Marka 10. 46–52; Galatiana 1. 11-17.
Andriamasinoro Nantenaina no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny ary izy ihany no namaky ny Testamenta Taloha, Ramanandraibe Haingo no namaky ny Filazantsara sy ny Epistily.
Nisy ny tatitry ny asan’ny Sampana izay notanterahan’i Andriambolamanana Toky ary Rakotoalison Jakelin no nanohy izany tamin’ny hafatry ny SFL Foibe.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Zoky Rabemila Anna, mpampianatra sekoly alahady K1 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny Marka 10. 49.
“Ary Jesoa nijanona, dia nanao hoe : Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe : Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.”
TORITENY

Ny nakana ny hafatra dia ny Filazantsara araka ny Marka 10. 46–52 sy ny Galatiana 1. 11-17.
Araka ny lohahevitra hoe « olom-boaantso ny mpino » dia miantso olona Andriamanitra ho amin’ny asa fanompoana, ny fitoriana ny filazantsara ary ho amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Fiangonana.
Ny fanontaniana mipetraka raha mamaky ireto perikopa ireto dia ny hoe : ny Finoana ve no mialoha ny Fiantsoan’Andriamanitra ? sa ny Antson’Andriamanitra no mandeha mialoha vao ny finoana an’Andriamanitra ?
Raha vakiana ny Marka 10. 46-52 dia milaza indrindra ny nampahiratan’i Jesoa Kristy an’i Bartimeo teo amin’ny lalan’i Jeriko.
Rehefa fantatr’i Bartimeo fa handalo Jesoa dia niantsoantso izy ka niteny hoe : « Ry Jesoa, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!”
Tsy teny fampiasan’ny olon-drehetra akory ny fanambaràna ny hoe : “Jesoa zanak’i Davida”,”mamindrà fo aminay”.
Ny fanambaràna ny hoe “Zanak’i Davida” dia fanekena ny maha-Mpanjaka an’i Jesoa.
Olona efa manana finoana fa Mpanjaka tokoa Jesoa no sahy miteny izany.
Ny teny hoe “mamindra fo amiko” izay nampiasain’i Bartimeo dia tsy ny rehetra ihany koa no mahavita miteny izany fa satria matoky ny hery sy fahefan’ilay olona angatahana famindram-po izy, manaiky izy fa manam-pahefana ilay olona hitodihany, afaka mamindra fo aminy ary hahasitrana azy.
Koa raha nanontany azy ny Tompo hoe : “inona no tianao hataoko aminao” dia namaly izy hoe Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
Milaza izany fa efa nanana finoana tokoa an’i Jesoa i Bartimeo izay vao nantsoin’i Jesoa izy.
Eto izany dia ny Finoana no nialoha ny fiantsoana.
Fa andeha kosa isika hamaky ny Galatiana 1. 11-17.
Ambaran’i Paoly eto fa izy dia tsy nandray ny Filazantsara tamin’ny olona fa Jesoa Kristy mihitsy no noraisiny mivantana ka toriany.
Raha mamaky ny andininy faha-13 isika dia mahita indrindra ny toetran’i Paoly izay nanenjika fatratra ny Fiangonana, fa tamin’izany indrindra izy no nadaboky ny Tompo ary nantsoin’ny Tompo kosa.
Mazava ary eto fa ho an’ny tranga miseho tamin’ny fiainan’i Paoly dia ny Fiantsoana no mandeha mialoha, vao ny finoana.
Raha izany ary no izy dia aoka isika tsy hiasa saina loatra ny amin’ny hoe inona no mandeha aloha : ny Finoana ve sa ny Fiantsoa ? fa ny azo antoka dia tsy azo sarahina fa miaraka mandrakariva ny asa fanompoana , ny Fiantsoana ary ny Finoana.
Raha mibanjina ny lohahevitra hoe : “olom-boaantso ny Mpino” isika dia tokony hieritreritra hatrany ny hoe manahoana ny finoana entiko manatanteraka ny fiantsoana ahy.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen!
FEO – Toriteny
ASA VAVOLOMBELONA
Nisy roa miantoana ny asa vavolombelona ka ny voalohany dia fanatanterahana ny Sakramentan’ny Batisa ny zaza RAMAROMANDRAY Soan Ilo Ilyas.
Ny faharoa kosa dia ny fametrahana ireo Komity Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Mianakavy amin’ny toerany, amin’ny fombam-piangonana.
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofo no nanatanteraka vavaka ho an’ny Komity fandraisan-tanana ny Mpitandrina.
IREO TOMPON’ANJARA

Ranaivoson Jacky
Nitendry orga
Raharijaona Soloronirina
Nikirakira ny fafana
Harentsoa Rova
Nikirakira fanamafisam-peo
Ramahery Hasina
Naka sary
Rabako Tovohery
Nandray an-tsoratra















































