Alahady 13 Jolay 2025

ALAHADIM-BOKATRY NY SAMPANA TANORA KRISTIANA (STK)
“OLOM-BOAANTSO NY MPINO”
ALAHADY FAHA IV MANARAKA NY TRINITE


«Ary Jesoa niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.» Matio 15. 32

Alahady faharoa amin’ny volana jolay ity alahady ity, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Olom-boaantso ny mpino ».

Alahady nitondrana amim-bavaka ny Sampana Tanora Kristiana (STK) eo amin’ny sahan’ny FJKM, ary ivom-bokatr’io Sampana io eto amin’ny Fitandrema Amparibe Famonjena.

Randriambeloson Tolotra Kenny no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra. « Toriteny an-kira » niarahany tamin’ny STK Amparibe Famonjena.

Ny Mpitandrina Rakotondrabe Harilanto Christian, izay mitondra ny “poste d’évangélisation” any Antsalova tonga nivahiny sy namangy ny FJKM Amparibe Famonjena, no nanao ny vavaka setrin’ny toriteny. Nandray fitenenana koa izy nanambara ny momba ny Asa sy ny zava-misy any.

Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : 1 Samoela 3. 1-9 ; Matio 15. 32-39 ; 1 Korintiana 1. 18-25.

Rakotomanana Tsiaro no nivavaka mialohan’ny namakian’i Nakany Andriamihaja Anthony ny Testamenta Taloha, ary i Andriamanantsoa Manou Cedric no namaky ny Testamenta Vaovao. Samy mpikambana ao amin’ny STK avy izy ireo.

Nanao ny tatitr’Asany ny STK, ary tompon’anjara iray namaky ny hafatry ny STK Foibe.

Tenin’ny Mpitandrina :
– Fiarahabana ny Mpitandrina Rakotondrabe Harilanto Christian mianakavy.
– Fampahatsiahivana momba ny fitsidiana sy fampandraisana an-tokatrano.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Randriambeloson Malalatiana, mpampianatra K2, no tompon’anjara.
I Sam 3. 10d «Mitenena fa mihaino ny mpanomponao» no nitondrany ny fampianarana sy hafatra.
Tenin’i Samoela zaza io raha niantso azy Jesoa. Hana no anaran’ny renin’i Samoela. Ny dikan’ny anarana hoe Samoeola dia «Andriamanitra mamaly vavaka». Hana dia tsy nety niteraka nandritry ny ela be. Nivavaka mafy sy nitalaho tamin’Andriamanitra izy ary nilaza fa raha omen’Andriamanitra zanaka izy dia hatolony an’Andriamanitra ny zanany.

Samoela tsy niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny fa tany amin’ny Tempoly, ny mpisorona (Ely) no niandraikitra ny fanabeazana azy.

Nahare feo i Samoela raha natory, in-droa niverina izany. Noheveriny fa i Ely no niantso azy. Fantatr’i Ely fa Jehovah no niantso an’i Samoela ka nafarany izy hoe, raha mbola misy miantso dia valio hoe : « Mitenena fa mihaino ny mpanomponao ». Nahare feo fanin-telony tokoa i Samoela ka novaliany araka ny tenin’i Ely.
Nankato an’i Ely i Samoela ka ny vokany dia notahian’Andriamanitra izy (And.19). Lasa mpaminany lehibe ao amin’ny Baiboly i Samoela satria nanaiky an’i Jehovah.
Tena mihaino an’Andriamanitra tokoa ve isika rehefa manao Sekoly Alahady sy fanompoam-pivavahana ? Ny fanontaniana : tara lava ? Miresaka ? Tsy tonga mihitsy ? Vonon-kihaino ve izany ?
Ndeha isika hanahaka an’i Samoela zaza na any am-pianarana, na any an-trano, na aty am-piangonana. Ho mpianatra kristiana modely isika.

TORITENY

Toriteny an-kira no notanterahin’ny Sampana Tanora Kristiana (STK) niaraka tamin’ny Mpitandrina.

Ny Perikopa FJKM voalahatra, Matio 15. 32-39, no noraisina. Mazava eto fa Jesoa Kristy miantso ny mpianatra eo an-tendrombohitra. «Olom-boaantso ny mpino» (Mat. 15. 32). Ny mpino dia ny Fiangonana.

Maniraka hanao Asa fanompoana Jesoa : hamonjy ireo tsy manan-kohanina, ireo jamba, ireo kilemaina.
Miantso Jesoa, koa :
– Mandehana ka esory ny fanahiana rehetra
– Tahafo Kristy
– Minoa fa momba anao ny Tompo

Hira : Mandondona

. Mandehana ka esory ny fanahiana rehetra (And. 32-35)
Nanana fanahiana ny mpianatra. « Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao! » (And. 33). Rehefa nantsoina ny mpianatra dia fanahiana no betsaka.
Saingy nibaiko ny Tompo hoe : asaivo mipetraka ny vahoaka. Izay asaiko ataonreo no ataovy. Manàna finoana.
Miantso antsika ny Tompo koa tanterao izay asainy atao fa aza manahy. Nofidian’ny Tompo ianao.

Hira : Aza manahy

. Tahafo Jesoa Kristy izay nirahan’Andriamanitra (And. 36)
Inona no tahafina ? Inona ny nataon’i Jesoa Kristy ?
Rehefa avy nandidy ny olona hipetraka Izy dia nandray ny mofo sy hazandrano ka nisaotra an’Andriamanitra ary namaky ny mofo…
Hita ao amin’ny Mat. 14. 19 koa izany momba ny mofo dimy sy hazandrano roa (tsy mitovy amin’ny mofo fito sy hazandrano vitsy sy madinika ao amin’ny Mat. 15. 34 io). Nasain’i Jesoa nipetraka ny vahoaka ary nandray ny mofo sy ny hazandrano Izy, ka niandrandra ny lanitra nisaotra an’Andriamanitra mialohan’ny nanolorany ireo an’ny mpianatra ho zaraina amin’ny vahoaka.
Rehefa mahay manahaka an’i Kristy dia misaotra. Ny misaotra dia tsy « remerciement » fa mino an’Andriamanitra, mitodika Aminy izay mahay sy manatanteraka ny zavatra hatrehana.

Hira : Toe-po

. Manome valim-bavaka ny Tompo (And. 37)
Rehefa nozaraina dia hita fa tsy lany.
Minoa fa miaraka aminao Andriamanitra. Mila matoky ianao.
Ny ampitain’i Jesoa eo dia hoe amin’ny fomba tsy takatry ny saina ny fiasan’Andriamanitra. Ny anjaranao dia ny mino.

Hira : Havaoziko

Eto am-pamaranana,
« Olom-boaantso ny mpino »
Miantso antsika ny Tompo koa :
– Mandehana ka esory ny fanahiana rehetra
– Tahafo Kristy
– Minoa fa momba anao ny Tompo

IREO TOMPON’ANJARA
Randriambeloson Sitraka sy Harentsoa Rova miaraka amin’ny namana STK
Nitendry orga

Raoliarizaka Bakoly
Nikirakira ny fafana

Rabiazamaholy Hery Lanto
Nikirakira fanamafisam-peo

Raharijaona Nirina
Naka sary

Rajaofetra Voahangy
Nandray an-tsoratra