“OLOM-BOAATSO NY MPINO”
ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
«Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa» Isaia 45. 5a
Alahady voalohany amin’ny volana jolay, ibanjinana lohahevitra fitaizam-panahy vaovao eto amin’ny sehatry ny FJKM, dia ny hoe : « OLOM-BOAANTSO NY MPINO ».
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitondra ny hafatry ny Tompo.
Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra dia ny Isaia 45. 1-7; Lioka 9. 1-6; I Petera 2. 18-25.
Ireo Diakona tompon’anjara: Razafindrakoto Tatamo no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny, Razafindrakoto Alain no namaky manontolo ireo perikopa voalahatra.
Ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Ireo teraka ny volana jona no nanao rakitra tsingerinandro naterina ety amin’ny alitara.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ranaivoson Voahirana no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny andinin-tSoratra Masina Isaia 45. 5a : “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa : Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho” no nanatsoahany ny hafatra ho azy ireo.
TORITENY

Ny Lioka 9 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra, izay miresaka ny niantsoana ny Apostoly. Jesoa miantso ny Apostoly hakeo aminy. Fiantsoana ny Fiangonana ho amin’ny fitoriana ny Filazantsara.
Ary nampifandraisana tamin’ny lohahevitra hoe : “Olom-boaantso ny Mpino”.
“Antso” : no teny niavian’ny Fiangonana.
“Voaantso” : no iantefan’ny safidin’Andriamanitra.
“Olom-boaantso ny Mpino” : Fiangonana, Mpino nantsoina ho amin’ny Famonjena, sy ny fitoriana ny filazantsara .
Hafatra telo no nasongadina :
Jesoa niantso ny Fiangonana ka :
– Nanome ny hery sy ny fahefana ;
– Nanome ny tanjona ho tratrarina sy ny asa atao ;
– Nanome ny tondrozotra sy ny lalan-kaleha.
-Manome ny hery sy ny fahefana :
o « Hery » : zavatra miforona ao anaty tsy hay tohaina ;
o II Timoty 1. 7 « Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa Fanahy Mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » ;
o Nomena hery sy fahefana tsy ho kanosa, tsy ho ketraka, tsy ho kivy ny mpino.
-Manome ny tanjona ho tratrarina sy ny asa atao :
o Lioka 9. 2 « Ary izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hahasitrana ny marary » ;
o Handresy ny demonia, ny satana ;
o Hanasitrana ny marary (ara-nofo, ara-panahy, rofy), ny aretina ;
o Matio 10. 1 « Ary Jesoa niantso ny mpianany roa amibin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. » ;
o Hitory ny filazantsara
-Manome ny tondrozotra sy ny lalan-kaleha :
o Marka 6. 7 « Ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome fahefana hamoaka fanahy maloto » ;
o Tsy ny mety aminao no atao fa ny mety amin’ny Tompo;
o Manome ny tokony atao ny Tompo.
Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra.
Ny Tondrozotra : “Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra.” (Rom. 14. 22a). “Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.” (Rom. 6. 19d). “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15. 15b)
FEO – Toriteny
IREO TOMPON’ANJARA

Rakotonarivo Hery – SMZM
Nitendry orga
Andrinavalona Randriamasimanana
Nikirakira ny fafana
Rajaofetra Cedric
Nikirakira fanamafisam-peo
Andriamampianina Faneva Harijesy
Naka sary
Raoliarizaka Bakoly
Nandray an-tsoratra





































































